Herisetra mifototra amin’ny karazana, aoka izay ny kolontsainan’ny fahanginana

Ny firesahana mahakasika ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny zazavavy dia heverina matetika fa fady eto Madagasikara; tsy tenitenenina kanefa manapoizina ny fiaraha-monina na koa mampiadana na mampihisatra mihitsy ny firosoana mankany amin’ny fandrosoana.

Firy no isan’izy ireny? Firy ireo vehivavy izay mijaly amim-pahanginana noho ny ataon’ny vadiny? Firifiry ireo izay voatery mikombom-bava satria “ny tokantrano fihafiana”? Ny herisetra ao an-tokantrano sy ny herisetra atao amin’ny vehivavy dia antambo mieli-patrana any amin’ny fiaraha-monina malagasy. Misy ny tena mizaka ny tsy eran’ny aina noho io goragora ao amin’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny io (jereo ny sary)

 

Raharaha miandry

“Ny fandaharanasa ho fampandrosoana ny firenena iray dia miankina be dia be amin’ny programan’asa fampiroboroboana ny miralenta”, hoy ny Praiministra Christian Ntsay, tamin’ny teny nambarany tamin’ny mpanao gazety. Teny izay mifandraika indrindra amin’ny toerana tanan’ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina amin’ny maha mpandray anjara tsy azo ialana amin’ny fiainana ara-toekaren’ny firenena azy, manomboka any an-tokantrano ka mipaka any amin’ny seha-pihariana samihafa toy ny varotra, ny asa-tanana, ny tao-java-baventy, ny fanabeazana, sns. Mitana toerana lehibe hatrany izy ao anatin’ireny sehatra ireny. Miankina amin’ny vehivavy tokoa mantsy ny ampahany goavana amin’ny fiainam-pirenena; tsy satria fotsiny hoe maro ny vehivavy noho ny lehilahy araka ny vokatry ny fanadihadiana samihafa, fa indrindra koa satria ny fomba amam-panao any amin’ny fiaraha-monina dia mirona amin’ny famerana ny raharaha omena hiandraiketan’ny vehivavy. Ny ankamaroan’izy ireny dia heverina ho tsy dia manahoana loatra, tsy dia misy lanjany firy, nefa izy ireny no miantoka ny fizotran’ny fiainan’ny mpiara-belona araka ny tokony ho izy. Azo raisina ho ohatra ny zava-misy any amin’ny fiaraha-monina sasantsasany – na ny ankamaroany mihitsy aza: ny vehivavy no misahana ny fitantanana ny rano, ny fitantanana ny tokantrano, ny fiotazana, ny fanabeazana ny ankizy na ny lahy izany na ny vavy. Ny Tatitra faharoa an’ny firenena momba ny fanamby sy ny lokalokan’ny fitantanana orinasa eto Madagasikara tamin’ny taona 2018 rahateo dia manambara fa “ny vehivavy dia mijoro amin’ny maha izy azy, mahomby kokoa any amin’ny orinasany, ary manana fahavononana kokoa na inona sokaji-taona misy azy na inona”.

Fadiana ny miresaka azy

Hatramin’izao ny vehivavy dia mbola miharitra herisetra isan-karazany na ataon’ny lehilahy na ataon’ny vehivavy hafa, na ny mpiara-belona na ny fiaraha-monina. Araka ny fanamarihana nataon’i Christian Ntsay, dia “matetika tsy ampy ny fampahafantarana momba ny rafitra mandray an-tanana ny fisian’ny herisetra, hany ka mijanona amin’izy samy vehivavy fotsiny ry zareo. Tsy misy mpanohana, tsy misy mpanaraka. Amin’izao fotoana izao dia efa misy rafitra manoro hevitra sy manohana, nefa mbola tsy fantatra loatra izy ireny. Ny hiafarany dia ny manodidina ihany no mamely mafy azy ireo.” Ny Fanadihadiam-pirenena nenti-nanaraka ny Tanjon’ny taonarivo fahatelo momba ny fampandrosoana (ENSOMD) izay natao tamin’ny taona 2012-2013, dia mampibaribary ny anjara toerana lehibe tazomin’ny mpiara-belona manodidina an’ireny herisetra ireny. Ohatra iray amin’izany ny tahan’ny zatovo tsy ampy taona efa miteraka: 148 izany tamin’ny 2009 ary niakatra ho 163 tamin’ny 2012. Ny azo anazavana io toe-javatra io araka ny valin’ny fanadihadiana dia “ny fomba mandoza ara-piaraha-monina sy eo amin’ny lafiny kolontsaina toy ny fampanambadiana ny tanora (48%), ny firaisana ara-nofo aloha loatra izay matetika tsy misy fiarovana ary ampirisihin’ny tontolo manodidina.”

Heloka be vava ho fitandroana voninahitra

Ny fanadihadiana momba ny herisetra mifototra amin’ny karazana (VBG) mandritra ny fanafihana ataon’ny dahalo, izay natao tamin’ny taona 2017 tao anatin’ny Tetikasa mitambatra amin’ny fanohanana ny fanavaozana ny sampan’ny fandriampahalemana eto Madagasikara, dia milaza koa fa “ny famaharan’ny VGB ao amin’ny kolontsaina dia manome vahana ny tsy firaharahiana sy ny fanafenana ny endriny sasantsasany, ka ry zareo vehivavy mihitsy no manao izany”. Vokatr’izany dia 30%-n’ny vehivavy fotsiny ihany no sahy nanambara fa efa niharan-javatra fara-faharatsiny nanana endrika herisetra. Ambany ihany io taha io raha ampitahaina amin’ny zava-misy araka ny fahitana azy isan’andro. Satria “ misy fenitra sy fanao eo amin’ny lafiny kolontsaina sy finoana hatrany entina manamarina ny herisetra mihatra amin’ny vehivavy, indrindra indrindra ny fampanambadiana ny ankizy, ny fiangarana amin’ny lahy kely, ny heloka be vava lazaina fa” hitandroana voninahitra”, ary ny famerana ny zon’ny vehivavy ao amin’ny fianakaviana sy eo amin’ny fiaraha-monina”, araka ny fitsikeran’ilay fanadihadiana azy. Noho izany, ny resaka herisetra dia mitovitovy amin’ny fahafaham-baraka ka aleon’ny vehivavy maro miharitra azy am-pahanginana.

Fahatsiarovantena

Na dia eo aza ireo tsindry ireo izay avy amin’ny lafiny kolontsaina sy avy amin’ny mpiara-monina, dia tsikaritra fa misy ihany fahatsiarovan-tenan’ny Malagasy mahakasika ny VGB. “Manomboka mitsimoka ny fahatsiarovantena te-hanova”, hoy i Kader Irchad Barry, mpandrindra ny hetsika ho an’ny fanafahana ny vehivavy sy ny ady amin’ny VBG eto Madagasikara. Ny Praiministra koa dia nanipika fa “ny fanabeazana sy ny fivoaran’ny fiaraha-monina dia miteraka fahatsiarovan-tena”. ”Raha ny fivoarana misy no jerena, dia mihevitra aho fa izay tsy mahita ny fanavakavahana atao amin’ny vehivavy dia tsy mijery tsara, na izy mody tsy mahita. Fa raha mijery akaiky dia tsy voatery hanery tena akory vao ho resy lahatra hankatò an’ity programanasa entina mampiroborobo ny miralenta ity” hoy ny fanazavany. Tsara ihany no manamarika fa hita soritra ihany io ezaka fanabeazana io. Ny ENSOMD dia milaza fa “vokatry ny politika manome vahana ny fampidirana an-tsekoly, dia nihatsara ny fifandajana misy amin’ny isan’ny zazavavy sy ny zazalahy, ka nahatratra 105 ny tahan’ny zazavavy ho an’ny zazalahy 100 any amin’ny fanabeazana fototra tamin’ny taona 2012, raha toa ka zazavavy 96 ho an’ny zazalahy 100 izany tamin’ny 2008”. Tsy tokony hamaivanina izany fiovana izany.

Ny toejavatra misy

Zavatra iray nahatonga ny fandrosoana eo amin’ity ady atao amin’ny VGB ity dia ny fananganana foibe fihainoana sy filan-kevitra momba ny lalàna. Ireny rafitra nandray an-tanana ny olona niharana herisetra ireny dia nandray olona 19 914 voakasiky ny VBG tamin’ny janoary 2019. Ireny foibe ireny dia nandray anjara goavana tamin’ny fanatsarana ny fahatsapana sy fahitana ny herisetra sy ny voka-dratsiny eo amin’ny fiaraha-monina. Rehefa nampiarahana tamin’ny fandraisana andraikitra sy asa fanentanana hafa ny fisiana sy ny fiasan’ireny foibe ireny, dia azo natao ny nanaitaitra ny fiovana teo amin’ny fihetsiky ny Malagasy manoloana io raharaha io. Tsara marihina fa ny VBG dia tsy voafetran’ny herisetra atao amin’ny vehivavy fotsiny ihany; mety miseho amin’ny endrika maro izy ary sokajin’olona maro no iharany. Ny fikarohana momba ny herisetra mifototra amin’ny karazana mandritra ny fanafihan’ny dahalo tamin’ny 2017 dia manazava tsara an’io fahasamihafana io. “ Ny fiteny hoe “herisetra mifototra amin’ny karazana” sy “herisetra mahazo ny vehivavy” dia misy hevitra tsy mitovy saingy mety hifandray ihany raha heverina fa ny vehivavy no tena iharan’ny herisetra izay matetika amin’ny lehilahy ambony toerana kokoa noho izy eo amin’ny firaha-monina sy eo amin’ny lafiny toekarena”, hoy ny fanamarihan’ilay fanadihadiana. Ny VBG dia miresaka indrindra indrindra ny fihetsika rehetra ” atao amin’olona tsy mifanaraka amin’ny safidiny » ary miainga amin’ny “ tsy fitoviana ara-tsosialy eo amin’ny lahy sy ny vavy”. Ireny fihetsika ireny dia “manitsakitsaka ny sasany amin’ny Zo fototry ny Olombelona izay arovan’ny lalàna sy ny fifanarahana iraisam-pirenena”. Ny seho hita matetika indrindra dia ny herisetra eo amin’ny firaisana ara-nofo, ny herisetra miantefa amin’ny vatana, ny herisetra mahazo ny saina sy ny fo, na koa ny herisetra ara-toekarena. Ireny herisetra ireny dia mety hihatra na amin’ny zazavavy na zazalahy, na amin’ny lehilahy na beantitra. Raha ny zava-misy nefa no jerena dia ny vehivavy no maro an’isa amin’ny olona iharany. Ankehitriny, ny 30%-n’ny vehivavy dia iharan’ny herisetra – farafaharatsiny indray mandeha, ao an-tokantrano. Ny antontan-kevitry ny tetikasa an’ny hetsika fanentanana ho an’ny fampiroboroboana ny miralenta sy ny ady amin’ny VBG dia ahitana an’ izao taha izao: “ 26% miharitra herisetra ara-batana, 24% herisetra ara-tsaina sy ara-pihetsehampo, 39% ilaozan’ny vadiny, ary 11% iharan’ny herisetra ara-piraisana ara-nofo”.

Tolona isan’andro

Ny tsy firaharahana ny VBG dia midika ho fanilikilihana ampahany betsaka amin’ny mponina, na ireo izay miasa na tsia. Mila fanohanana sy fanarahana ny vehivavy iharan’ireny herisetra ireny. Ny fanakipiana ny maso manoloana ny fanavakavahana amin’ny endriny samihafa dia mamingana mafy ny ezaka hampandroso ny firenena. Olona iharan’ny herisetra firy araka izany, indrindra ny vehivavy, no mbola hanohy hivelona ao anatin’ny fahanginana sy any an-takotakona any, tsy handray anjara amin’ny asa fampandrosoana afa-tsy amin’ny fomba voafetra ihany. Mba hanesorana an’ireny fefy sy fady rehetra manodidina ny VBG ireny no nananganana tetikasa isan-karazany sy fandraisana andraikitra maro be. Fantatra koa fa ny fanjakana dia mirotsaka amin’ny fanohanana ny tanjona hamongorana ny VGB alohan’ny taona 2030. Tafiditra ao anatin’izany ilay hetsika “Rasoaza” izay novatsian’ny Firaisana Eoropeana vola, ary notanterahan’ny Foibe Eoropeana ho Fanohanana ny Fifidianana (Ecee), miaraka amin’ny fanjakana malagasy sy fikambanana maro samihafa miasa ao amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny miralenta. Hetsika izay miezaka hanohy sy hanamafy ny fahatsiarovantenan’ny mponina manoloana ny fihitatra sy fidadasiky ny herisetra ary ny tsy fitoviana mifototra amin’ny karazana eto Madagasikara. Izany dia atao amin’ny alalan’ny asa fanentanana any an-tsekoly sy any amin’ny sehatra fanabeazana, any amin’ny sehatry ny kolontsaina sy ny zava-kanto ary amin’ny alalan’ny gazety sy ny tambanjotra sosialy. Mbola marobe ny fanamby tokony hosedraina eo amin’ny fampiroboroboana ny miralenta, indrindra indrindra fa ny mahakasika ny vehivavy, ary koa amin’ny ady atao amin’ny VBG. Nambaran’ny Praiministra Christian Ntsay fa “tsy azo ialana ny firosoana amin’io ady io na dia mbola ho lava aza ny fotoana hanaovana izany”. Tsapa fa efa misy dingana vita. Toa efa tonga saina ny fanjakana, izay tompomarika voalohany amin’ny fampiharana ny fandaharanasam-pampandrosoana, fa ny hoavin’ny firenena tahaka an’i Madagasikara dia miankina indrindra amin’ny tandrifin’andraikitry ny vehivavy.

Karina Zarazafy