Solika : tsy manaiky i Andry Rajoelina

Tsy azo ihodivirana ny fampiasana solika. Singa iray manan-danja tokoa ho an’ny toe-karena izy io. Misy fifanandrinana manodidina ny resaka solika amin’izao fotoana izao. Mihenjan-droa ny tady. Noraisin’ny filohan’ny repoblika an-tanana avy hatrany ny famahana ny olana. Misy tandindom-pifandonana ao an-tsaham-pihariana. Tsy ho mora ny hibata fandresena.

anaty tebiteby no nanarahan’ny mpamily ny vidin-tsolika eny amin’ny tobin-dasantsy tamin’ny voalohandohan’ny volana jona. Nifamahofaho be ihany ny fihetsehampo : tsy nidina ny vidin-tsolika, tsy nisy koa nefa fiakarany. Tsy amin’ity volana ity ilay fihenana nampanantenain’ny filohan’ny repoblika. Misy nefa ny fanantenana.

Tombo-barotra

Solika azo antoka sy amin’ny vidiny ara-drariny amin’ny fiarahamonina nefa koa tsy hahatonga ny fanjakana hibaby ny sarany: ireo no votoatin-kevitra novoizin’i Andry Rajoelina hatrany hatrany sy nofikiriny ka mampifanandrina azy amin’ny mpandraharaha ara-tsolitany. Tao anatin’ny tombana nataony mahakasika ny andro zato voalohany nitondrany, dia nitsikera mivantana ny mpandraharaha ara-tsolitany ny filoha. “Tsy mitsahatra mamerimberina ireo mpandraharaha ara-tsolika ireo hoe tokony hajaina ny ‘vidiny marina’. Ny tombony alain’izy ireo eto Madagasikara isa-taonina metrika nefa dia ambony lavitra noho ny any amin’ny firenena rehetra atsy Afrika sy aty amin’ny Ranomasimbe indiana” hoy izy tamin’ny fiteny hentitra. Ao anatin’ny fotoana ampiharana ny tetikady vaovao mahakasika ny famerana ny vidin’ny akoranafo no mitranga izao fihetsika izao. Mampivadika atidoha mihitsy ny fitantanana ny vidin-tsolika: ireo ministra rehetra izay nisahana ministeran’ny akoranafo dia nanahy avokoa ny fahatongavan’ny faran’ny volana sy ny fitantanana ny fanambarana ny fisondrotam-bidy vaovao. Tamin’ny volana avrily 2018 dia efa tafatsidika teo an-tokonan’ny 4 000 ariary ny vidin-dasantsy tsy misy firaka. Nanazava ny Prof. Rakoto David tamin’izany fotoana izany fa “ny vidiny eny an-tsena eny amin’ny paompy dia ambony lavitra noho ny ‘vidiny voatondro’ eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.”

Masonkarena

Tsy afaka hizaka ny vokatry ny fiakaran’ny vidin’ny solika eran-tany eo amin’ny tsena anatiny i Madagasikara noho ny hakelin’ny tetibolany. Nisy rafi-bidy vaovao natsangana efa ho roa taona izao, saingy mbola maro ny sakantsakana tsy hahatongavana amin’izany. Hatramin’izao dia mbola tsy nahita marimaritra iraisana ny fanjakana sy ny kompanian-tsolitany: ny fanjakana moa dia mitaky ny fampidinana mazava ny vidin-tsolika, ny kompanian-tsolitany kosa dia manamafy fa ‘mbola lavitra ny kaonty’ ary tokony hampiakaraina mihitsy aza ny vidin-tsolika. Ho valin’ny fanambarana nataon’i Andry Rajoelina dia manamarika ny teknisiana iray avy amin’ny iray amin’ireo kompanian-tsolitany ireo hoe “Atao tondro-molotra hatrany ny tombony an’ny mpandraharaha ara-tsolitany, fa zara kosa raha resahana ny mahakasika ny vesatry ny hetra sy ny fampiasam-bola.” Amin’izao fotoana izao dia efa misy ny ‘raikipohy mandeha ho azy’ ahazoana mikajy ireo singa efatra mandrafitra ny vidin’ny solika: ny ‘vidiny tsy misy fadin-tseranana voatondro any amin’ny sisitany’ (prix de référence frontière) izay mitentina 54%, ny saram-pitanterana sy saram-pitehirizana 10 %, ny saran’ny fitsinjarana 12% ary ny hetra sy saram-pitrandrahana 24 %. Ny bulletin pétrolier nivoaka tamin’ny telovolana voalohany tamin’ny taona 2019 dia mamaritra fa ny ‘vidiny tsy misy fadin-tseranana voatondro any amin’ny sisitany’ dia miovaova arakaraka ny vidin’ny barikan-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena (68,49 dolara no vidin’ny Brent tamin’ny volana mey 2019) sy ny sandan’ny Ariary. Ny orinasa mpisahana ny fitsinjarana solika izay miantoka ny fitaterana solika mankao amin’ny tobin-tsoliky ny Logistique Pétrolière dia mandray 360 ariary isaka ny litatra ho an’ny lasantsy ary 340 ariary isaka ny litatra ho an’ny gazoala. Ny masonkarena sy ny tombom-barotra an’ny mpitsinjara solika dia manodidina ny 515 ariary isaka ny litatra. Ny hetra sy ny sara-pitrandrahana dia 1484 ariary ho an’ny lasantsy ary 942 ariary ho an’ny gazoala. Noho ny safidy hampihatra ny ‘kajy mandeha ho azy’ mba ho fikajiana ny vidiny dia mety tsy ho voatery handoa vola fanampiny ny fanjakana. Mila hampivadiana amin’ny fepetra hafa anefa izany mba hanamaivanana ny fiantraikan’ny vidin-tsolika ambony be sy miakatra be amin’ny sokajin’olona mahantra”, hoy i Natasha Sharma, mpahay toekarena ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena.

Ny amin’ilay hoe fanampiana amboniny avy amin’ny fanjakana

Tsy vao omaly akory no mifanditra ny fanjakana sy ny mpandraharaha ara-tsolitany, fa lasa lavitra kosa izy tamin’ity indray mitoraka ity. Tena adi-panorom-bazaha no atrehina: rehefa manao soso-kevitra ny mpandraharaha hampidinana ho 140 ariary ny vidiny, ny fanjakana kosa dia te hampidina hatrany amin’ny 700 ariary. Manamafy ny mpandraharaha fa niakatra 20% ny hetra alaina amin’ny vokatra ara-tsolika (TPP) tamin’ny 2017, manizingizina mafy kosa ny fanjakana miaraka amin’ny tso-dranon’ny FMI, fa ireny haba sy hetra ireny dia mbola kely raha ampitahaina amin’ny an’ny firenena hafa. Marihina fa mba hamenoana ny trosan’ny mpandraharaha, dia efa nahemotra telo ka hatramin’ny enim-bolana ny fanefana ny hetra sy ny haba, ary nisy ampahany amin’ilay hetra natokana ho an’ny Tahiry ikojakojana ny lalana (FER) no efa nofoanana. Manampy izany ny fanomezana fanampiana ho an’ny sehatra samy hafa, fanampiana izay tsy nahafaly velively an-dry zareo any Bretton Woods. Tena vesatra ho an’ny kitapom-bolam-panjakana io fanampiana ara-bola io. Nisy fifampiraharahana natao mba hanamaivanana ny fanampiana amboniny avy amin’ny fanjakana mankany amin’ny mpandraharaha tamin’ny volana mey 2018, araka ny voalazan’ny fifanarahana tamin’ny FMI mahakasika ny fanamorana malalaka ny fitrosana (FEC). Nisy fifanarahana an-tsoratra voasonia izay manafoana ny sorabola mitentina 100 lavitrisa ariary tokony ho naloan’ny mpandraharaha tamin’ny FER. Amin’ny ankapobeny dia ampahany kely fotsiny ihany tamin’ny mponina, dia ireo izay azo lazaina fa manan-katao, no nahazo tombontsoa tamin’ny fanampiana faobe natao; kanefa dia 0,5% an’ny PIB no natokana ho amin’izany tamin’ny 2014 sy 2015. Taorian’izay dia nisy fihenana ny vidin’ny barikan-tsolika tany ivelany, ary nasiana fanamboarana ny vidiny teny amin’ny tobim-pivarotan-dasantsy nihetsika ny vidiny teny amin’ny tobim-pivarotan-dasantsy nanomboka tamin’ny volana desambra 2018, tsy nampiharina ny “vidiny marina” mba ahazoana miala amin’ny fiakarana na fidinan’ny vidiny be loatra. Raha ny tena marina dia nahazoana nampihemotra fotsiny ny fisondrotan’ny vidin-tsolika io tetik’ady io, ary nampiavosa ny trosa tamin’ny mpizara solika. Vokatr’izany dia nitombo tamin’ny taon-dasa ny elanelana teo amin’ny ‘vidiny ambony indrindra ho an’ny mpanjifa’ eny amin’ny tobim-pivarotan-dasantsy (PMAP) sy ny ‘vidiny voakajy iaingana’ (PRC).

Ny vidiny teny amin’ny tobim-pivarotan-dasantsy dia nijanona tao anaty fotoana maharitra ho ambany noho ny PRC, ary io no nanamora ny fisondrotan’ny Brent sy ny fihenan’ny sandan’ny ariary. Andrasana ilay rafi-bidy vaovao mba hahazoana mandoa ny trosa amin’ny mpandraharaha ara-tsolitany. Manangana rafitra mifandanja ho an’ny mpamatsy sy ny mpanjifa, izany no lokanady. Tsy voatery hifanindra-dalana amin’ny finiavan’ny filoha hampihena ny vidiny anefa izany.

Tafahoatra loatra ny fanombanana

Raha miohatra amin’ny fanjifan’ny firenena isam-bolana dia mahazo tombony 12 lavitrisa ariary eo ho eo isam-bolana ny kompanian-tsolitany.” Mahazo amin’ny tsy rariny tombony 392,52 ariary isaka ny litatra ny mpandraharaha ara-tsolika”, araka ny fanadihadiana nataon’i Hery Ramiarison, mpahay toekarena. Manambara ihany koa ny vondron’ny mpahay toekarena Crem (Cercle de réflexion des économistes de Madagascar) fa ara-teknika dia azo atao ny midina hatramin’ny 198 ariary.”Mendri-piderana ny ezaka ataon’ny governemanta hanoy hatrany ny fanavaozana ny famerana ny vidin-tsolika; vidin-tsolika azo hiafina sy famatsiana solika azo antoka sy tsy manavesatra ny kitapom-bolam-panjakana no katsahana, hoy i Natasha Sharm. Misy tokoa ny fiheverana fa notombanana ho avo kokoa noho ny tena zava-misy marina ny masonkarena araka ny rafi-bidy misy ankehitriny, araka ny vokatry ny fanarahamaso ny kaonty nataon’ny Beicip Franlab ho an’ny Banky iraisam-pirenena mahakasika ny tombom-barotra azon’ny mpandraharaha ara-tsolitany. Manambara ilay fanadihadiana fa azo atao ny mampidina 17% ny tombom-barotra. Io no heverin’ny fanjakana fa fomba iray ahazoana mampidina ny vidiny, manohana azy amin’izany ny Banky iraisam-pirenena. Nanolo-kevitra ny Banky Iraisam-pirenena tao amin’ny ‘fanamarihana momba ny toe-draharaha ara-toekarena’ navoakany tamin’ny volana avrily hoe “Ampiharina ny rafitra ahazoana manitsy ‘vidiny mandeha ho azy’, ahena ny ‘fandaniam-bola raikitra’, ampiroboroboana ny fifaninanam-bidy arahana fandrindrana tena izy, ary arovana amin’ny vidiny midangana ny mahantra”. Tsy ela nefa dia tonga ny valin-kafatra. Nanoratra taratasy tany amin’ny Banky Iraisam-pirenena ny Vondronan’ny mpandraharaha ara-tsolika eto Magadasikara (GPM) ka nanambara tamin’alahelo “fa misy sokajina masonkarena tsy nomen’ny Banky Iraisam-pirenena lanjany, na dia tena manandaja tokoa aza izy ireny. Ny GPM dia tsy afaka naneho ny tena petrak’olany marina tao amin’ny saha-panadihadiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena, izany anefa dia nety ho nahafahana namaritra marina ny hadirin’ny tombom-barotrany izay tokony faritana amin’ny alalana masontsivana izay mamela azy hijanona ao anatin’ny fari-pihariana mamokatra sy azo ekena raha oharina amin’ny hadirin’ny masonkarena.”

Ilay saritsarim-panalalahana

Zary iadian-kevitra ihany koa ny mahakasika ny fifaninanana misy eo amin’ireo mpandraharaha ara-solitany miisa efatra izay tsapa fa mifankahazo tsara. Miatrika saritsarim-panalalahana ny tsenan-tsolika i Madagasikara, tsy araka ny voalazan’ny lalàna lah. 2004-003 tamin’ny 24 jona 2004. Nisy kompania iray nampidina ny vidin-tsolikany miohatra amin’ny mpifaninana taminy tamin’ny 2008, tsy naharitra ela nefa izany satria vetivety foana dia nofenoiny ilay elanelana; nanomboka teo dia nampifandrifiana hatrany ny vidiny. Koa satria vitsy ry zareo mpandraharaha no mivarotra solitany (izany hoe ambany ny tolotra), kanefa maro dia maro ny mpividy mitady solitany (izany hoe ambony dia ambony ny tinady), dia mora ho an’ny mpandraharaha ara-tsolitany ny mifampiresaka sy mamaritra araka izay tiany ny vidin-tsolika. Mety afaka hanova rasa ve ny fanomezana alalana ny vondrona Sodiat hanafatra solitany, vondrona izay i Mamy Ravatomanga, mpandraharaha akaiky ny filohan’ny repoblika, no tompony ? Tsy azo antoka velively izany. “Tsy zava-mora ny fampiasam-bola any amin’ny sehatry ny fitsinjarana solitany. Misy sakana sasantsasany ara-pitantanana sy eo amin’ny lafiny fandraharahana tsy mamela ny mpandraharaha vaovao hirotsaka ao amin’io sehatra io. Mihamitombo hatrany ny olana atrehan’ny mpikambana ao aminay”, hoy ny fitarainan’i Martin Rakotozafy, filohan’ny Vondron’ny matihanina amin’ny fitantanana malalaka ny tobim-pivarotan-dasantsy (GPGLSS). Marihintsika etoana fa mahalana dia mahalana ireny mpitantana tobim-pivarotan-dasantsy ireny vao mba mandray fitenenana. Hatramin’izao aloha dia nifarana tamin’ny ady sahala ny fifampitsapan-kery teo amin’i Andry Rajoelina sy ny mpandraharaha. Na izany aza nefa dia nanao teny somary mandrahona ny ministry ny angovo sy ny rano ary ny akoranafo, Vonjy Andriamanga, tamin’ny voalohandohan’ny volana jona hoe “hisy fanapahan-kevitra horaisin’ny fanjakana samirery raha toa ka tsy afaka hahita marimaritra iraisana isika.”

Van-Lee Behaja

Tombony ho an’ny kaompanian-tsolitany :
100 dollars isaky ny m3

Tombony ho an’ny orinasa misahana ny fanatobiana ny solika mialohan’ny itsinjarana azy:
10,81 dollars isaky ny m3

Tombony ho an’ny tobin-dasantsy :

20 dollars isaky ny m3

Tataonketra aloan’ny kaompanian-tsolitany any amin’ny Fonds d’entretien routier :5 ariary isaky ny litatra