Fifidianana, mizotra mankany amin’ny fifidianana ben’ny tanàna

Vita iny ny fifidianana solombavambahoaka. Fifidianana ben’ny tanàna no dingana manaraka. Ho tapitra amin’ny volana jolay ny fe-potona iasan’ny ben’ny tanàna.

Raha misy fahabangana eo amin’ny toeran’ny ben’ny tanàna dia manan-jo ny fahefana mpanatanteraka hanendry Filohan’ny delegasiona manokana (PDS) izay hiandraikitra ny raharaha mandritra ny fotoana tsy mahaeo ny ben’ny tanàna. Mandritra izany fotoana izany dia azo atao ny mampanao fifidianana”, hoy ny fanazavan’i Fano Rakotondrazaka, mpitondra teny ankapobeny ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI)

Fampiantsoana ny mpifidy

Efa nanambara ny CENI volana vitsivitsy lasa izay fa mety hatao amin’ny faran’ny volana jolay ny fifidianana ben’ny tanàna. Noho ny tsy fisian’ny fiantsoana ny mpifidy tamin’ny faran’ny volana avrily nefa dia mazava ho azy fa ho banga izany ny toeran’ny ben’ny tanàna mandritra ny volana vitsivitsy. “Tokony tsy hanaiky izany isika. Ny fe-potoana voafetra iasana dia fe-potoana voafetra iasana. Tsy azon’ny mpanatanteraka roritina araka izay itiavany azy io”, hoy i Toavina Ralambomahay, manameloka izany. Kandidà ho mpanolotsain’ny tanàna ao Antananarivo renivohitra izy ary hentitra izy momba an’io. Ho azy dia tsy maintsy atao amin’ny volana jolay ny fifidianana. Saingy tsy izany no zava-misy satria ny governemanta, araka ny lalàna velona, dia tsy maintsy miantso ny mpifidy 90 andro mialoha ny andro handatsaham-bato. Tsy natao anefa izany. I Fano Rakotondrazaka dia nanambara fa mety ho amin’ny volana oktobra raha ela indrindra no hanaovana ny fifidianana. “Mbola tsy hanomboka ny vanim-potoanan’ny orana ary ny lalàna manokana ho an’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna dia ho azon’ny antenimiera roatonta laniana mandra-pahatongan’izay. Ny anjaran’ny CENI dia ny manolotra daty sy mandamina ny fifidianana. Anjaran’ny governemanta ny mamadika ho ofisialy an’izany daty izany”, hoy izy. Ny fiantsoana ny mpifidy ho an’izany fifidianana amin’ny volana oktobra izany dia tokony hatao mandritra ny volana jolay.

Resaka lalàna

Ny manahirana indrindra ka tsy hahafahana manatontosa izany fifidianana izany amin’izao fotoana izao dia ny tsy fisian’ny lalàna voatokana araka ny takian’ny Lalàmpanorenana. “Ny lalàna mahakasika ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny tanàna dia tsy maintsy havaozina sy harindra hifanaraka amin’ireo lalàna izay nivoaka faramparany tamin’ny 2018, ohatra amin’izany ny lalàna fototra 2018/008. Niova ny Fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana. Tokony hampanarahana izany koa ny lalàna manokana”, hoy ny mpitondra teny ankapobeny an’ny CENI. Dia nanampy koa izy fa raha ny tokony ho izy, dia homena hodinihin’ny Antenimierampirenena vaovao ireo fepetra vaovao ireo raha vao tafapetraka ny Antenimieram-pirenena. Voalaza fa efa misy volavolan-dalàna vinavinaina any amin’izao fotoana izao. Na ahoana na ahoana nefa dia manao ny asany hatrany ny vaomieran’ny fifidianana eo am-piandrasana ny tena daty marina: raha vantany vao tontosa ny latsa-bato tamin’ny 27 mey dia efa nanoman-tena sahady ny ekipa hikarakara ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny tanàna. “ Ny fanofanana no laharam-pahamehana ho an’ny CENI. Isaky ny vita ny fifidianana dia maka fotoana izahay handinihana ny lesoka hitanay ary ezahinay ny manitsy azy ireny. Nanomboka tamin’ny fifidianana filoha izahay no efa nihanahomby kokoa hatrany eo amin’ny fifehezana ny olana mifandraika amin’ny fandaminana ny latsa-bato”, hoy hatrany izy.

Famatsiam-bola

Fanontaniana iray tokony hitadiavana valiny ny momba ny famatsiam-bola. Hahazo vola mitentina 43 915 000 000 ariary ny CENI araka ny efa voasoratra ao anatin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna nasiam-panitsiana. Fa ho ampy ve io hanatontosana ny fifidianana eny anivon’ny kaominina, manomboka amin’ny fanofanana ny mpiasan’ny misahana ny fifidianana ka hatrany amin’ny fanangonana ny vokatra, isaka ny distrika sy isaka ny birao fandatsaham-bato? 32 lavitrisa ariary no navoaka avy ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana nanaovana ny fifidianana farany teo. Mbola tsy tafiditra tamin’io vola io ny fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany. Ny fihodinana roa tamin’ny fifidianana filoha dia noheverina hahatratra 56 lavitrisa ariary, tsy ao anatin’io ny fanampiana avy any ivelany. “Tokony ho fantatra fa na ohatrinona na ohatrinona ny vola omena anay dia tsy maintsy manatanteraka ny fifidianana izahay rehefa tsy maintsy atao izany. Ny miova dia ny fomba fiasa. Raha betsaka kokoa ny fitaovana dia azonay atao ny manafaingana ny fanangonam-bokatra, amin’ny fampiasana angidimby, ohatra. Raha tsy izany dia alefanay mandeha amn’ny fiarakodia izy ireny”, hoy i Fano Rakotondrazaka namarana ny teniny.

Hilda Hasinjo