Faritra ifanakalozana malalaka (Zlec), atahorana ho mpitazana fotsiny i Madagasikara

Nomarihan’ireo firenena mpikambana amin’ny Vondrona afrikana (UA) tamin’ny fomba ofisialy ny fampiharana ny fifanarahana momban’ny fametrahana ny Faritra ifanakalozana malalaka na Zlec nandritra ny fivoriana natao tao Niamey, renivohitry Niger ny 7jolay lasa teo. Araka izany, efa mandeha amin’ny fomba ofisialy io tsenam-barotra lehiben’ny Afrikana io.

Hita eny amin’ny endriky ny Filoha Andry Rajoelina ny hafaliana. Goavana sady mahagaga ny zava-bitan’i Madagasikara nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika (Can). Niditra an-tsehatra manokana tamin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena ny tenany ary nanao ny dingana rehetra ahafahana mandefa fiaramanidina roa manokana mba hitatitra ireo mpanohana ny ekipa Barean’i Madagasikara tany Ejipta.

Iraka

Nanatrika mivantana ny lalao tany Ejipta ny tenany mba handray anjara tamin’io hetsika manan-tantara ho an’ny baolina kitra malagasy sy ho an’i Madagasikara amin’ny ankapobeny io. Kanefa nisy ihany koa zava-dehibe kokoa nitranga tao Niger.  Araka izany, raha faran’izay nidobodoboka ny fon’i Madagasikara tatsy Alexandrie, ny an’ny Afrika kosa dia niray feo tatsy Niamey. Delege sy nasaina miisa 4500, izay filoham-panjakana miisa 32 et minisitra aman-jatony mahery- ka anatin’izany ny minisitry ny Indostria, ny varotra ary ny asan-tanana (Mica) Lantosoa Rakotomalala- no tonga nanatrika hetsika goavana iraisan’ny kaontinanta afrikana tao an-dRenivohitry Niger dia : ny Faritra malalaka ifanakalozana (Zlec). Tsy nisy iraky ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny na iray aza nanatrika io fivoarana goavan’ny kaontinanta afrikana io. Muhammadu Buhari (Nigeria), Macky Sall (Sénégal), Alassane Dramane Ouattara (Côte-d’Ivoire), Denis Sassou Nguesso (Congo), Félix Tshisekedi (RDC), Ibrahim Boubacar Keita (Mali), Sahle-Work Zewde (Ethiopie), Alpha Condé (Guinée), Adama Barrow (Gambie), José Mario Vaz (Guinée Bissau), Mswati 3, Mohamed Ould Abdel Aziz (Mauritanie), Ismaël Omar Guelleh (Djibouti), Emmerson Mnangagwa (Zimbabwe), Teodoro Obiang Nguema (Guinée Bissau), Nana Akufo-Addo (Ghana), Abdel-Fattah Al Sissi (filohan’ny Ejipta sady filoha ankehitrinin’ny Vondrona afrikana), Fayez el-Sarraj (praiminisitra libianina), Nourredinne Bedoui (Praiminisitra alzerianina) et Cyril Ramaphosa (Afrika atsimo) ireo no filoham-panjakana tonga nanatrika io fihaonana an-tampony tsy ara-potoana io.

Hafaliana

« Ny fampiharana amin’ny fomba ofisialy ny Zlec dia anisan’ny zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainan’ny kaontinanta afrikanina nanomboka ny fananganana ny OUA tamin’ny taona 1963 sy ny fiovàny ho UA » hoy ny filohan’ny Niger mpampiantrano, Mahamadou Issoufou nandritra ny fanokafana ity fivoriam-be ity tao Niger. Anisan’ny niady mafy ny fametrahana io Faritra malalaka ifanakalozana io ity filohan’ny Niger ity. Firenena afrikanina 54 amin’ny 55 no handrafitra ity sehatra fifanakalozana goavana ity, ka ao Accra ny foiben-toerany. “Erythrée” no hany firenena tsy nanao sonia ity fifanarahana ara-barotra ity kanefa kosa naneho ny fahavononany hanao izany amin’ny fotoana mahamety azy. Satria ny vahoaka mbola anatin’ny hafaliana tanteraka izay nateraky ny fahombiazan’ny ekipam-pirenena nandritra ny Can, toa tsy re tsaika loatra io fametrahana ara-pomba ofisialy ny Zlec io. Ireo haino aman-jery anefa dia nivoy ity vaovao izay hiteraka fiovàna goavana ity na eo amin’ny toe-karena na eo amin’ny fifandraisana ara-diplomatika. Nasaina hamelabelatra mikasika ireo nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka io Zlec io ny kaomisera Victor Harison, kaomisera misahana ny raharaha ara-toe-karena eo anivon’ny Kaomisionin’ny Vondrona afrikanina nandritra ny atrikasa nokarakarain’ny FES tamin’ny Jona 2018. « Ny fidirana amin’ny Zlec dia tombony lehibe ho an’I Madagasikara ahafahany mampiroborobo ny indostria sy mivarotra ireo vokatra eo amin’ny tsena goavana izay ahitana mpanjifa mahatratra 1,2miliara», raha ny nambarany, sady nanamafy moa izy fa efa mandeha ny fizorana ho amin’izany. “Noforonina manokana mba ahafahan’ireo firenena samy afrikanina mifanakalo ny Faritra malalaka ifanakalozana (Zlec)” hoy kosa Carlos Lopes, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’ny Cape Town ary sekretera mpanantanteraka teo alohan’ny Kaomisionina misahana ny ara-toe-karena eo anivon’ny Firenena mikambana ho an’ny Afrika.

Lalan-kizorana mitohy

Nandritra ity famelabelaran-kevitra ity dia mazava ny hevitr’ireo mpisehatra ara-toe-karena Malagasy izay ahitana taratra ny hevitry ny ankamaroan’ny mpandraharaha ara-toe-karena eto an-toerana. “Tsy mbola vonona isika hifaninana amin’ireo mpiray vodi-rindrina amintsika eto amin’ny kaontinanta afrikanina” hoy I Erick Rajaonary, filohan’ny Fivmpama raha nilaza ny heviny. “Oviana isika no ho vonona anefa? Afaka 10 sa 20 taona? Tsy maintsy mandroso isika satria handroso i Afrika na eo na tsy eo isika » hoy kosa ny navalin’i Victor Harrison. Nanasonia ny fifanarahana momban’ny fananganana ny Zlec I Madagasikara nandritra ny naha minisitry ny Raharaham-bahiny an’I Henry Rabary-Njaka fa tsy mbola nankato io fifanarahana io kosa. Nandritra ny fivoriana an-tampon’ny Vondrona afrikanina tao Addis-Abeba tamin’ny volana janoary farany teo, dia nilaza ny fahavononany “hankato io fifanarahana io tsy ho ela” ny filoham-pirenena. Tsy vao omaly akory ny tetikasa hametrahana ny Zlec. Fandinihana lalina sy fifampiresahana lavareny nandritra ny taona maro no nahatongavana tamin’io fifanarahana io. Ao anatin’ny tanjon’ny “Agenda 2063” ny tetikasa fametrahana Tsena iombonana afrikanina, sori-dalana mahabe fanantenana tokoa izay tokony ho tonga amin’ny fampiroboroboana ara-toe-karena ny kaontinanta afrikanina amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny tsena anatiny sy ny politika afrikanina manokana. Ny fahaterahan’ny Zlec dia tafiditra anatin’ny lalan-kizorana mitohy ary mamaly ny finiavana hametraka ny lanjan’ny fametrahana rafitra iombonana afrikanina izay nohirahiraina sy nandrandraina rehefa nahazo ny fahaleovan-tena ny firenena afrikanina voazanaka rehetra.

Ny Faritra malalaka ifanakalozana dia tokony ahafahana manafoana tsikelikely ny haban-tseranana eo amin’ireo firenena mpikambana, mba hampiroboroboana ny fifanakalozana eo amin’ireo firenena afrikanina. Ny fifanarahana iraisam-pirenena an’ny Abuja ny taona 1994 no nametraka ny fototry ny fametrahana tsena iombonana aty Afrika miaraka amin’ny fametrahana “vola mitovy” ampiasaina amin’ny fifanakalozana, izay antoka mampiroborobo ny famokarana sy ny fivezivezen’ny entana sy ny tolotra, amin’ny alalan’ny fametrahana Firaisam-be ara-toe-karen’ny Afrikana (CEA) izay fanamby apetraka hatramin’ny taona 2027. Napetraka ny sori-dalana ka tafapetraka tamin’izany ny Zlec nandritra ny fihaonana an-tampony tao Addis-Abeba ny taona 2012. Mbola tao anatin’ny fiomanana ho amin’izany tanteraka I Madagasikara tamin’izany.

Ady mafy

Kanefa, nosokafana matetika ho an’ny besinimaro nandritra ny atrikasa sy famelabelaran-kevitra mifantoka amin’ny lohahevitra notsongaina maro ny adihevitra izay mazàna nandraisan’ny mpisehatra ara-toe-karena sy ny mpikambana amin’ny vondrona ara-toe-karena anjara. Ny fidiran’i Madagasikara amin’ireo rafitra ara-rejionaly sy vondrona ara-toe-karena dia tafiditra tanteraka amin’ny firosoana tsikelikely amin’ny fanalalahana ara-barotra io. « Ny Sadec sy ny Comesa dia tokony raisintsika ho « mpiara-miombon’antoka hifanazarana eo amin’ny fifanakalozana » mba ho vonona isika. Kanefa tsy izay no zava-nisy », nanazava i Tolotra Andrianalizah, mpanao gazety misahana ny ara-toe-karena, sady diso fanantenana.Amin’ny alalan’ny fametrahana ny Zlec, dia mametraka fanamby goavana ny firenena afrikanina rehetra. Raha ny tombana mantsy, dia 16%-n’ny varotra eto amin’ny firenena afrikanina ihany no ifanaovan’ireo firenena samy afrikanina, izay verezin’ny Azia lavitra (izay manodidina ny 50%) ary Eoropa (izay eo ho eo amin’ny 70%). Ny fandravàna ireo sakana eo amin’ny haban-tseranana dia tokony ahafahana mampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenena afrikanina hatramin’ny 60%. Io no nambaran’I Albert Muchanga, kaomisera misahana ny resaka varotra sy indostria. Toa nofinofy sarotra tanterahina ihany io tanjona io kanefa kosa ny azo antoka dia tsy maintsy ho mafy ny ady eo amin’ny sehatry ny varotra manomboka izao. Izay indrindra no antony mampihorohoro ny indostria Malagasy. Chiedu Osakwe, mpitarika ny mpanao fifampiresahan’ny firenena nizerianina dia manamafy fa “ny fanalalahana ny varotra dia tsy maintsy ampiarahina amin’ny fanavaozana rafitra anatiny. Tsy vita indray mandeha ny fanalalahana ara-barotra”. Maharitra an-taonany maro ny fizorana tanteraka ho amin’izany. Manana folo taona ireo firenena an-dalam-pandrosoana hanafoanana tanteraka ny haban-tseranana. Na dia maharitra aman-taonany aza izany, tsy misy ny antoka fa hiara-hirona ho amin’izany ny mpandraharaha ara-toe-karena Malagasy. An’ny politika ny hadisoana na politika ara-toe-karena io na politika ara-barotra, izay tsy mba nijey alavitra ka nitsinjo dieny mialoha ny firosoana amin’izany mba ho vonona amin’io fiovàna goavana io- izay tsy azon’ny Afrika ialàna mba ahafahana miroso io- amin’ny fotoana ilàna an’izany, ny sehatra ara-barotra sy ny indostria. Porofon’izany, toa tsy rariny raha takon’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra ny fametrahana ara-pomba ofisialy io Faritra malalaka ifanakalozana io na dia namiratra tahaky ny inona aza ny dingana vitantsika tamin’izany.

Raoto Andriamanambe