Kandidà tsy miankina, ny didin’ny mahaleo tena

Mahazo laka ny kandidà tsy miankina amin’ny fifidianana rehetra. Taratry ny fihen-danjan’ny antoko politika, nefa safidy sy tetik’ady politika ihany koa.

517 kandidà amin’ny 803 no mahaleo tena amin’ny fifidianana solombavambahoaka izay ho avy. Efa nampoizina ihany fa harefo ny antoko politika amin’ity fifidianana ity, nefa lalina tanteraka ny hadirin’ny lavaka misy azy ireo. Raha ny salanisa no halalinina aleon’ny ankabeazan’ny kandidà nisafidy ny hisalotra ny lamban’ny tsy miankina.

Mamadika rasa

Fanazavàna voalohany izao fahamaroan’ny kandidà tsy miankina izao ny fihenan-danja miandalan’ny tanjaky ny antoko politika. Na dia mitombo aza ny isan’ny antoko voasoratra eny anivon’ny ministeran’ny Ati-tany, mihena ny tanjany sy ny lanjany eny anivon’ny fiaraha-monina. Na dia efa maherin’ny 200 aza ny antoko politika, ny ankamaroany mijoro ara-dalàna sy amin’ny taratasy fotsiny fa zara raha hisy mpikatroka ary tsy manana vinam-piaraha-monina akory. Tamin’ny taona 2018, nanana fikasàna hanafoana antoko maherin’ny roanjato ny praiministra Olivier Mahafaly Solonandrassana. Mbola tsy nisy tohiny io fikasàna io hatramin’izao, nivadika ihany rahateo ny fitantanana ny fanjakàna. Any amin’ny firenena tandrefana anefa somary mivadika ny rasa satria ireo antoko « vaovao », toy ny La France Insoumise, Podemos na Syriza – mivoy tsangan-kevitra mirona miankavia ary manohitra ny rafitra mitoetra – dia nanome hery vaovao ny firohotana politika. Leo ny rafitra efa misy ny olom-pirenena ary te hanova zavatra amin’ny alalan’ny firotsahana amin’ny politika. « Miverina ny antoko mampivondrona ny besinimaro satria io no fomba mahomby indrindra entin’ireo marefo hanoherana ny vondrona manan-kery », hoy i Paolo Gerbaudo (Jereo Politikà laharana faha 11 1). Mahitsy ny fomba fahitan’i Manuel Wally ny fifandraisan’ny antoko politika sy ny olom-pirenena malagasy ka mahatonga ny fihenan-danjan’ny antoko eto Madagasikara. Novoaboasany fa « tsy dia mifampikasoka matetika amin’ny olom-pirenena ny antoko politika, rehefa ivelan’ny vaninandrom-pifidianana. Tsy mazava ny fandaharan’asa, hany ka manontany tena ny mpifidy hoe inona ny tombony hoentin’ny antoko politika ? »2

Rivotry ny fanovàna

Tsy nanome tosika ny firotsahana an-tsehatra ny fomba amam-panaon’ny mpanao politika eto amintsika. Mireille Razafindrakoto (talen’ny IRD) sy François Roubaud (mpitantana ny sampana fikarohana ao amin’ny IRD) sy Jean-Michel Wachsberger (mpahay momba ny fiaraha-monina, maître de conférences ao amin’ny anjerimanontolon’ny Lille) dia nanambara hoe « ny tsy fahavitrihan’ny malagasy mirotsaka amin’ny sehatra politika sy ny fikambanana no anisan’ny antony mitarika ny fahantrana »3. Vitsy ny antoko tena manana rafitra ary mamadika ny vina ho lasa asa. Amin’ity fifidianana solombavambahoaka ity, ny vondron’antoko Isika Rehetra Miaraka amin’ny Prezidà Andry Rajoelina irery no nahavita nanolotra kandidà eran’i distrika rehetra eto Madagasikara.

Ny tsy miankina no tena mibahan-toerana. Ary mety ho be isa eo anivon’ny antenimierampirenena raha tsy mahavita mampandany ny solombavambahoakany ny IRD sy ny Tim. Tamin’ny 2013, efa nahatratra 42 ny solombavambahoaka mahaleo tena teo anivon’ny antenimierampirenena malagasy. Tamin’io taona io kosa nefa tsy nisy ny kandidà mahaleo tena tafiditra tao amin’ny antenimierampirenena tany Sénégal, telo tany Ghana, tsy nisy tany Nigéria, roa monja tany Kenya. Efa manambara zava-dehibe izany. Mahazo laka ny tsy miankina rehefa tsy matanjaka ny rafitra antoko politika. « Ny antony mahabetsaka ny kandidà tsy miankina amina antoko dia ny tsy fahavitrihan’ny mpitarika antoko hampirisika ny fametrahana ny demokrasia anaty » hoy i Manuel Wally. Ny antoko lehibe any Nigeria sy Ghana nefa mampihatra tanteraka ny demokrasia anaty hany ka vitsy ny kandidà tsy anaty antoko no lany 2.

Tsangan-kevitra

Mila vola ny mampihodina antoko politika ary mila manana fahefana ihany koa vao afaka tena miaina, hany ka nanjavona ny ankamaroan’ireo antoko mpiantsehatra izay navitrika teo aloha. Tsy misy lalàna mifehy ny famatsiam-bolan’ny antoko politika rahateo. « Tsy manome fanampiana ny fanjakana foibe nefa misy anjara andraikitra lehibe tokony hefain’ny antoko eo anivon’ny fiaraha-monina na dia amin’ny alalan’ny fandraisany anjara amin’ny fampijoroana ny andrim-panjakana fotsiny aza. Tamin’ny ady hevitra momba ny fametrahana fitsipika aman-dalàna mifehy ny antoko politika to Madagasikara, ny antoko efa nahalany filoham-pirenena, toy ny Arema sy ny Tim, dia tsy nazoto tamin’ny fametrahana rafitra ahafahan’ny fanjakana mamatsy vola ny antoko politika »3, araka ny fandalinana nataon’i Hasimbelo Rindra sy Raveloson Jean Aimé.

Vitsy ihany koa anefa ny antoko tena mifototra amin’ny tsangan-kevitra hany ka vao mifofofofo mafy ny rivotry ny fanovàna dia manaraka izany ireo mpikambana. « Ny fisintahana amin’ny fitantanana, ny fametraham-pialàna na ny ny fahafatesan’ny mpitarika antoko no matetika fototry ny fihenan’ny tanjak’ilay antoko, ny fizaràny toy ny PSD, ny AREMA na ny Tim », hoy hatrany i Hasimbelo Rindra sy Raveloson Jean Aimé.

Olon-dresy

Ho an’ireo kandidà tsy miankina dia tsotra ny anton’ny safidiny : fitadiavana fahaleovan-tena tanteraka fa tsy hoe finiavana hisintaka amin’ny rafitra politika. « Maro tokoa ny kandidà mahaleo tena nirotsaka. Misy ady izay te ho lohany eny anivon’ireny antoko politika ireny. Misy olana koa ny antoko. Izany no niniako tsy niditra tamin’ireny. Rehefa anaty antoko ianao misy tamberin’adidy mila ataonao aminy ary mety ho lasa fitaovana fotsiny ianao. Ny firotsahanao amin’ny maha mahaleo tena anao manambara fa manana ny maha izy anao ianao », hoy ny fazavan-dRabenandrasana Mahazaka, kandidà eto amin’ny boriborintany voalohany eto Antananarivo.

Mbohoahy Tsibara, mpampianatra en amin’ny oniversiten’ny Toliara, kandidà tamin’ny fifidianana 2013, manazava fa « raha miditra amin’ny antoko politika ianao, ny maha-izy anao tsy misongadina loatra, fa ny antoko no matanjaka. Raha miditra ao amina vondrona parlemantera ohatra tsy afaka manolotra ny hevitra na dia tsara aza ka tsy mifanandrify amin’ny hevitry ny antoko. Matetika ny «fanompoana » olona no mbola tena mibahan-toerana eto amintsika fa tsy ny fijoroana amin’ny hevitra. Tsy mieritreritra hoe ahoana no ahafahana mampatanjaka ny antoko ». Tokony hisy hery telo lehibe misongadina eny avon’ny firenena, raha tahafina tamin’ny valin’ny fifidianana izay ho filohan’ny repoblika farany teo: IRD, Tim sy HVM. Nisafidy ny tsy hisalotra io anarana HVM io anefa ireo kandidà miandany amin’ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery fa hivondrona eo anivon’ny VTT. « Nihintsana tamin’ny fihodinana voalohany Rajonarimampianina Hery. Sarotra ny hitondra ny anaran’ny HVM raha te ho lany », hoy i Mbohoahy Tsibara.

Vondrona

Tetik’ady fanao kosa hoy Rachidy Mohamed, mpandrindra nasionalin’ny HVM, ny mampivondrona ny hery. « Tetik’ady io. Fanao eran-tany ny fiarahan’ny antoko politika sy fikambanana miatrika fifidianana. Nanangana ny vondrona VTT izahay. Ny tanjon’ny mpanorina dia mitady mihitsy ireo tia tanindrazana. Manana olona 70 eo izahay anivon’ny lisitranay », hoy Rachidy Mohamed. Izany anefa tsy mahasakana ny mety ho fahazoan’ny kandidà tsy miankina ny maro an’isa ka mety hiteraka tsy fahamarinan-toerana politika eny anivon’ny andrim-panjakana toy ny tamin’ny fitondran-dRajaonarimampianina. Raha tsiahivina, ny tsy fananan-dRajaonarimampianina Hery solombavambahoaka no anisany tsy nampilamina ny fitantanany ny firenena.

Nila nanangana vondrona mpanohana izy, tsy nanomboka akory anefa ny fifidianana izay ho filoham-pirenena farany teo dia efa niparitaka izany vondrona parlemantera manohana ny fitondrana HVM izany. Randriarimalala Harijaona, Jaona Elite, rahateo niala tamin’ny toerana maha mpitarika ny vondrona parlemantera HVM rehefa nametra-pialàna tamin’ny jona 2018. ny vondrona parlemanteran’ny HVM tamin’ny jiona 2018 ary nisafidy ny hanohana an-dRajoelina Andry taty aoriana. Na ireo lohandoham-pisorona toy an-dRandrianasoloniaiko Siteny ary namadika ny palitaony nirotsaka tamin’ny anaran’ny IRD. Any amin’ny mpifidy ny teny farany. Na hanome fitokisana ireo mahaleo tena, na hisafidy ny hanamafy orina ireo antoko politika.

Raoto Andriamanambe

Loharano nanovozan-kevitra : 1Le retour du parti Paolo Gerbaudo, Politikà 11 – 2 Réglementation du financement des partis politiques et des campagnes électorales Étude comparative des pratiques en espace francophone Manuel Wally, PhD, LLB (décembre 2016) – 3 Les partis politiques malgaches à travers les régimes et gouvernements successifs, Rindra Hasimbelo et Jean Aimé Raveloson (FES, août 2011)