Tafatafa tamin’i NAINA ANDRIANTSITOHAINA

Naina ANDRIATSITOHAINA
Ministry ny raharaham-bahiny

« Fiaraha-miombon’antoka fa tsy fanampiana, izany no andrasan’i Madagasikara amin’ireo rafitra mpanao tantsoroka ara-teknika sy ara-bola »

Manazava ny finiavany hanome ainga vao ny diplomasia malagasy ny ministry ny raharaham-bahiny. Niresaka taminay izy mahakasika ny toe-java-misy ankapobeny iainan’ny firenena, ny fanendrena masoivoho vaovao, ny tetikady ara-toekarena ary ny momba ny Nosy Eparses, ilay resaka tsy azo ihodivirana.

Mitodika mankaiza ny diplomasia malagasy amin’izao fiovana entin’ny vanin’andro ankehitriny izao?

Manomboka izao i Madagasikara dia mampihatra diplomasia misokatra sy tsy manilika ary baikoin’ny tombontsoam-pirenentsika. Diplomasia iombonana, mivelatra amin’ny lafina sehatra maro, tsy mikato-trano, tsy miandry baiko fa mametraka hatrany fa ny tena no tompon’andraikitra voalohany, tsy miandriandry fa manatona ny hafa, ary mifantoka hatrany amin’ny fahazoana vokatra. Tsindriko manokana ilay endriny tsy manilika. Tokony ho tompon’antoka lehibe amin’ny fisandratan’i Madagasikara ny diplomasia malagasy. Tsy misy mihitsy fanomezana vahana sampana fiaraha-miasa izao na izao. Miezaka ny hiditra lalina eo amin’ny fifandraisany amin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena rehetra i Madagasikara mba ahazoany miatrika ny fanamby napetrany eo amin’ny fampandrosoana ara-piaraha-monina sy ara-toekarena.

Ny ady ifanaovana ho amin’ny tombotsoan’ny firenena amin’izao vanin’andron’ny fanatontoloana izao dia matetika mifanipaka amin’ny tombondahiny tokony ho azon’ny firenena an-dalam-pandrosoana. Ahoana no fitantanan’ny ministera an’ilay hoe ‘diplomasia tsy manilika’ manoloana izany?

Manana ny fiandrianam-pireneny i Madagasikara, mahafinaritra ahy ny mamerimberina izany. Ankehitriny dia efa nofaritan’ny governemanta ny laharam-pahamehany sy ny tanjona kinendriny amin’ny alalan’ny politika ankapobeny an’ny fanjakana teo ambany fitarihan’ny filohan’ny repoblika. Hanome tanana amin’ny fampiharana izany politika izany avokoa ny mpiara-miombon’antoka tsisy an-kanavaka na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany. Ny endrika voalohany isehoan’ilay ‘diplomasia tsy manilika’ dia ny fanamafisana ny fifandraisana amin’ireo firenena izay mifanolobodirindrina amintsika amin’ny alalan’ny fifandraisan-tendrom-paritra, ao amin’ny COI, ny COMESA, ny SADC na koa ny Vondronana Afrikanina, fa koa amin’ny alalan’ny fiarahara-miombon’antoka efa mahazatra amin’ny fifandraisan’ny firenena roaroa avy. Ankoatra izany dia hampitombointsika ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena izay azo lazaina fa efa an-dalam-pisandratana, indrindra amin’n’ny firenena aziatika. Tsy manakiana ny zava-bitan’ny teo aloha akory. Miantsoroka ny lasa izahay sady mivimbina aim-baovao ihany koa. Miatrika fanamby tsy eran’ny aina i Madagasikara mba hanatràrana ny Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy, tsy ho tratra izany raha tsy misy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka sy fikambanana iraisam-pirenena isan-tsokajiny. Araka izany, i Madagasikara manomboka izao dia hamaritra ny fifandraisany amin’ny mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-toekarena araka ny lojikan’ny fiaraha-miasa hasolo toerana ny lojikan’ny fanomezan-desona. Fiarahamiasa no tadiavinay fa tsy fampianarana. Manomboka izao, ny governemanta malagasy dia maniry fiaraha-miombona antoka manome vahana ny laharam-pahamehana sy ny filàn’i Madagasikara.

Nofoanan’ny filan-kevitry ny ministra tampotampoka ny masoivoho sy iraka ara-diplomatika an’i Madagasikara tany ivelany. Miharihary fa mihisatra ny fanendrena izay hisolo an’izy ireo. Tsy ampy ve ny olona sa sa misy sakana hafa?

Azoko tsara ny tsy faharetana. Misy zavatra tsapa fa mifanohitra no sady mahaliana ihany koa anefa. Tsy nisy zavatra niova nandritra izay dimy taona lasa izay. Efa-bolana no nitantananay, hita ho mandeha haingana dia haingana ny raharaha, toy ny hoe efa efa-taona sahady izay no lasa. Ny zavatra andrasan’ny olona dia mifanojo amin’ny fanantenana nofohazinay. Mahatsara zavatra izany, mandrisika anay izany. Saingy tsy maintsy homaninay tsy am-pirotorotoana ny fanendrena ny mpiara-miasa sy ny masoivoho. Tokony ampodiana ireo mpiasa any amin’ny masoivohontsika any ivelany. Etsy an-daniny, ny birao sy ny trano fonenan’ny masoivohontsika dia efa simba mahonena ka tsy maintsy havaozina. Ary indrindra, ny ambaratongan-karaman’ny mpiasa amin’ny ankapobeny dia tsy maintsy asiana fanamboarana sy hahena mba hifanentana amin’ny enti-manana eo am-pelatanana.

Singa sy maridrefy maro isan-karazany no tsy maintsy banjinitsika noho ny fiovana misy eo amin’ny fitodiky ny diplomasia malagasy sy ny fanamby miandry antsika. Santionany amin’izany dia hisy masoivohontsika any ivelany sasantsasany tsy maintsy hakatona rehefa natao ny kajikajy sy fandinihina; hisy koa anefa hosokafana, toy ny any Maroka ohatra. Raha ny mahakasika ny fanendrena masoivoho dia efa eo an-dalana izany amin’izao fotoana izao, fantatra koa anefa fa mety hiteraka alahelo sy fahadisoam-panantenana izy io.

Eo ihany ny amin’izay, fa misy ve misy masontsivana mazava manokana ho an’ireo olona izay ho alefa any ivelany?

Marihiko aloha fa tsy resaka tsangan’olona izy ity. Mety ho mpanao politika izy ireo, mety ho diplomaty efa zatr’ ady na koa tanora manampahaizana. Zava-dehibe ho azy ireo ny mahafehy an’ ilay tetikady napetraka ho an’ny diplomasia malagasy araka ny vina napetraky ny filohan’ny repoblika. Ireo diplomaty izay ho voatendry hiasa any amin’ny masoivohontsika any ivelany dia tokony miasa ho an’ny fisandratan’i Madagasikara ara-toekarena sy ho an’ny fanatsarana ny toe-piainan’ny mponina. Tsy maintsy koa ry zareo miezaka manampy ny sehatra tsy miankina eo amin’ny fandrombahana tsena sy eo amin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka sy famatsiam-bola. Manampy izany ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ny fanatsaran ny fijerin’ny hafa an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy ho ny asan’ny masoivoho fotsiny intsony. Ankoatra izany dia hisy tombana hatao mahakasika ny asa vitan’ireo izay ho solontenantsika any ivelany sy ireo diplomaty izay haparitaka tsy ho ela. Misy 70 amin’izy ireo no efa vonona hamonjy toeram-piasana, vao nahavita fiofanana mahakasika ny diplomasia ara-toekarena tao amin’ny Foiben’ny varotra iraisam-pirenena izy ireo.

Ahoana no tena ho fisehon’ilay diplomasia ara-toekarena izay voizin’ny fanjakana hatrany hatrany?

Ny diplomasia ara-toekarena dia mamadika ho asa ilay vina hoe ‘Madagasikara miroborobo sy miray hina’. Ny asan’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny, na eo anivon’ny Departemanta foibe na any amin’ny solontena any ivelany, dia mifantoka amin’ny fanatràrana ny tanjon’ny fampandrosoana, amin’ny fitadiavana fiaharaha-miombon’antoka mitondra tombotsoa ho an’ny mpiara-miombon’antoka rehetra, ary koa amin’ny fitadiavana fiaraha-miombona izay heverina fa manan-danja manokana. Ny diplomasia ara-toekarena dia mampiseho ny safidin’i Madagasikara hitady izay fomba hiatrehany ny fanamby nataony, ka hampifantoka ny asan’ny diplomasia amin’ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana sy ny fivoarana ara-toekarena ary ny lafiny politika izay tsy tokony ho hadinoitsika. Ny Ministeran’ny raharaham-bahiny dia hanome lanja manokana ny endrika manintona ananan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny ‘vita malagasy’ sy i Madagasikara amin’ny maha-tany mpandray mpizahan-tany azy. Araka izany dia hisy habaka ho fampirantiana an’i Madagasikara hatsangana any amin’ny masoivohon’i Madagasikara mba hanasongadinana ny vokatra avy aty amintsika sy ny orinasantsika.

Ny dian’ny delegasiona notarihan’ny filohan’ny repoblika tsy ela akory izay tany Parisy dia niteraka resabe, indrindra momba ny Nosy Eparses. Misy azonao hambara bebe kokoa ve mahakasika an’io?

Tsy nifantoka tamin’ny Nosy Eparses akory ny dian’ny filohan’ny repoblika tany Parisy. Ny tena anton-dia voalohany indrindra dia fitsidihana ofisialy noho ny fanasana avy amin’ny filoha Emmanuel Macron. Manaraka izany dia nahafahana nandresy lahatra amin’ny fanentanana hampitomboana ny fampiasam-bola frantsay aty Madagasikara sy ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta iny dia iny. Nisy fivoriana niarahana tamin’ny lehiben’orinasa frantsay, mikambana ao amin’ny MEDEF, ary nisy fifanekena hiara-miombon’antoka vita sonia tamin’izany. Tsy hadino koa fa nisy fanomezana manantantara natolotry ny BRGM (Biraom-pikarohana jeolojika sy ny harena ankibon’ny tany) an’ny fanjakana Malagasy tany. Tsy inona izany fa vokatry ny fandinihana tena lafo vidy hahafahana mahalala, etsy an-daniny, ny haren’ny tany sy ny harena an-kibon’ny tany Malagasy, ary etsy an-kilany hanome hery ny asa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Raha ny momba ny resaka Nosy Eparses indray dia izao notokony tadidiana: fihetsika mbola tsy nisy nanao iny fa ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no nisantatra azy,  niresaka mivantana momba izany tamin’ny filohan’ny Repoblika Frantsay Emmanuel Macron. Mila herimpo sy fitiavan-tanindrazana izany. Ireo filoha roalahy dia maniry manomboka izao handroso ao anatin’ny toe-tsaina vonona hisokatra. Nisy fe-potoana nifanarahany fa tsy maintsy hahatongavana amin’izany, dia alohan’ny fankalazana ny faha 60 taona niverenan’ny Fahaleovantena amin’ny taona hoavy. Fantany tsara tsy hanome fahafaham-po ny rehetra izy ireo,  indrindra ny manohitra azy ireo avy. Anjaran’ny Vaomiera iombonana amin’izay izao ny manolotra vahaolana ho azy. Marihina fa, ho an’ i Madagasikara, io aloha voalohany indrindra dia resaka fiandrianam-pirenena sy tsy fanombinana ny tany. Tsy fotoanan’ny fisamatsamahana politika intsony izao na  ny ady hampisongadina ny tena fa  fotoanan’ny firaisam-pirenena. Tonga ny fotoana hirosoana mba hahitana vahaolana. Sady ho fanatontosana izany indrindra no nahatonga ny ministera nanangana rafitra ka niantso an’izay rehetra efa nandray anjara tamin’ny fandinihana an’io lohahevitra io izy hiditra ao. Nefa aleo dia tsorina,  fa raha tsy maintsy mandray ny antontan-kevitra ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny dia satria tsy nahomby daholo izay rehetra natao tany aloha. Tsy fanamelohana izany, samy mizaka ny toe-draharaha ankehitriny daholo isika,  zavatra tsy maintsy miantso antsika rehetra mba hanetry tena kely koa izany.

Tany Parisy ny Filohan’ny Repoblika dia niresaka koa momba ny zon’ny olona mipetraka any ivelany hifidy. Ahoana ny momba ny fanatanterahana an’io?

Ny Filohan’ny Repoblika dia nanome toky fa handinika ny fanatontosana ny zon’ny any am-pielezana hifidy amin’ny fifidianana Filoha manaraka. Io dia fampanantenana nataon’ny Filoha izay hiantsorohan’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ny fanatontosana  azy hatramin’ny farany. Sady ho sambasamba io eto Madagasikara satria na ahoana na ahoana fiangavian’ny tany am-pielezana dia mbola tsy tontosa mihitsy hatramin’izay ny fisitrahany ny zony hifidy. Tahaka izany koa ny fananganana foibe famoahana pasipaoro any amin’ny ambasady sasany. Izany zavatra natao izany dia midika fa manaiky ny maha zava-dehibe ny anjara asan’ny any am-pielezana ny Fanjakana noho izy raisiny ho anisan’ny andry iankinan’ny fampandrosoam-pirenena.

Nangonin-dRaoto Andriamanambe