Lapan’ny Tsimbazaza, mila fanavaozana

Naorina nanomboka tamin’ny fotoana nahazoana ny fahaleovan-tena ny ankamaroan’ireo tranom-panjakana eto Madagasikara, ary vitsy amin’izy ireny no mba efa nasiam-panavaozana. Anisan’ireo nataon’ny mpitantanana nifanesy ambany maso tsy hita ka tsy mbola nokitihina na nanaovana asa fanavaozana ny lapan’ny antenimierampirenena eny Tsimbazaza.

Tena handany vola ny fanatsaràna ny lapan’ny Tsimbazaza

Hatramin’ny taona 60 no mankaty, dia lasa anjorombala ka tsy mba nisitraka asa fanatsarana na fanavaozana ny lapan’ny demokrasia eny Tsimbazaza, izay foiben’ny antenimierampirenena eto Madagasikara. « Zara raha nisy ny fampitaovana sy kojakoja kely madinidinika nielina, fa ny fanavaozana marina dia mbola any an-kibon’ny omby hatramin’ny Repoblika voalohany, fotoana niorenany », hoy ny fanazavan-dRambeloson Toky, talen’ny fampitaovana eo anivon’ity Andrimpanjakana ity. Tsy hahagaga noho izany raha toy izao ny endriny iaraha-mahita ankehitriny.

Fikojakojana an-tselika

Raha ny fanazavany hatrany, mbola tsy nisy hatreto ny fanaovana fanadihadiana mikasika ny fototra iorenan’ny lapa, ka na ireo injeniera miasa ao amin’ny sampandraharaha tantaniny aza tsy afaka nanao izany. Odian-tsy hita toa tonom-bomanga vory vahoaka. Fantatra fa misedra olana ireo manampahaizana hatreto ny amin’ny fandalinana ny rafitra taloha nanorenana ny fotodrafitrasa manoloana ny tekinika sy ny akora nentina nanatontosa izany, ka manano sarotra vokatr’izay ary mety handaniam-bola be ny famerenana izany ho toy ny tahadika. Raha tokony hisy, araka izany, ny fanavaozana dia aleon’ny fanjakana na izay tomponandraikitra misahana io vakoka manan-tantara io mihevitra ny hanao fanorenana vaovao nefa tsy andaniam-bola loatra. Ara-dalàna raha miahaka sy mampanongo tena ny endriky ny fotodrafitrasa amin’izao fotoana izao. Mba hahazoana mitana ny endriny hatreto, dia « fikojakojana tsotra no atao : fandokondokoana kely sy fanamboarana ireo fitaovana mpitondra herinaratra, ny rano… », hoy hatrany ity talen’ny fampitaovana ity. Ny fanapahan-kevitra ny amin’ny hanasiam-panavaozana ny lapa, hoy izy nanohy, dia angady mahatapaka ahitra ny amin’izany ny birao maharitry ny antenimierampirenena. « Ny manome tolo-kevitra azy ireo ny amin’ny tokony hisian’ny fanatsarana no anjaranay ary anjaran’ny parlemantera ny manapaka na hirosoana izany na tsia », hoy hatrany izy. Na izany aza, noho fitomboan’ny filana birao sy ny fihamaroan’ny isan’ny mpiasa, dia nisy ny fananganana efitrano efatra vaovao tamin’ny taona 2016 ary nanampy ireo dia nisy koa ny fanorenana trano roa hafa natao handraisan’olona.

« Ny manome tolo-kevitra azy ireo ny amin’ny tokony hisian’ny fanatsarana no anjaranay ary anjaran’ny parlemantera ny manapaka na hirosoana izany na tsia »

Atao laharam-pahamehana

Tsy ny lapan’ny demokrasia ihany no tranom-panjakana mampanongo tena amin’izao fotoana izao fa maro amin’ireo fotodrafitrasa taloha no hita fa efa mijoro saingy anaty fahalovana ary zara raha misy fikarakarana. Tsy azo ahilika amin’ny mpitantana sy ny sampandraharaha natao hisahana ny fikojakojana fotsiny anefa ny rihitra. « Tsapa fa misy ny tsy fananana finiavana sy ny tsy fametrahana ho laharam-pahamehana ary ny ankamaroan’ireo mpanapa-kevitra sy ny mpampiasa ny fotodrafitrasa dia tsy manisy hajany izany satria tsy fananany manokana », hoy izy raha nanindrom-paingotra ny toe-tsaina lomorina ananan’ny mpiasa sasantsasany ao amin’ny antenimieram-pirenena. Manaraka izany avy eo ny momba ny famatsiam-bola anatanterahana io asa mankadiry io. Noho ny tsy fametrahana ho lohalaharana ny fandraisana an-tanana ny momba ireny tranom-panjakana ireny, navoaka ivelan’ny vala koa ny ady hevitra tokony handinihana izany. Vokany, mandroso mihemotra toa rambon’omby ny raharaha. Manampy trotraka izany ny tsy fananan’ny antenimiera tetibola hisahanan-draharaha azy manokana tahaka izay fahita eny anivon’ny minisitera. Mitondra ny zioga vokatr’izany ireo sampandraharaha samihafa satria antsy mahariro-bilona amin’ny lafiny ara-bola, hoy ihany ny fanazavana. Tsy misy afa-tsy ireo parlemantera, araka izany, no « tompon’ny lakile » amin’ny fanapahan-kevitra ny amin’ireo asa goavana mitaky famoaham-bola…

Noho ny tsy fametrahana ho lohalaharana ny fandraisana an-tanana ny momba ireny tranom-panjakana ireny, navoaka ivelan’ny vala koa ny ady hevitra tokony handinihana izany

Fikorosoana miandalana

Manana sampandraharaha misahana ny fampitaovana ny antenimierampirenena. Tsy mianona fotsiny amin’ny fikojakojana ny lapa anefa ny asa sahanin’izy io. « Miandraikitra ny asa mikasika ny fikajiana sy ny fitantanana rehetra momba ny trano no anjarany, tahaka ny lapa, ny ivontoeram-pandraisan’olona, ny kafeteria izay sady efitra filanonana, ny garazy sy zaridaina », raha ny fanazavan’i Rambeloson Toky hatrany. Manampy izay koa ny fisahanana ireo fiaram-panjakana miasa ao Tsimbazaza. Misy sampandraharaha hafa koa napetraka eo ambany fitantanany, tahaka ny misy ireo injeniera miandraikitra ny fanadihadiana momba ny fanorenana, ny fanamboarana ary ny fanavaozana ny vatan-trano. Fantatra fa efa vita ny fandinihana sy ny tolo-kevitra mikasika ny vahaolana hoenti-miatrika ny fikorosoana miandalana mitranga eo amin’ny tany iorenan’ny antenimierampirenena. « Manomboka mikorosy ny tany satria misy rano vaky ao ambanin’ny tany ka ahiana ny hisian’ny tondra-drano », hoy hatrany ity tomponandraikitra ao Tsimbazaza ity. Mitoetra ho antso an’efitra anefa izany hatreto na efa mananontanona aza ny loza ho an’ity fotodrafitrasan’ny mpanao lalàna ity.

Tetikasam-panavaozana

Ankoatra ny foibeny eny Tsimbazaza, nahazo birao misahana ny arofenitra any Toliara ny antenimierampirenena. « Misy ny hevitra mitsiry ny amin’ny tokony hananana birao manerana ny faritra ka hiheverana ny amin’ny fampihavanam-pirenena, saingy mbola tsy tanteraka izany hatreto », hoy kosa ny loharanom-baovao iray. Ny hahazoana mioitra manoloana ny sakana mba hahafahana mikajy ireo fananana sy fitaovam-panjakana anefa dia miankina indrindra amin’ny fisian’ny fanjakana matanjaka, mpitondra mijoro ho tena fanilo ka manome lanja ny soa iombonana. Tokony hahay hanoro lalana izany foto-piheverana izany amin’ny mpiara-miasa aminy sy olom-pirenena ireny tomponandraikitra ireny, ka hijoro mba hanome ohatra. Mifanindran-dalana ny fampiroboroboana ny demokrasia sy ny ady amin’ny kolikoly, ka tokony ho voalohan-daharana amin’ny fanomezan-danja izany ireo solombavambahoaka miasa ao amin’ny lapan’ny demokrasia. Fositra maha maty momoka ny fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny asa fanavaozana ny kolikoly ka isan’ny vato misakana ny amin’ny fanatsarana ny tranom-panjakana izany. Singanina manokana amin’ireny ny lafiny fanaraha-maso ny fifanojoan’ny asa notanterahina amin’ny fandaniana izay mbola mampisalasala sy miteraka olana. Heverina, noho izany, fa asa tokony hotanterahina ny fanavaozana ny lapan’ny antenimiera, satria ity andrimpanjakana ity dia vakoka iray mijoro ho vavolombelon’ny tantara teo amin’ny fampahazoana laka ny demokrasia teto Madagasikara.

Karina Zarazafy