Ny fahamaroan’aina voajanahary eto Madagasikara, dimy taona ialana amin’ny loza !

Misahotaka ny manampahaizana ara-tsiansa satria mihavery ny harena voajanahary eto Madagasiraka. Tandindomin-doza ny lazan’i Madagasikara amin’ny maha ivon’ny toerana ivangongon’ny harena voajanahary sy amin’ny maha ivon’ny toerana iarovana ny harena voajanahary azy, raha toa ka tsy misy fepetra faran’izay henjana raisina ho fiarovana azy ireo.

Madagasikara dia tsy hoe sahan-karena voajanahary fe harena voajanahary fotsiny ihany, fa tena sahan-karena voajanahary goavambe tsy hita pesipesenina. Anisan’ireo firenena izay manana tahana endemisma ambony tokoa ity nosy ity, ary anisan’ireo firenena izay manana tahana harena voajanahary izay ao aminy ihany no ahitana azy fa tsy misy any amin’ny firenena hafa, na karazana biby izany na karazana zava-maniry. Manana karazan-java-maniry miisa 15 000 i Madagasikara, ka ny 83%-n’ireo dia tsy misy any amin’ny firenen-kafa. Ny 61%-n’ny vorona, ny 92%-n’ny biby mandady, ny 99%-n’ny karazan-tsahona ary ny 100 %-n’ny gidro dia tsy misy afa-tsy eto Madagasikara. Tandindomin-doza nefa io vakoka iraisan’izao tontolo izao io, raha toa ka tsy manao na inona na inona isika. Manana dimy taona isika hanaovana hetsika. Fepetra miisa dimy no tsy maintsy raisina.

Manana dimy taona isika hanaovana hetsika

“Olom-bitsy no mahazo tombontsoa amin’ny fahasimban’ny harena voajanahary eto Madagasikara. Ireo izay manondrana andramena an-tsokosoko ihany, ireo izay mitrandraka ny harena an-kibon-tany tsy ara-dalàna, na mivarotra ireo karazana izay voarara tsy azo amidy, toy ny sokatra ohatra, no maka tombony amin’izany. Fa ny sarany kosa dia mahakasika ny rehetra ary miantraika amin’ny Malagasy rehetra”, hoy ny Dr. Herizo Andrianandrasana, ilay Malagasy voalohany nibata ny PhD tany amin’ny oniversite malaza an’i Oxford. Izany tranga izany no nahatonga ny vondrona ara-tsiansa iray izay ivondronan’ny mpikaroka avy eto Madagasikara, avy any UK, Aostralia, Etazonia ary Finlandy namelona lakolosy fanairana mba hisakanana io loza io. Mihevitra izy ireo fa afaka miara-dalana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny fiarovana ny harena voajanahary manan’aina. Mba ho fanairana ny filoha malagasy amin’io toe-java-misy io sy mba ho fampahalalana azy ny amin’ny fisian’ny loza mitatao, dia namoaka antontan-kevitra ilay vondrona ara-tsiansa mba hampahafantarana ny asa tsy maintsy atao laharam-pahamehana ho an’ny governemanta vaovao; izany no atao dia ny mba hanafoanana ny fihasimban’ny zavaboahary manana aina eto Madagasikara amin’ny fomba haingana dia haingana, ary mba hanampiana an’i Madagasikara hiazo ny lalan’ny fandrosoana lovain-jafy. Manamafy io vondron’olona manam-pahaizana io fa ireo faritra voaaro eto Madagasikara izay anisan’ny goavana indrindra maneran-tany raha oharina amin’ny zavaboaary manan’aina ao aminy, dia mitondra faisana tokoa noho ny ataon’ny mpitrandraka harena ankibon’ny tany amin’ny fomba tsy ara-dalàna, noho ny fitrandrahana ala, ary noho ny fandraofana sy fivarotana ireo karazam-biby izay ahiana ho lany tamingana nefa misy mihevitra fa fanao biby fiompy. Mazava ho azy fa miara-dalana amin’ny tsy fandriampahalemana izany fitrandrahana amin’ny fomba tsy ara-dalàna izany no sady manimba ny olombelona sy ny natiora ihany koa.

Soridalana dimy ho an’ny asa

Hentitra ry zareo manampahaizana ara-tsiansa: kihon-dalana ho an’i Madagasikara ny maha-filoha an’i Andry Rajoelina, afaka manarina ny tsy mety izy dieny izao, sao mantsy ho tratra aoriana. Mba ahazoana miaro ny endemisma eto amintsika dia manolotra sosokevitra miisa dimy ho an’ny governemanta ilay vondrona ara-tsiansa. Ny vahaolana voalohany dia ny fanaovana ezaka hampandrosoana ny faritra voaaro. Efa voalamin’ny manampahaizana ara-tsiansa ao anatin’ilay boky mitondra ny lohateny hoe “Ny faritra voaaro an’i Madagasikara, ny tantarany, ny mombamomba azy ary ny zavamanan’aina ao aminy” io vahaolana io; ilay manampahaizana momba ny haiaina malaza atao hoe Steve Goodman, i Marie-Jeanne Raherilalao, mpampianatra-mpikaroka ao amin’ny oniversiten’Antananarivo sady mpikambana sy mpanorina ny fikambanana Vahatra, ary i Sebastien Wohlhauseur no namoaka io boky io niaraka tamin’ny fikambanan’ny manampahaizana ara-tsiantsa Vahatra. Voasoratra amin’ny tenim-pirenena roa io boky io (anglisy, frantsay) ary ahitana fizarana telo, mahatratra 1 700 pejy no mihoatra: vaovao an-tsipirihany milanja 7 kilao mahakasika ny faritra voaaro eto Madagasikara, ny endri-javatra mampiavaka azy ireo, maha-manokana ny biby sy ny zavamaniry ao amin’izy ireo, ny loza mitatao amin’izy ireo, ny fivoaran’izy ireo mandritra ny taona maro mifandimby. Ilaina io tahirin-kevitra io ho an’ny fitandroana sy fikajiana an’ireny faritra voaaro ireny amin’ny fomba mahomby sy maharitra; io boky io mantsy dia manampy amin’ny fametrahana tetika ahazoana mikajy ny faritra voaaro arakaraka ny endri-javatra eo amin’ny lafiny kolontsaina sy ara-piarahamonina  mampiavaka ny faritra tsirairay. Ny antontan-kevitra farany nananan’i Madagasikara mahakasika ny faritra voaaro dia nivoaka tamin’ny taona 1989 (“Madagascar : Revue de la conservation et des aires protégées”)

« Ny zavaboahary manan’aina no vakoka tsy manam-paharoa »

Fiaraha-mitantana

Ho an’ny vondron’ny manampahaizana ara-tsiansa dia “tokony mitondra tombon-tsoa fa tsy hitera-pahavoazana ho an’ny mponina eny an-toerana ny fikajiana atao”. Araka izany dia manolo-kevitra izy ireo mba hamafisina ny zon’ny mponina eny an-toerana mahakasika ny harena voajanahary. Ny fandaniana ho lalàna ny ‘Fehezam-pitsipiky ny faritra voaaro’ dia dingana iray mandeha ho amin’izany. Izy io mantsy dia mamela ny mponina manodidina handray anjara amin’ny fiaraha-mitantana ny faritra voaaro. Ilaina toraka izany koa ny miantoka ny fanitarana ny fotodrafitrasa vaovao mba hamerana ny fiantraikany eo amin’ny zavaboary manana aina. Noho izany dia tsy maintsy misy fanadihadiana eo amin’ny lafiny tontolo iainana atao raha vao misy fananganana fotodrafitrasa vaventy, araka ny voalazan’ny fifanarahana iraisam-pirenena. Ny ady amin’ny heloka bevava eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana dia lohahevitra lehibe ho an’i Madagasikara. Ny famerenana indray ny fandrakofan’ny ala sy ny fambolen-kazo dia fanamby goavana mba hamahana ny fitomboan’ny krizy amin’ny tsy fahampian’ny kitay eto amin’ny firenena. Ny fanaovan’ny manampahaizana ara-tsiansa fangatahana tamin’ny mpitondra fanjakana, ny fanomezan’izy ireo toerana ny mponina ao amin’ny ezaka fikajiana ny zavaboahary, dia mampahatsiahy antsika fa ny fiarovana ny zavaboahary manana aina eto amintsika izay tsy misy toa azy, dia asa vadi-drano ka tsy vita raha tsy ifanakonan’ny tsirairay. “Manana ‘sarivongan’ny fahafahana i Etazonia, i Frantsa manana ny tilikambon’i Eiffel… Ho antsika eto Madagasikara kosa dia ny zavaboahary manan’aina (izay vokatry ny fivoarana nateraky ny taona an-tapitrisany maro nifandimby) no vakoka tsy manam-paharoa ahalalana antsika manerana izao tontolo izao. Tsy azontsika atao ny mamela an’ireny zavakanton’ny natiora ireny hanjavona. Tsy maintsy mihetsika isika izao mba tsy ho tratra aoriana”, hoy ny hiaka miantso vonjy nataon’i Jonah Ratsimbazafy, avy amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Yann Lomelle