Fantaro ny diplomasia malagasy

Misy sy miandry hatrany ny fanamby politika sy ara-toekarena ary ny fiovan’ny toe-java-misy eran-tany.
I Madagasikara manoloana izany dia toa mizotra amin’ny lalana mitondra mankany amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny habaky ny kaontinanta sy eo amin’ny fisokafana any amin’ny firenena mpiara-miombon’antoka. Ny fitaovam-piadiana diplomatika ananany no tokony hampahavitrika azy amin’izany. Mbola tsy mahomby tanteraka anefa ilay izy, izay no olana. Mandrosoa ary ianao ato anatin’ny blues diplomatika amin’ny alalan’ity antontan-kevitra lehibe ity.

amin’ny 5 jolay 2017 no miseho ny tantara, any Addis-Abeba, ao amin’ny foiben’ny Firaisana Afrikana (UA). I Victor Harisson, profesora fantatry ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony ao amin’ilay sekoly ambony malaza fanofanana amin’ny haitantana sy ny fitondrana orinasa (Inscae) dia vao nahazo fandresena goavana. Nanjary Kaomisera ho an’ny raharaha ara-toekarena ao amin’ny vaomieran’ny Firaisana Afrikana izy. Mba hahazoana an’izany vokatra izany dia nisitraka ny fanohanana avy amin’ny firenena miteny frantsay ao amin’ny UA sy ny firenena avy ao amin’ny Fikambanana ho fampandrosoana ny ilany Atsimon’i Afrika (SADC) i Madagasikara. Tao amin’io tanàna io ihany, herintaona taty aoriana, tamin’ny alakamisy 16 marsa, dia nobatain’ny mpomba azy am-pihobiana ilay malagasy antsoina hoe Ahmad. Voafidy ho filohan’ny Kaonfederasiona afrikan’ny baolina kitra (CAF) izy. Nampitolagaga ny rehetra ny nadresena tanteraka an’i Issa Hayatou izay nitantana ny fitondrana ambonin’ny baolina kitra afrikana nanomboka tamin’ny 1988, nahazo tombom-bato 14 izy tamin’izany. Olona mpiahy ny baolina kitra afrikana i Issa Hayatou saingy novidiany lafo ny tsy mba nialany tamin’ny mahazatra sy ny hadisoana vitany hany ka ilay Malagasy no nandresy na dia firenena bitika kely eo amin’ny sehatry ny baolina kitra aza no niavian’ity farany. Ireo fandresena roa ireo izay tsy fahita firy eo amin’ny sehatry ny diplomasia malagasy dia mampiseho tsara ny ezaka tsy maintsy atao raha tiana ny hiditra ao amin’ny rindran-dihin’izao tontolo izao izay atao hoe diplomasia.

Politika ara-toe-tany ankehitriny

I Madagasikara sy ny zanany dia mihafihafy eo amin’ny sehatry ny diplomasia na afrikanina na maneran-tany, izany aloha no zava-misy. Tsy maintsy hay ny mampiasa ny “hafetsena mandimby hafetsena” hoy i Talleyrand. Io mihafihafy io dia sarin’ny diplomasia izay hatramin’izay dia tsy nampoizina foana, ary indrindra indrindra, tsy misy firindrany. Nefa ny fandrosoan’i Madagasikara dia tsy maintsy mandalo amin’ny diplomasia marina sy tena miasa. I Andry rajoelina dia toa mametraka fanamby vaovao momba ny politika ivelany. Porofon’izany, i Naina Andriantsitohaina, iray amin’ireo mpiara-miasa mahatoky azy, no nasainy mitarika ny ministeran’ny raharaham-bahiny (MAE). Taranak’ilay Andriantsitohaina malaza – izy no nitarika ny iraka  diplomatika malagasy tamin’ny 1836 izay noraisin’ny mpanjakavavy Adélaïde –n’i Angletera tao amin’ny lapan’i Windsor – na dia ohatra aza izy ka tsy nisahana ny asan’ny diplomaty. Na dia eo aza io fanamby vaovao io dia mihalalina  isan-taona ny lavaka manasaraka ny faniriana diplomatikan’i Madagasikara sy ny toerana omena an’io sampan-draharaha io ary ny mpiasa ao aminy. Ny tambazotra diplomatika malagasy ankehitriny dia mbola tsy mifanaraka amin’ny hetahetam-pivoarana. Ny fitambaran’ny fitaovana diplomatika dia tsy mifanentana amin’ny filàna sy ny zavamisy ara-piarahamonina sy ara-toekarena eto an-toerana ary ny fivoaran’ny politika ara-toe-tany amin’izao fotoana izao. Nandova gaboraraka sy tsy fahampian’ny vola hoenti-miasa nandritra ny taona maro izy. Ny mari-pamantarana anankiray amin’ireny hadisoana diplomatika malagasy ireny dia ny fitondrana ny mpiasany izay heverina ho tokony haparitaka manerana an’izao tontolo izao. Tsy azo ihodivirana ny tarehi-marika: amin’izao fotoana izao dia “latsaky ny 30%-n’ny mpiasa any amin’ny masoivohontsika any ivelany no mpiasa diplomatika”, hoy ny loharanom-baovao iray avy ao amin’ny MAE izay nangataka ny tsy hotononina anarana. Efa manakaiky ny 70%-n’ny olona any no tsy mahalala – na zara raha mahalala – ny fanambin’ny diplomasia. Ny asany dia voafetra amin’ny asam-panjakana fotsiny.

Ezaka

Nanomboka tamin’ny faran’ny repoblika faharoa no tsy nazava ny politikan’ny diplomasia malagasy. Ny amiraly Didier Ratsiraka no farany nanoritra mazava sy tena hentitra hankany amin’ny ankavia ny politikan’ny diplomasia. Nisafidy mazava ny hiaraka tamin’ny hetsiky ny tsy momba ny atsy na ny aroa izy. Mazava ho azy fa nirona nankany amin’ny Atsinanana izy. Nazava be koa ny safidiny nanoloana ny fanavakahanam-bolon-koditra rehefa nanohana tsy am-pihambahambana ny ANC izy. Saingy efa niova ny raharaha, ny “diplomasia ara-toekarena” no lasa teny filamatra hatramin’ny fanalalahana ny fiainana politika, tany afovoan’ny taona 90 tany ho any. Dia nampiasaina na ho any na tsy ho any io fiteny io na dia tsy voatery ho fantatry ny mpiasa akory aza izay tena heviny marina, ao anatin’ny toejavatra ara-toekarena sy ara- politika tena miavaka (jereo ny lahatsoratra hafa).” Mba hahafahana mifampiraharaha dia ilaina aloha ny fananana politika, sy tafika an-dranomasina mendrika an’izany anarana izany ary tafika matanjaka”, hoy ny bitsibitsik’ilay manampahaizana manokana momba izany. “Ary mba hahazoana miresaka diplomasia ara-toekarena any amin’ny fotony dia ilaina ho voafaritra mazava ny politikan’ny raharaham-bahiny. Manaraka izany, tsy maintsy havaozina daholo ny solontenantsika rehetra any ivelany. Inona no tokony mbola tazomina, inona no tsy maintsy ovaina? Aiza no tokony hanompanantsika ny ezaka? Ahoana no hanomezana vahana ny mpisolotena antsika? Tsy maintsy hapetraka amin’ny toerany izany rehetra izany”, hoy ny fitanisan’ i Jean Marc Razafimandimby, mpampianatra lalàna iraisam-pirenena.

Akany

Nandritra ny taona maro ny Mpiasa diplomatika sy konsilera (ADC) izay noheverina hampandeha an’io diplomasia ara-toekarena io dia zara raha nasiana vidiny.” Tamin’ny andron’i Didier Ratsiraka no nanomboka ny fiovana. Tamin’izany fotoana izany no nanomboka nahazo toerana tao amin’ny diplomasia ny kitranoantrano. Nisy olona nanembantsembana ny fitondrana teto an-toerana dia nalefa tany ivelany”1, hoy ny fitantaran’ilay niresaka taminay. Toejavatra tena tsy azo ekena izany hoy ilay mpiasa mbola am-perinasa nanontanianay. “Ny mpiasa efa tena voaofana dia mameno toerana any amin’ny sampan-draharaha fotsiny sy ao amin’ny departemanata foiben’ny MAE. Ny sasany dia manao asa tsy tokony hosahaniny, nefa dia nosandain’ny mpandoa hetra lafo ny fanofanana ireny mpiasa ireny”, hoy izy. ”Fahavoazana lehibe ho an’i Madagasikara ny toejavatra toy izao. Satria aoka hofantarina fa lafo dia lafo ny fametrahana masoivoho  any ivelany. Indraindray dia be dia be ny mpiasa tsy tena mahavita ny asa sady tsy matihanina. Nefa ny fomba tsara indrindra hahazoana tombony amin’ny diplomasia sy hampiasana azy ho an’ny fampandrosoana dia ny miantoka ny fisiana marina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena”, izany no nohamafisin’ilay mpampianatra lalàna iraisam-pirenena izay nanangana ny diplomasia ara-toekarena tamin’ny andron’ny governemantan’i Kolo Roger. Ho sarotra ny hanarina ny toejavatra satria nandritra ny taona maro dia nahazo vahana ny kitranoantrano tany amin’ny masoivoho ivelan’i Madagasikara tany. Nodidiana ho lasa teny tsy azo toherina. “Ny diplomasia dia tsy misy raha tsy misy ny matihanina amin’ny diplomasia izay nihofana ho amin’izany. Momba an’io sehatra io indrindra, aiza ho aiza moa izao ny amin’ilay Foibe fianarana diplomasia sy tetikady (CEDS)? Ny namoronana an’io mantsy dia ny mba hahazoana olona hiasa amin’io sehatra io”, hoy i Jean Marc Razafimandimby manontany. Ny fitondrana sy ny fanjakana nifandimby dia samy nanao izay hahatonga ny masoivoho any ivelany ho akany hametrahana ny namana sy ny havana. Vesatra lehibe nolovaina avy amin’ny lasan’ny diplomasia malagasy io. Tsy natokana ho an’ny ADC mihitsy ny asa diplomatika sy kaonsilera any amin’ny masoivoho ivelan’ny repoblikan’i Madagasikara. Mampalahelo fa ny diplaomaty dia mifaninana amin’ny mpiasa maro hafa ao anaty sy any ivelan’ny fitondram-panjakana.

Fanararaotana

Tsy nitsahatra nampidirana politika ny diplomasia ka nampidanadana ny varavarana hidiran’ny fomba maloto lavitra ny mason’ny fitondrana foibe. Efa tamin’ny 2011 ilay gazety malagasy mpiseho isan’andro, La Nation, no nanaitra mahakasika ny fahafaham-baraka ara-toekarena tany amin’ny masoivoho malagasy tany New York. Satria tokoa dia namidy ilay tranon’ny masoivoho malagasy  tao amin’ny 32 East 74 Street de New York, tao amin’ilay kartie mihaja be tao Manhattan. Raha ny tenin’ilay loharanom-baovao tsy lavitra ny raharaha, ny olona voarohirohy voalohany indrindra amin’izany dia ny masoivoho tenany tamin’izany fotoana izany mihitsy, dia i Zina Andrianarivelo-Razafy. Izy no nitana an’io toerana io nanomboka tamin’ny 2002 ka hatramin’ny fotoana nanilihana azy tamin’ny janoary 2018. Na dia tena faran’izay tsara toerana sy noheverina ho tranobe tena miavaka aza ilay fonenan’ny masoivoho malagasy dia namidy ary natakalo trano hafa, any amin’ny kartie mihafihafy kokoa, ao amin’ny 1063 Cumbermeade Road, ao New Jersey, tamin’ny vidiny 1,5 tapitrisa dolara eo ho eo. Nampiahiahy ny FBI izany fifampiraharahana somary hafahafa izany ka nogiaziny ny volan’ny masoivoho malagasy tany Etazonia. Noheverina ho nampiahiahy mantsy ny fandehan’ny fanoratana ny fifampivarotana sy ny fampiasana ny vola azo avy amin’ny fifampiraharahana.Ny fanadihadiana nataon’ny iraky ny Bianco tany New York niaraka tamin’ny Tahirim-bolam-panjakana Malagasy no nahitana hirika azo anaporofoana ny fisian’ny fandikan-dalàna tamin’izany. Misanda mihoatra ny 1 lavitrisa Ariary ny fahavoazana. Natolotra ny birao miady amin’ny kolikoly (PAC) ny antontan-taratasy momba ny raharaha. Ilay loharanom-baovaonay koa dia manameloka ny fampiasana tafahoatra ny “fifanarahana manokana” mba hanomezana toerana ny havana. Ny asan’ny irakiraka, mpanao lakozia… dia omena ny havana na ny fianakaviana izay tsy manao izany asa izany velively akory, mazava ho azy. ” Any amin’ny masoivoho hafa ny teknisiana dia raisina eny an-toerana miaraka amin’ny fifanarahana eny an-toerana koa. Ny fanao malagasy dia nahafahana nanararaotra nandray mpiasa tsy mifanaraka amin’ny ilaina”, hoy izy kivy.

Mpiasa ara-toekarena

Ny fototry ny olana dia hita fa ny tsy fisian’ny tondrozotra sy ny rafitra fanaovana asa tena tsara tefy Ahoana moa no nahatonga an’i Zina Andrianarivlo-Razafy masoivohon’i Madagasikara tany Etazonia ho masoivoho mandritra ny 16 taona? Misy iray hafa toa an’i Victor Sikonina dia efa saika masoivohon’i Madagasikara tany Beijing mandra-pahafatiny. “Nefa, ho an’ny firenena hafa dia zava-dehibe ny fifanoloana.Telo na dimy taona, any ivelany, ary roa taona ao amin’ny fitondrana foibe, dia toy izany foana. Amin’izay izy dia hahazo antoka fa hanana traikefa feno, ny toerana faharoa andefasana any ivelany ny ADC iray dia tsy maintsy any amin’ny firenena hafa noho izay efa nandefasana azy tany aloha” hoy ny mpiasa iray am-perin’asa. Izany no manatsara ny traikefa ary mampihena ny mety hisian’ny kolikoly. Tsy ho mpiasa diplomatika na kaonsilera fotsiny ihany ireo mpiasa ireo amin’izay fa ho lasa tena mpiasa ara-toekarena manompo ny firenena. Nandritra ny resaka diplomatika nokarakaraina tamin’ny fiandohan’ny volana marsa tao amin’ny sekoly ambony momba ny politika eto Madagasikara (IEP) dia nilaza zavatra tsotra i Patrick Rajoelina.” Lafo be ho an’ny firenena malagasy’ny diplomaty iray miasa any ivelany. Tokony hanana andiana diplomaty natokana ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena an’i Madagasikara izay takiana mba ho tsy maintsy mahita vokany. Anontaniana ny masoivoho iray hoe: “Firy ny asa, ny teknolojia, ny fampisamboram-bola iraisam-pirenena nentinao ho an’ny Nosy?”

Aggiornamento

Mba hanarenana ny toe-draharaha dia hahazo ny ‘boky fotsy’ an’ny politika ivelany i Madagasikara atsy ho atsy. “Hivoaka tsy ho ela ilay ny taratasin’ny politika ivelanyi an’I Madagasikara. Hanaraka fitsipika ny fandehan’ny masoivoho diplomatika sy kaonsilera, ary ny lalàna momba izany dia hanaovana fanentanana eto amintsika ihany”, hoy i Naina Andriantsitohaina, ministry ny raharaham-bahiny, mahakasika izany. “Tsy hitako aloha hatramin’izao ny fiantombohana sy fototra tsara hanorenana diplomasia ara-toekarena” hoy i Jean Marc Razafimandimby mampitony. Mba hamaritana tsara an’io politika io, dia tokony ho hadihadiana ny toerana misy ny firenena, eo amin’ny politika ara-toetany sy ny tetikady ara-toe-tany no hanombohana azy. “Momba ny fampivoarana ny Nosy, tokony hiverenana jerena mialoha sy hovaina ny diplomasia sy ny Politika ankapoben’ny fanjakana malagasy”, hoy i Julien Radanoara mpampianatra fifandraisana iraisam-pirenena. Ny sombintsombin’ilay taratasy mba azonay nojerena dia milazalaza ny amin’ny tahirin-kevitra iray diso ankapobeny loatra sady tsy novolavolaina avy amin’ny fikarohana sy fandinihana lalina. Na izany aza, ilay tahirinkevitra dia manoritsoritra ny momba ny diplomasia mifanaraka kokoa amin’ny toetr’andro, tena maka endriky ny aggiornamento (fampifanarahana amin’ny toetrandro). Satria rehefa jerena akaiky ny lisitry ny masoivoho, ny solontena maharitra ary ny kaonsily jeneraly an’i Madagasikara (jereo ny sarin-tany) manerana an’izao tontolo izao, dia misy safidy sasany mahagaga. Ohatra:  inona ny tombontsoa ho an’i Madagasikara manokatra masoivoho any Arabia Saodita na kaonsilaty any Marseille? “Ataovy ao an-tsaina izao: ao amin’ny fanatontoloana, na ny firenena efa mandroso aza dia mampihena ny solontenany any ivelany. Firenena tokana no misolo tena azy any amin’ny toerana izatsy na izaroa dia anjaran’io solontenany io no manao ny zavatra rehetra. Ohatra: i Frantsa eto Madagasikara, izy no manome ny ‘visa Schengen’. Ary nahoana isika no manisy masoivoho hatraiza hatraiza? Inona no vokany amin’ny farany?”, hoy i Jean marc Razafimandimby manontany. “Ny fampitodihana ny diplomasia malagasy atambatra amin’ny fanamby miandry antsika dia mahatonga ny tsy maintsy hiheverana anton-javatra samihafa. Amin’izany, misy sasantsasanyy amin’ny masoivohontsika any ivelany hakatona, mba hahatsara kokoa ny fiasa.” Hoy ny lehiben’ny diplomasia malagasy mampanantena

Famokarana diplomatika

Mipetraka ihany koa ny olana mahakasika ny taham-pamokaran’ny diplomasia. Tena mahavaky loha ny mikaroka ny saran’ny asan’ny solontenantsika any ivelany. Ny MAE sy ny ministeran’ny Toekarena sy ny fitantanambola dia mifanilika andraikitra. Sarotra ny mahazo ny saran’ny solontena malagasy any ivelany. Mikisinkisina tsy te hampiasa ny mangarahara ny masoivoho taloha raha nanontanianay. Mifanohitra amin’ilay hevitra maty paika iray – kolokoloin’ny anganon’ny masoivoho tremalahy – dia tsy lafo noho ny masoivoho hafa akory ny masoivoho malagasy. Manodidina ny 13 000 euros ny karama raisiny ary ny mpiasa dia mahazo eo amin’ny 9 000 euros. Mety ho maneno ireo tarehi-marika ireo, nefa takon-kenatra ihany ireo, raha jerena amin’ny fahazoan’ny MAE mampisongadina an’i Madagasikara. Raha 80 lavitrisa ariary izy tany amin’ny lalànan’ny fitantanambola tany am-piandohana, ny toebolan’ny MAE dia lasa 67 lavitrisa, ao amin’ny LFR (lalànan’ny fitantanambola nasiam-panitsina) Ny ministry ny raharaham-bahiny aza dia nanome toky fa “ [hampidinina] ny ambaratongan-karaman’ny mpiasa rehetra mba hampahomby sy tsy hampandany ny fitaovana”, nefa firifiry ny mpiasa no mimenomenona fa mamoaka vola am-paosy hividianana fitaovana tsotra kely toy ny kojakojam-birao. Ny “fitomboan’ny fahantrana diplomatika”malagasy dia tsy hihatsara taorian’ny fitsihifana natao tamin’ny toebolan’ny MAE. Nefa ny fanatsarana kokoa ny fitantanana ny mpiasa efa am-perin’asa sy ny firafitry ny asa dia hahafahana mahazo masoivoho mamokatra izay hotanterahina amin’ny alalan’ny diplomasia miasa tohanan’ny mpiasa mahatoky sy mahomby, dia ny diplomaty izany.

Raoto Andriamanambe

Nanampy tamin’ny fanatontotosaina an’ity fanadihadiana ity : Karina Zarazafy et Mitsinjo Alisoatiana