Ady amin’ny fiovan’ny toetrandro, mila fandrindrana

Samy iharan’ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro avokoa ny faritra rehetra eto Madagasikara ankehitriny. Ekena fa tsy mitovy arakaraka ny faritra ny hadirin’ny lanjan’ny fiantraikany sy ny fahatsapana ny fahavoazana mety haterany. Na izany aza dia hita fa tena ilaina maika ny mampihatra politika entina miady amin’ny fiovan’ny toetrandro sy hampifanaraka ny zavatra atao amin’ny fiovan’ny toetrandro.

Ramahavotse Andriamananavo dia Ben’ny tanàna teo aloha ao amin’ny kaominina Imongy ao amin’ny distrikan’i Tsihombe. ”Raha tsy ampy ny rotsak’orana mandritra ny andro vitsivitsy, dia manahy aho fa ho ratsy ny vokatra. Tsy ho ela mantsy izao dia hiditra amin’ny fotoanan’ny main’andro isika”, hoy izy taminay tamin’ny fiandohan’ny volana jona. Raha efa zatra ny firindran’ny fifandimbiasan’ny vanim-potoanan’ny main-tany sy ny vanim-potoanan’ny orana ny tendrony atsimon’ny faritra Androy, dia miatrika fikorontanana kosa tao anatin’ny folo taona izao.”Tsy ampy intsony ny orana, fa ny tena mampanahy mafy dia ny hatsiaka sy ny herin’ny tafiotra”1, hoy izy, izay tsapa fa manahy mafy.

Ny toe-javatra manodidina ny toetrandro

Ny tantsaha any Imongy dia manomboka mamboly mangahazo amin’ny fiantombohan’ny volana jona mba ahazoan’izy ireo manararaotra orana. Mangahazo no foto-tsakafon’ny mponina any. “Mety ho ratsy ny vokatra, indrindra koa moa fa ny fiovan’ny toetrandro dia niantraika tany amin’ny biby fiompy izay mba nanana kijana malalaka hiraofana hatramin’izay”1, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’Imongy. Tsy ilaina porofoina intsony ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro eto Madagasikara, na eo amin’ny tontolo iainana izany na eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny mponina. Iaraha-mahita ny fikorantanana misy eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny olona, indrindra ho an’ireo izay miankina mivantana amin’ny tontolo iainana, toy ny mpanjono, ny mpamboly, ny mpiompy, sns.

Tsy mifanaraka amin’ny toe-java-misy eo amin’ny lafiny toetrandro sy ny tontolo iainana ankehitriny intsony ny fomba famokarana nentim-paharazana mbola ampiharina any amin’ny sehatry ny jono, ny fambolena sy ny fiompiana sns. ”Anisan’ny voalohany indrindra iharam-boina vokatry ny fiakaran’ny hafanana ateraky ny taojavabaventy izay mpandoto ny tontolo iainana any amin’ny tany tandrefana i Madagasikara sy i Afrika, eny fa na dia toa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy aza izany. Mahazo vahana ny tsy rariny vokatry ny toetrandro”, hoy i Katuscia Joëlle Solofomialitina, mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony momba ny Fahadiovana, fiarovana, tontolo iainana (HSE), ao amin’ny Sekoly ambony Iraisam-pirenena momba ny siansa sosialy (IISS) ary mpandray anjara ao amin’ny fandaharam-piofanana YLFCC (Young leaders to fight climate change) an’ny FES.

Antsanga sy haintany

Arakaraka ny firosoan’ny taona no mety haharatsy kokoa ary hampihanaka manerana ny nosy ny vokatr’io fiovaovana mahahenika an’izao tontolo izao io. Any amin’ny faritra rehetra any atsinanan’ny nosy dia avo tokoa eo amin’ny seha-piainana rehetra ny fahatsapana ny ho mety hisian’ny loza; amin’ny ankapobeny moa dia refesina amin’ny fiantraikany ara-piarahamonina sy ara-toekarena izany loza mety mitranga izany. Ny tena ahiana, raha ny any atsimo, dia ny fahavoazana eo amin’ny vokatry ny fambolena sy fiompiana ary eo amin’ny rano amin’ny maha-loharanon-karena azy. Azo tanisaina ihany koa ireo voka-dratsy hafa manokana izay mampanahy arakaraka ny faritra: ny antsanga, ny haintany maharitra ela be, ny fiakaran’ny fatra-tsira any anaty rano, ny fikaohan-tany. Any Atsimo-Atsinanana ny mponina dia mizaka ny vokatry ny rotsak’orana be loatra, ny haintany maharitra elabe izay arahina tsy fahampian’ny rano, ny tondra-drano sy ny rivodoza.

Tandindon-doza

Ireo tandindon-doza izay mety hitranga vokatry ny fiovan’ny toetrandro no notanisaina tamin’ny fiaraha-midinika iraisam-paritra nokarakaraina tamin’ny volana febroary sy avrily farany teo tany Toamasina, Toliary, Fianarantsoa, Antsirabe ary Antsiranana. Ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD) no nikarakara izany tamin’ny alalan’ny BNCCC (Birao nasionaly misahana ny fanarahana ny fiovan’ny toetrandro) sy ny Fikambanam-piaraha-miasa alemà GIZ, tamin’ny alalan’ny tetikasa fanamafisana ny fepetra sy ny fahazoana mizàtra sy mamola-tena manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro (PRCCC). Ireo olona samihafa izay nandray anjara tamin’ireny fiaraha-midinika iraisam-paritra ireny dia nanamafy fa ilaina maika ny hanaovana hetsika hahazoana miatrika ireny tandindon-doza ateraky ny toetrandro ireny, ary mba hanamaivanana ny fiaintraikany eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Ny seha-mpambolena sy fiompiana no tena voakasik’izany tandindon-doza izany, izay mahafaoka 80%-n’ny mponina amperinasa; tafiditra ao anatin’izany koa nefa ny sampana hafa toy ny fahasalamana, ny rano, ny fanajariana ny tany sy ny momba ny tany, ary koa ny sehatr’asa rehetra mifandray amin’ny fiainana eny ambanivohitra. Ny tatitr’ireo atrikasa izay natao tamin’ny fiaraha-midinika dia manamarika fa tandindomindoza ny sampana rehetra amin’ny ankapobeny.

Fifampizarana traikefa sy lesona

Tamin’ny taona 2011 i Madagasikara no nandany ny politikam-pirenena enti-miady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro (PNLCC, politique nationale de lutte contre le changement climatique) izay naseho tamin’ny alalan’ny Drafitr’asam-pirenena enti-miady amin’ny fiovan’ny toetrandro (PANLCCC, Plan d’action national de lutte contre le changement climatique), izay nahafahana niroso tamin’ny fandrafetana ny Drafitr’asam-pirenena PNA (Plan national d’adaptation) izay entina mampifanaraka ny hetsika atao amin’ny fiovan’ny toetrandro.

Raha tiana hahomby nefa ireo politikam-pirenena sy Drafitr’asa ireo, dia tsy azo atao ambanin-javatra ny mampifanandrify azy ireo amin’ny zava-misy sy amin’ny zava-mampiavaka manokana ny faritra tsirairay. Tsipihan’i Katuscia Joëlle Solofomialitina fa ”tsy maintsy atao izay ahitana tetika mahomby mba hanalefahana ny fiovan’ny toetrandro amin’ny alalan’ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena, ohatra amin’izany ny fambolen-kazo sy ny fanazarana ny olona hanana fihetsika manaja ny tontolo iainana; eo koa ny fampandraisana andraikitra ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny fandrafetana politikan’orinasa izay manome vahana ny tontolo iainana”2. Mba ahazoana miala amin’ny fahasarotana isan-karazany izay misy, dia atao mifanaraka amin’ny fitaovana eo am-pelatanana ny hetsika tanterahana. Izany no fomba ahazoana mampihatra tsikelikely ireo teknikam-pambolena vaovao izay mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Paikady entina mizàtra sy entina mamola-tena manoloana fiovan’ny toetrandroOhatra entina eto ny hetsika izay atao any Alaotra-Mangoro, any amin’ny Foibem-pirenena momba ny fikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana ny eny Ambanivohitra (Fofifa): manofana mpamboly hamokatra karazam-bary vaovao izay afaka mizatra amin’ny fotoanan’ny orana mihafohy kokoa, ary manentana azy ireo hampiasa ny teknikan’ny ketsa tora-tady izay mampitombo kokoa ny vokatra isaka ny hektara. I Matsiatra-Ambony dia nanome vahana ny fampiroboroboana voly vao, toy ny volotsangana sy ny zavamaniry mpanome maminy. Eny an-tampon’Ihorombe dia misy fanatanterahana tetikasa ananganana faritra firaofan’ny biby amin’ny fomba nohatsaraina. Natomboka any Analanjirofo ny tetikasa iray hanaovana fambolena amin’ny fomba maharitra mba ho lovain-jafy… Raha ahitana fahombiazana ilay paikady fizàrana sy famolahan-tena manoloana ny fiovan’ny toetrandro, dia heverin’i Katuscia Joëlle Solofomialitina fa “ho zary tranga fanararaotra ny fiovan’ny toetrandro, indrindra fa ho an’ny tantsaha”2. Maro amin’ireny tetikasa ireny no efa eo an-dalam-panatanterahana ankehitriny. Mbola tsy voafaritra mazava anefa ny lalana tokony hizoran’ny firenena raha ny mahakasika ny fandrindrana ireo hetsika rehetra ireo no jerena.

Arindra ny hetsika rehetra

Tsapa fa tsy ny fandraisana an-tanana mahakasika ny fiovan’ny toetrandro akory no tsy ampy eto Madagasikara, fa kosa drafitr’asa voafaritra mazava izay afaka manapariaka ny vokatra azony. Ankoatra izany dia manamafy ireo mpisehatra ao amin’io sehatra io fa ny mponina izay tena voakasiky ny ady atao dia mampiseho fisalasalana matetika, fisalasalana izay mandrakariva mifamatotra amin’ny resaka fanajariana ny tany sy ny fananan-tany. “Tena ilaina ny fandehanana eny an-toerana sy ny fifanakalozan-kevitra amin’ny mponina ao anatin’ny fananganana paikady fizàrana sy famolahan-tena manoloana ny fiovan’ny toetrandro. Misy anjara asan’ny fanjakana koa amin’izany”, hoy ilay mpianatra ao amin’ny HSE. Ny tsy fisian’ny fandrindrana hentitra ao amin’ny fandaharan’asa misy ankehitriny dia vao mainka koa manasarotra ny fankatoavana sy faneken’ny tsirairay an’ilay ady atao ho amin’ny fizàrana sy famolahan-tena manoloana ny fiovan’ny toetrandro sy mba hampalefaka ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro.

Kitro ifaharana ny angon-kevitra sy antontan-kevitra

Manapariaka ny angon-kevitra sy antontan-kevitra fototra: anisan’ireo fanamby maro dia maro mbola miandry io amin’ny fampahombiazana ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro. Tafiditra ao anatin’izany ny Kisarin’ny fanajariana ny kaominina (Sac, Schéma d’aménagement communal), ny Fandaharanasam-paritra ho an’ny fampandrosoana (PRD, Programme régional de développement), ny Kisarin’ny kaominina ho fanajariana ny faritany (Scat, Schéma communal d’aménagement du territoire), ny Drafitra fitantanana ny tanàna (Pudi, Plan d’urbanisme directeur) sns. Ilaina koa ny mampitombo ny ezaka eo amin’ny fanentanana sy ny famporisihana manoloana ny loza ateraky ny fiovan’ny toetrandro sy ny fampidirana ny momba ny fiovan’ny toetrandro any amin’ny ambaratonga rehetra sy any amin’ny sampana rehetra. Amin’izao fotoana izao dia efa misy dimy ny sampana nampiditra azy ao aminy, dia ny fahasalamana, ny rano, ny fambolena sy ny fiompiana, ny fanabeazana ary ny fanajariana ny tany. Andrasana izany ny fahazoana atsy ho atsy ny antontan-kevitra momba ny PANLCCC sy ny PNA izay fototra iorenan’ny fandrindrana ny hetsika rehetra atao amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro eto Madagasikara. Eo am-piandrasana ny fandrindrana ny hetsika samihafa, dia mitombo ny ahiahy eny ifotony. “Raha tsy manao n’inon’inona isika dia ho zary areti-mitaiza ny kere, izay hatramin’izao dia mbola tsindraindray ihany no mitranga”1, hoy Ramahavotsa Andriamananavo mamarana moramora ny teniny.

1 Nangonin-dRaoto Andriamanambe, 2 Nangonin-dRaoto Andriamanambe

Karina Zarazafy