Asean, ilay fakam-panahy aostronezianina

Fiverenana an-doharano. “Mihevitra ireo izay nanangana ny IEM fa ny ‘fitovitoviana eo amin’ny lafiny kolontsaina’ izay misy eo amin’i Madagasikara sy ny firenena aostronezianina dia toe-java-misy tokony ho fanararaotra amin’ny alalan’ny Asean eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, ny diplomasia sy ny toekarena. Mifaka amina tsangan-kevitra azo tanterahina ve izany sa nofy antoandro fotsiny ihany?

“Toe-tsaina ihany koa anefa ny Asean, araka ny fampahatsiahivana atao amintsika matetika ao an-toerana. Tsy rafitra enti-manery ny rehetra tsy maintsy hanaiky izy”

 

Tsindrio io sary io mba hanalebeazana azy

Azia izany dia tsy hoe i Shina na i Japana na i India na i Korea Atsimo fotsiny ihany akory. Nanjary mpisehatra ara-toekarena tsy azo ihodivirana ao amin’ny faritra misy azy ny vondron’ireo tany izay miaraka ao ambany fanevan’ny Fikambanan’ny firenena ao Azia atsimo atsinanana (Association of South East Asian Nations, Asean). Goavam-be ny Asean. Vondrona bevata misy mponina 647 tapitrisa. Firenena folo ry zareo no mikambana ao anatin’ny vondrona, dia i Breonay, Kambodja, Indonezia, Laosy, Malezia, Myanmar, Filipina, Singapour, Thailandy sy Vietnam. Raha atambatra ny PIB-n’ny Asean dia misanda eo amin’ny 3 000 lavitrisa dolara eo ho eo. Raha izany tarehimarika izany no jerena, dia mitana ny laharana fahadimy amin’ny toekaren’izao tontolo izao ny fikambanana, manarakaraka ny Vondrona eoropeana, Etazonia, Shina sy Japana. Eo amin’ny tanjaka ara-toekarena dia ny Asean no laharana fahatelo (eo alohan’i India) ao amin’ny faritra misy azy. Manintona ny firenena toa an’i Madagasikara ny mandondom-baravarana any amin’ny vondrona matanjaka toa ny Asean, misy toetoetra iombonana amin’ny Malagasy rahateo ny mponina ao, torak’izany koa eo amin’ny fiteny, ny toeram-ponenana ary ny fomba amam-panao.

Voan-kevitra vao

Mialohan’ny zava-drehetra dia fangitra ara-kolontsaina no fiheveran’ireo izay niketrika ny IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar) ny ‘aostronezia’, izany hoe “vahaolana ara-kolontsaina ho fampivoarana ny kolontsaina malagasy.(…) Ny hahatongavana amin’ny marimaritra iraisana mahakasika ny tena loharano nipoiran’ny kolontsaina malagasy no tanjona.”1 Ny voan-kevitra ‘aostronezia’ izay ampifandraisina amin’ny Asean dia voasoratra mazava ao anatin’ny tahirin-kevitra IEM, eny fa na dia tsy mbola nisy resaka natao aza mahakasika io faniriana hanatevin-daharana ny Asean io hatramin’ny nahatongavan’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana. Tsiahivina fa loharanon-kevitra nanovozana ny Politika ankapobeny an’ny fanjakana (PGE) ny foto-kevitra IEM. Ny hany fotoana mba nandrenesana an’io teny io dia tamin’ny Tsenabe Asia Enjoy. I Holijaona Raboana, filohan’ny Emergence de Madagascar no nanazava fa “ny mampiavaka ireo firenena izay mikambana ao amin’ny Asean dia ny fizoran’izy ireo mankany amin’ny lalan’ny fitomboana malaky izay mitondra mankany amin’ny fisandratana ara-toekarena, ka izany dia hamafisin’ny fahaizana mifehy ireo voan-kevitra izay mifandraika amin’izany araka ny fomba win-win. Omen’ny IEM lanja manokana ny fidiran’i Madagasikara ao amin’io vondrona ara-toekarena io. Io voan-kevitra vao io dia tafiditra ho anisan’ireo paikady maventy indrindra izay hizoran’ny diplomasia malagasy”. Tsy nisy nanipy teny mahakasika izany na ny filohan’ny repoblika na ny minisitry ny Raharaham-bahiny nandritra ny fitsidihana samihafa sy tao anatin’ny kabary samihafa nataon’izy ireo.

Manokatra pejy vaovao

“Fiverenana an-doharano mihoatra lavitra ny fetra napetraky ny habaka sy ny fotoana nisy hatramin’izao“, izany no fiheveran’ny IEM ny fanatonana an’i Azia atsimo atsinanana amin’ny alalan’ny Asean. Ny toekarena no fangitra iodinan’io faniriana hifanatona io. Manintona mafy tokoa mantsy ny miditra ao amina vondrona izay nahatratra varotra iraisam-paritra 25% tamin’ny taona 2016.

Nanokatra pejy vaovao teo amin’ny tantaran’izy ireo ireo firenena folo izay mikambana ao amin’ny Fikambanan’ny firenena ao Azia atsimo atsinanana tamin’ny 31 desambra 2014: natsangan’izy ireo ny ‘fari-pifanakalozana malalaka’ (zone de libre échange) izay misy mponina 625 tapitrisa. Tamin’ny 2015 ny vondrona ara-toekarena Asean no nitsangana. Ny tanjona kinendriny hatramin’ny taona 2015 dia ny fametrahana faritra iray “mavitrika, afaka mifaninana ary tompon’anjara ao amin’ny toekarenan’izao tontolo izao”. Vinavinaina ho 2,6 lavitrisa dolara ny tsenan’ny Asean. Raha atao ny fampitahana amin’ny ‘fari-pifanakalozana malalaka an’ny vondrona afrikana’ (Zlecaf) izay kendren’ny Firaisambe Afrikana (UA) hatsangana, dia tsy hiteraka afatsy 1,3 lavitrisa dolara ny Zlecaf, firenena an-droapolony anefa no nanasonia ny fifanarahana. Ireo firenena izay mikambna ao amin’ny Asean dia manana tanjona hampiakatra ny PIB isaka ny mponina ho 9 000 dolara amin’ny taona 2010. Ny PIB an’ny Malagasy tsirairay amin’izao fotoana izao dia any amin’ny 449,72 dolara any ho any. Nofy ririnina ny hahatratrarana 9 000 dolara afaka folo taona, raha tsy hoe angaha hahavita dingana goavana be. Raha topaza-maso ireo tarehimarika izay toa mahafanina ireo, dia tsapa fa mbola tsy afaka manafika ny tsena ivelany aloha i Madagasikara hatramin’izao. Mety ho azony atao ny miantehitra amin’ny vokatra efa fanondrany, kanefa na dia eo amin’ny ambaratonga akaiky azy indrindra aza, dia eo amin’ny Ranomasimbe indiana izany, dia marobe ireo olana izay sedrainy. Sarotra araka izany ny hino fa ny fifanakalozana amina firenena any amin’ny 8 000 km any dia fanoitra hampisy fampandrosoana matanjaka “izay azo handrandraina hitondra fampandrosoana malaky ho an’i Madagasikara”, araka ny fanantenan’ny IEM. Mipetraka ihany koa ny olan’ny elanelan-tany, izay mitaky fanatevenana ny fifandraisana an’habakabaka sy an-dranomasina. Ankoatra izany dia teny anglisy no teny iombonana sy ampiasain’ireo firenena izay mikambana ao amin’ny Asean ireo, mandeha be mantsy ny varotra any, mifamezivezy be ny olom-pirenena.

Zo hizaka tena

Na dia mbola mijanona ho tetikasa ihany aza hatramin’izao ny mety hidiran’i Madagasikara ao amin’ny Asean, dia hametraka olana goavana eo amin’ny lafiny dipomatika izany, eny fa na dia ny fametrahana fangatahana fotsiny ihany aza no atao. Mety ho ratsy ny ho fandraisan’ireo firenena rahavavy hafa izay mivondrona ao amin’ny UA izany fanapahan-kevitra izany. Ny fiverenan’i Maroka ao amin’ny UA aza efa nampihidy vazana. Ny UA izay zary saham-pifanandrinan’i Maroka sy Alzeria mivantana eo amin’ny lafiny diplomatika, dia mankatò ny Repoblika arabo demokratika izay tohanan’i Alzeria amin’ny anaran’ny zo ho amin’ny fizakan-tena (jereo ny lahatsoratra momba izany). Inona no ho eritreretin’ny mpikambana ao amin’ny UA raha toa i Madagasikara ka manaraka ny lalana izoran’ny firenena aziatika? Mety ho iray amin’ny vato manakana ny fidiran’i Madagasikara ao amin’ny Asean ihany koa ny tsy maha-vondrona eoropeana no sady tsy maha-UA ny Asean. Ny tanjona voalohany indrindra ho an’ny firenena mikambana ao amin’ny Asean dia ny hahamarin-toerana ny faritra misy azy ireo.

Miandany amin’ny fiandrianana

Mifangitra amin’ny voan-kevitra fiandrianana ny Asean, ary mbola manao izany izy hatramin’izao. “Toe-tsaina” ihany koa anefa ny Asean, araka ny fampahatsiahivana atao amintsika matetika ao an-toerana. Tsy rafitra enti-manery ny rehetra tsy maintsy hanaiky izy”, hoy ny fanazavana tao amin’ny RFI nataon’i Sophie Boisseau du Rocher, manam-pahaizana manokana momba an’i Azia atsimo atsinanana. Saha iray fanehoana ny fiandrianan’ny firenena iray izy. Taorian’ny fisian’ny fivakisana tamin’ny taona 1997, dia tonga saina ny mpikambana mpanorina ny Asean fa ho sarotsarotra kokoa tsy araka izay niheverana azy teny am-boalohany ny fampidirana mpikambana vaovao ao amin’ny zotram-pampandrosoana efa nofaritan’ny mpikambana tranainy. Araka izany dia sarotra ny maminavina amin’izao fotoana izao fa firenena sahozanina ara-toekarena toa an’i Madagasikara dia ho tafidtra ao anatin’izany rafitra izany, manoloana ny ‘fahavitrihana aziatika’ efa an-dalana. Notsipihan’i Sophie Boisseau du Rocher hoe “Ny Fikambanan’ny firenen’i Azia atsimo atsinanana no nahafahana nandrindra isaka ny mihetsika ny anjara-toeran’ny mpikambana tsirairay hiombona ao anatina ‘mandatehezana iraisana’ ka hahazoana maka tombontsoa avy amina toe-draharaha manahirana, ary hahazoana manova tandindon-doza ho toe-draharaha fanararaotra”2.

Dingana tsy maintsy lalovana

Vato misakana farany: Ny fomba fanapahan-kevitra eo anivon’ny Asean dia ny fitadiavana marimaritra iraisana, fa tsy ny lanieran’ny rehetra. Miadana dia miadana araka izany ny zotram-panapahan-kevitra. Izany no nahazo an’i Timor atsinanana. Mbola eo amin’ny dingan’ny tombana ny fangataham-pirotsahana nataony ho isan’ny firenena mpikambana ao amin’ny Asean. Manaitra ny fitovitoviana amin’ny mety ho firotsahan’i Madagasikara. Tamin’ny 2011 i Timor no nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany. Tamin’ny voalohany dia noraisina tsara io filatsahan-kofidiana io. Tsy ela akory anefa dia nangatsiaka io hafanampo io. Nandiso fanantenana ny Asean ny valin’ny tombana maro natao. Ho an’i Singapour, iray amin’ireo tena matanjaka ao amin’ny faritra, dia mbola tsy tafiditra ao amin’ny fandaharam-potoanany ny fidiran’i Timor. “Tsy mbola manana rafi-pitondrana hahafahany manaja ny fifanarahana nataony tamin’ny faritra i Timor atsinanana. Araka ny tatitra dia tsy nahavita nanaja ny ankamaroan’ny fifanarahana nataony sonia tamin’ny Asean io fanjakana mbola maitsovolo io. Mbola mijaly noho ny takaitran’ny ady ho an’ny fahaleovantena nataony tamin’i Indonezia izy”3, hoy i Luc Chasseriaud, mpianatra amin’ny Fifandraisana iraisam-prenena ao amin’ny Sekoly ambony momba ny teny sy ny kolontsaina tatsinanana (Inalco). I Madagasikara dia mety hifanehatra amin’ny fahasahiranana mitovy amin’izany. Tsy mbola ho an’ny rahampitso ny fiverenan’ilay zaza nania…

Nanovozan-kevitra : 1Initiative émergence Madagascar P. 161 2 http://www.rfi.fr/asie-pacifique/20170808-asean-50-ans-conscience-regionale-identite-asie 3 https://asialyst.com/fr/2017/08/12/memo-asean-en-dix-questions/

Raoto Andriamanambe