Ady tany : fanontaniana mipetraka ny momba ny Nosy Eparses

Azo lazaina ho toy ny vara-datsaka ho an’ny mpanara-baovao tokoa ilay fanambarana niarahan’ny filoha malagasy Andry Rajoelina sy ny filoha frantsay Emmanuel Macron nanao tamin’ny valan-dresaka nataon’izy ireo ho an’ny mpanao gazety mahakasika ny Nosy Eparses.

“Amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy no angatahako amin’ny fomba ofisialy sy ampahibemaso amin’Andriamatoa prezidà (Emmanuel Macron) hitady vahaolana ho an’ny fitantanana na ny famerenana ny Nosy Eparses amin’i Madagasikara”, hoy ny teny mahitsy nataon’i Andry Rajoelina nandritra ny fitsidihana ofisialy nataony tany Paris tamin’ny volana jona.

Antontan-kevitra manahirana

Samy nilaza ny roa tonta fa manana finiavana hamaha ny olana momba an’io araka izay mahamety azy ao anatin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta fa tsy hitondra ny fifanolana any amin’ny fitsarana. Ny filoha frantsay dia niteny ny momba ny “asa izay iarahana ao anatin’ny fiaraha-miombon’antoka tanteraka, ara-politika sy ara-pitondrana” ho ana ”vahaolana iombonana” sy ny fampandrosoana iombonana ao amin’ny faritra ara-toekarena ankehitriny. “Tsy mendrika an’io lohahevitra io ny fitondrana azy eny amin’ny fitsarana, ny fifandirana sy ny adihevitra diso toerana” raha ny fiheverany azy. Misy zavatra roa loha manintona ny saina eo anatrehan’ireo fanambarana iombonana ireo. Eo ny momba ny fananganana vaomiera avy amin’ny roa tonta sy ny fandraiketana ny fe-potoana tsy maintsy hamahana ny olana. Ny filoha malagasy dia nanambara ny faniriany ny hahitana “alohan’ny fankalazana ny faha 60 taonan’ny fiverenan’ny fahaleovantena” ny vahaolana “mahakasika ny fitantanana na ny famerenana an’ireo Nosy Eparses ireo” Ankoatra ireny fanambarana ireny dia mbola misy koa olana hafa miandry valiny. Mitaky fanazavana ny fehezantenin’ny filoha mahakasika “ny fitantanana na famerenana” ny nosy miisa dimy, eo amin’ny 40 km2  eo ho eo,, sy faritra ara-toekarena manokana eo amin’ny 640.000 km2 eo ho eo, izay miteraka fifanolanana ny fizakana azy any amin’ny ranomasina manodidina an’i Madagasikara. Na ahoana na ahoana, ny famerana tetiandro ao anatin’ny fotoana fohy akory dia tsy manakana ny fisian’ny fiantombohan’ny vahaolana raha jerena amin’ny fahasarotan’ilay raharaha.

Fifanarahana

I Naina Andriantsitohaina, ministry ny raharaham-bahiny, dia maniry hifikitra amin’ny “finiavana handroso” fony izy niteny tao amin’ny Radio France Internationale (RFI). Manoloana ilay fanambarana manalasala nataon’ny filohan’ny repoblika mahakasika ny “fitantanana na famerenana” ny Nosy Eparses dia nanambara izy tao anatin’ny fitsidihana ofisialy fa “misokatra ny “safidy”. Ny lehiben’ny diplomasia malagasy dia nanome hirika kely ihany hahitana ny lalana efa novakiana. Noteneniny ny maha zava-dehibe ny “fanamby ara-tontolo iainana”. Nanainga adihevitra izy mahakasika ny “fitantanana na fiaraha-mitantana ny fiarovana an’io tontolo an-dranomasina tokana sady azo heverina koa fa hiafara amin’ny famoronana fari-dranomasina harovana na mety koa hamefena fifanarahana ara-tsolitany na entona”; I Naina Andriantsitohaina dia niresaka momba ny “fanamby jeostratejika” noho ilay “faritra [izay] ahitana fifamoivoizana an-dranomasina be dia be ka tombontsoa ho an’ny rehetra izy raha voaaro”.Ny fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta dia hiafara amin’ny fivelaran’ny fahefan’i Frantsa hanara-maso ny iray amin’ny varavarana idirana ato amin’ny lakandranon’i Mozambika.

Fanehoana ny maha masi-mandidy

Notsotsorin’ny filohan’ny diplomasia malagasy ny anankiray tamin’ny lokanady, izay hiantoka ny aina any aoriana any na dia mety hisy aza ny “famefena ny fifanarahana ara-tsolitany sy entona”. “Ny fitrandrahana solitany na entona aloha ankehitriny dia tsy ahazoana tombony. Fitrandrahana an-drano lalina izy io, noho izany dia mbola tsy ao anatin’ny laha-dinika”, hoy izy. Ny fahitana solitany ao amin’io faritra io, tahaka izay nitranga tany Mozambika, na ny mety hisiany toy ny ao Kaomoro, dia mampitsiry fanantenana ny mety hisian’ny tahirin-tsolika aty amin’ity ilan’ny tany ity. Nahasorena ilay fanambarana momba ny fanehoana ny fizakana an’ireo Nosy Eparses ireo. Ny governemanta dia nilaza “ny filana miasa miaraka” amin’i Frantsa noho ny ”tsy fahampian’ny fitaovana” mba hiantohana ny fandriampahalemana aty amin’ny faritra sy mba hanomezana ny laharam-pahamehana ho an’ny sehatra hafa, toy ny fanabeazana sy ny fahasalamana. Efa an-taonany maro anefa i Frantsa no nametraka andian-tafika tao mba hanehoana ny fiheverany momba ny fananana an’ireo nosy ireo, ankoatra ny fepetra ara-pitondrana nalainy mifanaraka amin’izany. Rehefa nahazo vahana indray ny resaka nosy Eparses dia tohina ny sain’ny besinimaro, na Malagasy na Frantsay. Nisy mpanao politika naneho ny heviny tany Frantsa momba ny hoavin’ireo nosy ireo. Nisy avara-pianarana malagasy koa nanambara fa tsy misy vahaolana hafa afa-tsy ny famerenana azy ireo ihany.

Fitakiana

Tafapaka tsara tany an-tsofin’ny Malagasy ilay hoe “fitantanana na famerenana“. Ho an’i Jean Marc Razafimandimby, mpampianatra lalàna iraisam-pirenena, dia “tsy azo ekena mihitsy izany hoe fiaraha-mitantana izany na zavatra hafa. Hamafisin’ny lalàna iraisam-pirenena tsara izany, hamafisin’ny ONU, fa an’ i Madagasikara ny fizakana tanteraka an’ireo nosy ireo. Noho izany ny famerenana no takiana”, hoy izy. “Nilaza ny ministry raharaham-bahinintsika fa mila an’i Frantsa isika satria tsy manam-pitaovana hiantohana ny fandriampahalemana any amin’ireo nosy ireo. Fa inona marina aloha no tena tadiavina? Raha tsy izao isika dia efa mihetsika, inona no hiafarany?”, hoy izy nampitandrina. Mitovy amin’izany koa ny hevitry ny profesora Raymond Ranjeva izay tena tao anatin’ny zotran-draharaha izay niafara tamin’ny fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana tamin’ny 1979 mba hamerenana ny nosy Eparses amin’i Madagasikara.” Efa nifarana ny resaka momba ny fahazoana ny fizakana, koa manana adidy ny andaniny roa hifampiraharaha sy hanaja ny lalàna mifandray amin’izany.” nanitrikitrika an’izany ny filoha lefitry ny Tribonaly Iraisampirenena (CIJ). Ampitahain’i Raymond Ranjeva amin’ny fitantanana ny raharahan’ny “Nosy malagasy aty amin’ny ranomasimbe Indiana” ny fitakian’i Maorisy ny nosin’i Chagos amin’i Angletera. “Ny Tribonaly Iraisam-pirenena dia nanovo hevitra tamin’ny fanapahan-kevitra mahakasika ny nosy malagasy tamin’ny 1979, izay nampahatsiahiviny ny fiantefany eo anatrehan’ny lalàna izay tsy maintsy arahina noho izany satria mamatotra, mba hampitombina ny zon’i Maorisy amin’i Chagos. Ny fehinkevitra araka izany dia manjary sata fototra ho an’ny raharaha toy izany”, hoy izy.

Politika iombonana

Tsy mora ny lalana izoran’ny governemanta. Misy lesona azo tsoahina avy amin’ny traikefan’ny fiaraha-mitantana ny Tromelin nifanaovan’i Frantsa sy Maorisy mahakasika an’io toe-javatra nateraky ny fizakana faritra iray voafetra. Ny fifanarahana lasitra nataon’ireo firenena roa ireo sonia tamin’ny 2010 dia mbola tsy nampiharina. Tsy Mbola nankatoavin’ny Antenimierandoholona frantsay izy io. Avy hatrany dia mikatso noho izany ny fandehan’ny fitakiana rehetra hahazo ny fizakana ilay nosy ho an’i Maorisy. Ny fifanarahana lasitra dia tsy mahakasika afa-tsy lafiny vitsivitsy mifandraika amin’ny fiaraha-mitantana an’i Tromelin. Ny fifanarahana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany dia mahakasika fotsiny ny harena an-dranomasina sy ny tontolo iainana ary ny haifahagola (archéologie) tamin’ny alalan’ny fifanekena telo samy hafa. Any amin’ny harena an-dranomasina dia anisan’ny resahina ny momba ny hanaovana politika iombonana mahakasika ny fanombanana  ny tahiry na koa ny fananganana drafitra fitantanana sy famoahana alalana ho an’ny jono.

Iloniaina Alain