Barean’i Madagasikara, masoivoho voalohan’ny firenena malagasy

Noho ireo soatoavina maha olombelona maro izay raiketany sy ny fahombiazany amin’ny fanambarana ny mpankafy amina fihetsem-po iray sy hambom-pirenena, ho an’ny firenena maro dia zary fitaovan-tserasera mahomby ampiasaina amin’ny diplomasia ny fanatanjahantena.

Fandravàna fanafihana, baolina saika maty fa tsy tafiditra tanaty  harato, fandakàna “tirs au but”… Ireny pitsopitsony ireny matetika no mampiavaka ny tantara tsy fanadino, indrindra eo amin’ny sehatry ny fanantanjahantena avo lenta toy ny Fiadiana ny amboaran’i Afrika (Can). Rehefa sambany nandray anjara tamin’ny Can izany dia nohon’ny fifanitsanana lava dia lava nanomboka tamin’ny martsa 2017 manoloana an’i Sao Tomé; ny ekipan’i Madagasikara izay antsoina hoe “Barean’i Madagasikara” dia niaina tantara tsy fahita, ary sambany teo amin’ny fiainam-pirenena teo amin’ny fifaninana sangany dia ny Can izany.

Afon’ny fitiavan-tanindrazana

Ho an’ny sasany, ny baolina kitra dia toy ny rongony, ho an’ny hafa kosa dia finoana, fa ny tsy azo lavina aloha dia fitaovana mahomby ho an’ny firaisam-pirenena io taranja iray io. Ny baolina kitra ihany koa no itarafana ny fiaraha-monina. Ny akipam-pirenena mazàna dia fitaratra ho ana firenena iray ary ny mpilalaony kosa, dia masoivoho voalohan’ny firenena. Araka izany, tsy mitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy satria tsy nisy naharesy azy tao amin’ny vondrona nisy azy, na dia ekipa goavana aza no nifanandrina taminy tao. Nampitolagaga ny mpitia baolina kitra ny nandreseny ny ekipan’ny Nigéria- izay ekipa manana ny maha izy azy aty Afrika -ka nahafahany nahazo ny laharana voalohany tao amin’ny vondrona misy azy, avy eo indray dia lavony ny Repoblika Demokratikan’i Congo teo amin’ny ampahavalon-dalana. Fa ny tena nandresen’ny Barea dia ny nahafahan’izy ireo nanambatra ny malagasy ka namoha indray ny afon’ny fitiavan-tanindrazana izay tsy dia hita taratra intsony nandritra taona vitsivitsy izay. Toy ny fahita matetika dia ny tambazotra sosialy no handrefesana io hafanam-po nateraky ny Barea io. Miteraka firaisan-tsaina sy fitovian-kevitra io fiaraha-mientana io. “Vitan’ny Barea ny nampiombona ny Malagasy, izay tsy vitan’ny mpanao politika mihitsy”, “Tokony ravàna ny CFM dia omena ny Barea ny teti-bola ampiasainy”. Tsy vaovao io fahombiazana io, na dia sambany aza i Madagasikara no mba afaka nankafy fahombiazana teo amin’ny baolina kitra teo amin’ny sehatra avo lenta toy ny Can.

“Tokony ravàna ny CFM dia omena ny Barea ny teti-bola ampiasainy”

Zava-mahagaga vitan’ny baolina kitra

Rehefa mandalo fotoan-tsarotra goavana eo amin’ny lafiny sosialy na ara-toe-karena ny firenena maromaro, ny baolina kitra na ny fanatanjahan-tena amin’ny ankapobeny dia lalana farany ivoahana amin’izany. Efatra taona taorian’ny « adin’ny Malouines”, lavon’i Maradona ny ekipan’i Angletera nandritra ny fiadiana ho tompondaka eran-tanin’ny baolina kitra ny taona 1986. Teo amin’ny minitra faha 54 nilalaovana rehefa nampiditra ilay baolina nomena solon’anarana hoe « tanan’andriamanitra», telo minitra talohan’izay, azon’i Diego Maradona ny baolina tany amin’ny taniny, tsy afaka nanao na inona na inona ny vodilaharan’ny ekipa mpifanandrina, anatin’izany ny mpiandry tsato-kazo, ka nampidiriny tao anaty harato ilay «baolina manan-tantara». Manan-danja tokoa izany fandresena izany, satria nampahery sy nampijoro indray ireo mpitia baolina kitra izay voadoana sy nahatsiaro ho latsaka ambany noho i Royaume-Uni taona vitsivitsy talohan’izay. Moa ve tsy mampatsiahy ny tolom-panafahana nataon’ny mpitolona tia tanindrazana tamin’ny taona 1947 ny fanakoakoan’ny hiran’ny fitiavan-tanindrazana “Madagasikara Tanindrazanay”  alohan’ny fanombohan’ny « tirs au but » manoloana ny Leopards Congoley ? Lasa lamaody ihany koa ny fisalorana ny lokon’ny sainam-pirenena, tsy mbola nahatsiaro tena ho Malagasy toy izany ny Malagasy hatramin’izay. Satria, sambany ireo haino aman-jery iraisam-pirenena mba nampiasa teny hafa hiresahana an’i Madagasikara ankoatra ny «maha firenena anisan’ny mahantra indrindra eran-tany» azy. Nohon’ny fahombiazan’ny Barea na ny afrikanina aza dia liana te hamantatra ny misy io Nosy lehibe izay mitsingevaeva manamorina ny Lakandranon’i Mozambika io. Izany no zava-mahagaga vitan’ny baolina kitra. Mitaraina matetika ireo klioba eoropeanina amin’ny fanaovana ny Can isaky ny roa taona, fa ho an’ny Afrika kosa, mampiombona ny iray firenena mihoatra nohon’ny fifaninam-pirenena io fifaninana io. Na dia ny « Ligue des champions » an’ny Caf sy ny « Coupe de la confédération » aza tsy mbola miteraka fironana goavana amin’ny fanohanana ekim-pirenena toy ny mandritra ny Can. Ny ankamaroan’ny klioba eo amin’ny kaontinanta afrikanina dia efa manomboka mivelatra eo amin’ny sehatry ny matihanina na dia tsy mbola lavorary aza, io fifaninana sangany io dia mametraka fifandanjan-kery eo amin’ireo firenena afrikanina. Ho an’i Afrika, dia resaka fitoniana politika io.

Apostoly

Zary lasa apostolon’ny firaisam-pirenena ny Barean’i Madagasikara, noho ireo mpanatsatso sy ireo mpanakiana azy ireo izay tena maro tokoa talohan’ny fanombohan’ny Can. Satria na dia teo aza ny tahotra tifitra maro isan-karazany avy amin’ireo mpitazana, afaka nandrafitra ekipa mafonja, mpilalao izay tsy voatery gasy ray gasy reny ny mpanazatra Nicolas Dupuis, hany sivana noraisiny ny fisian’ny rà malagasy mikoriana amin’ireo mpilalao. Tsy ny mponiny ihany no atao hoe Madagasikara, mandrafitra ny firenena ihany koa ny tantarany, ireo zanany marobe izay miparitaka manerana ny ranomasimbe indianina sy ireo mpila ravinahitra any ivelany, indrindra ireo izay mizaka zom-pirenena frantsay. Toy ny fankalazana fanindroany ny fitsingerenan’ny fahaleovantena ny niainan’ny Malagasy ny fandresen’ny Barea an’i Nigéria. Nolazain’i Kundera fa i Lafrantsa no hany firenena tokana eto an-tany izay tsy mba nianarana ny nitia azy. Mety hiseho aty Madagasikara, izay iray amin’ireo firenena zanatany frantsay teo aloha, izany, izay ny henatra hatrany no mandeha alohan’ny ambom-pirenena. Tsy nahafahana nanampy tamin’ny fambolena io fitiavan-tanindrazana io ny nafitsok’ireo mpitantana ny firenena nifandimby. Nahagaga araka izany rehefa navadiky ny mpilalao miisa 23, ny tosika ara-teknika sy ny mpanazatra (izay hany mino fa hahavita zavatra ny ekipam-pirenena); ny rasa, tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja. Ary noho ny fanatanjahantena izay mazava ho azy fa lotoin’ny fanabotoana eo amin’ny sehatry ny baolina kitra. Ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina amin’ny ankapobeny dia simenitra amin’ny fametrahana firenena mafy orina. Tsy maintsy mandalo amin’ny kihon-dalana iray toy ny hetsika goavana, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ohatra ny fananganana firenena.

Raoto Andriamanambe