Tafatafa tamin’i CHRISTINE RAZANAMAHASOA

CHRISTINE RAZANAMAHASOA,
Solombavambahoaka lany tany Ambatofinandrahana; Filohan’ny antenimierampirenena

« Na dia ambany aza ny tahan’ny fandraisana anjara tamin’ny fifidianana dia voafidy tamin’ny ara-drariny izahay »

Anisan’ny tanan’ankavanan’i Andry Rajoelina i Christine Razanamahasoa, ary lany ho filohan’ny Antenimierampirenena izy. Voafidy mora foana izy tany amin’ny fari-pifidianana misy azy. Mpikatroka mahatoky izy. Heverina fa ‘valim-piakarana fidinana’ ho azy izao fiverenany ao amin’ny Antenimierampirenena izao. Nihaona taminy izahay, nisavasava ravina mahakasika  ny maroanisa izay toa efa hita soritra fa ho ‘vonimboasary’, nanadihady ihany koa mahakasika ireo lohahevitra hafa mafanafana izay miandry mandritra izao dimy taona faharoa an’ny antenimieran’ny repoblika fahefatra izao.

Ny IRD no nahazo ny maroanisa ao amin’ny Antenimierampirenena araka ny vokatra vonjy maika navoakan’ny CENI. Hisy tokoa ve ny fialana tanteraka amin’ny fomba fanao politika teo aloha?

Eny no valiny. Nitory fiovana aho. Ny asa hotanterahako dia mikendry ny hanakatra sy hahatratra ny tanjona nimatimatesako niaraka tamin’ireo solombavambahoaka miisa 73 izay nitolona teo amin’ny ‘kianjan’ny 13 mey’. Nisafidy fiovana ireo solombavambahoaka 73 ireo. Nisafidy ny hampitsahatra ny fanao mamoafady izy ireo, toy ny fampiasana malette (kitapo feno vola) tao amin’ny Antenimierampirenena. Ekena fa mbola an-dalam-pianarana demokrasia isika; ny fametrahana fanjakana tena tan-dalàna kosa anefa dia mitaky fiovana, ka atomboka amin’ny fijoroana amin’ny fahamarinana ao amin’ny Antenimierampirenena izany. Niady tamin’ny kolikoly sy fomba fanao hafa izahay. Tsy maintsy atrehina ihany koa ny ady amin’ny ‘moramora’ misy eo amin’ny solombavambahoaka. Ny Antenimiera dia tokony ho mavitrika sy mamokatra bebe kokoa eo amin’ny sahan’asa fanaovana lalàna.

Manao fanofanana ho an’ny mpanampy solombavambahoaka, mijery akaiky ny mahakasika ny isan’ny mpiasan’ny Antenimierampirenena… Olompirenena sy mpanara-maso ary solombavambahoaka maro no mitaky fanavaozana ao amin’ny Antenimierampirenena. Hiroso amin’izany ve ianao?

Tsy maintsy tanterahina ny fanatevenana ny fahaiza-manaon’ny mpanampy solombavambahoaka sy ny fanitsiana ny isan’ny mpiasa ao amin’ny Antenimierampirenena raha tiantsika ny hanana antenimierampirenena malagasy itokisan’ny olona tahaka ny any amin’ireo antenimierampirenen’ny firenena hafa izay mampihatra ny tena demokrasia repoblikanina. Ny mpanampy solombavambahoaka dia tsy natao ho mpampita hafatra na mpanatitra taratasy fotsiny akory ka alefa mamita iraka etsy sy eroa. Tokony ho mpitari-dalana ny solombavambahoaka eo amin’ny lafiny lalàna izy ireo, hanampy ara-poto-kevitra ny solombavambahoaka ary ho mpanolotsainan’ny solombavambahoaka. Ny saham-pahalalan’ny olom-boafidy mantsy dia tsy voatery hifanentana amin’izay heverina na mety ho tokony ho izy amin’ny maha-solombavambahoaka. Efa nisy fotoana tao amin’ny Antenimierampirenena izay nametrahako fa tokony mba ho faritana ihany ny fari-pahalalana ambany indrindra ahazoana milatsaka ho fidiana ho solombavambahoaka, saingy tsy noraisina moa izany sosokevitra narosoko izany.

Ny fifandraisana misy eo amin’ny solombavambahoaka sy ny mpandraharahan’ny Antenimierampirenena dia ahitana mazàna fa tsy sahy mangata-panazavana amin’ny solombavambahoaka ny mpandraharahan’ny antenimierampirenena. Tsy ny solombavambahoaka mihitsy no handeha hanatona ny mpandraharahan’ny antenimierampirenena; misy aza mihevitra fa tsy ampy fanetretena ny solombavambahoaka. Hanao ahoana no ho fandehan’ny fiarahamiasanao amin’ny solombavambahoaka sy ny mpandraharahan’ny antenimierampirenena?

Voafidy tamin’ny ara-drariny ny solombavambahoaka. Izany no azo anazavana ny fihetsiky ny solombavambahoaka manoloana ny mpiasan’ny fandraharahana ao amin’ny Antenimierampirenena. Mihevitra ny solombavambahoaka indraindray hoe “Ianareo dia tsy voafidy, izaho anefa dia voafidy. Misolotena ny vahoaka aho. Manaiky tanteraka ny fahefako ny vahoaka, mpanao lalàna ihany koa aho ankoatra izany”. Tsy tokony hohadinoin’ny solombavambahoaka nefa fa ilaina ny fifehezana ny lafiny teknika, ary misy farafahakelina teknika tokony ho voafehy. Ny hendry hono mody voky fa ny adala manesika ihany…, misy fatrany avokoa ny zavatra rehetra na ahoana fomba fijery na ahoana. Ny fahazoana vokatra tsara hatrany, izany no tanjona.

Voaresakao teo ny maha-voafidy tamin’ny ara-drariny ny solombavambahoaka. Dia tena voafidy tamin’ny ara-drariny tokoa ve ianareo raha oharina amin’io taham-pandraisan’anjara kaozatra kely io?

Raha itodihana ny lasa dia ambony lavitra hatrany ny tahan’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika raha miohatra amin’ny tahan’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka teto Madagasikara. Miverimberina hatrany io. Tsy maintsy sedraina anefa ny faneken’ny mpifidy na tsy faneken’ny mpifidy ny fandraisana toerana ao amin’ny Antenimierampirenena, ka amin’ny alalan’ny fifidianana no anaovana izany na tsy ambony mankaiza aza ny tahan’ny fandraisana anjara amin’izany fifidianana izany. Ny tsy fahafantaran’ny olompirenena ny zo sy andraikiny no olana. Tsy mitovy ny zotom-pon’ny Malagasy hifidy filohan’ny repoblika sy hifidy solombavambahoaka. Misy nefa fari-pifidianana sasantsasany izay nahitana taham-pahavitrihana ambony, ohatra amin’izany ny tao amin’ny kaominina Ambatofinandrahana raha ampitahaina amin’ny an’ny kaominina manodidina. Manome lanja bebe kokoa ny asany andavanandro noho ny fandehanana mifidy ny mpifidy, indrindra fa ireo mpifidy any ambanivohitra.

Heverinao ve samy tomponandraikitra amin’izao olompirenena mitsoa-pahana izao ny firaisamonim-pirenena sy antoko politika etsy an-daniny, ary ny fanjakana etsy an-kilany?

Heveriko fa tena samy tokony handray ny andraikitra tandrify azy momba ny politika sy ny maha-olompirenena ny tsirairay. Tsy mora ny manentana ny sarambabem-bahoaka sy ireo sarambaben’ny olompirenena midongy tsy miteny, na dia tsy betsaka aza izy ireo. Fa anjaran’ny olom-boafidy kosa nefa, olom-boafidy izay efa neken’ny mpifidy hiditra ao amin’ny Antenimierampirenena, no mampiseho fahavononana hanentana indray ireo sarambaben’ny olompirenena izay midongy tsy miteny ireo. Inona moa izany no mety hamerina indray ny fientanan’izy ireo? Ny fanatanterahana ireo tetikasa na fandaharan’asa izay nampanantenaina fa ho tontosaina. Aoka tsy ho hadinointsika fa na tsy miteny sy midongy tsy mety handray anjara aza izy ireo, dia manara-maso tsara kosa hoe misy tokoa ve ny asa mivaingana notanterahana. Raha toa izany ka misy zava-bita mivaingana sy ara-potoana dia hivoaka amin’ny fahanginany sy handray anjara tsikelikely sy tsimoramora izy ireo.

Ny mpifidy sy ny olompirenena, eny fa na dia ireo izay tsy nandeha nifidy aza, dia hanara-maso anareo. Ahoana no fomba hitantananao ny fisian’ireo solombavambahoaka izay matetika tsy tonga mivory? Mba hanaraka fitsipika amin’izay ve ianareo? Efa azonao atao tsara mantsy izao ny manetsika miaraka ny vondron’ireo olomboafidy miaraka amin’ny filohan’ny repoblika. Hametraka fitsipika mazava mahakasika izany ve ianao?

Mahasorena io tsy fahatongavana mivory io. Tokony hampitaina tsara amin’ny solombavambahoaka ny dikan’ny hoe fandraisana andraikitra rehefa mandany ireo lalàna izay dinihana ao amin’ny Antenimierampirenena izy ireo. Mila fanatevenana ihany koa ny fahaiza-manaon’ny solombavambahoaka, azo iarahana manatontosa miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola izany. Mba tokony ho tongasaina ihany koa ny solombavambahoaka mahakasika ny tena anjara andraikitr’izy ireo. Misolo tena an’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy izy ireo. Fametrahana fitsipika mampandray andraikitra, fa tsy jadona, no tsy maintsy hajoro.

Mamolavola fehezam-pitsipika momba ny toetra fototra sy ny fitandroana ny hasin’ny asa maha-solombavambahoaka (code d’éthique et de déontologie des députés) ny Comité pour la sauvegarde de l’intégrité (CSI) miaraka amin’ny tantsoroky ny PNUD sy ny antenimiera roa tonta. Iza no hiantoka ny fanajana an’izy io, tsy ao anaty sahan’ny lalàna mantsy izy io fa tafiditra any amin’ny lafiny moraly? Hitantsika tsara mantsy fa voahitsakitsaka hatrany ny fitsipika anatiny nandritra ny fotoana niasan’ny solombavambahoaka teo aloha.

Voalohany aloha dia tsy atao ny manao fampitahana na maka ho maridrefy ny teo aloha, satria nifangaro voraka daholo ny zava-drehetra tamin’izany. Voahitsakitsaka ny fenitry ny fisaraham-pahefana: nisalovana an-karihary ny asan’ny mpanao lalàna ny fahefana mpanatanteraka, ny mpanao lalàna kosa dia teo ambany fibaikon’ny fahefana mpanatanteraka ka zary vata fandrotsahan-taratasy fotsiny ihany. Anisan’ny tena anton-javatra niteraka ny fihetsiketsehan’ny solombavambahoaka 73 nitaky fanovana izany. Arahabaiko ny fisian’ny fehezam-pitsipika momba ny toetra fototra sy ny fitandroana ny hasin’ny asa maha-solombavambahoaka. Ety am-boalohany anefa dia tokony hampahafantarina ny solombavambahoaka fa ny fehezam-pitsipika na lalàna izay nofidiana dia tsy maintsy hajaina. Tsy ampy ny fahazoana toerana ao amin’ny Antenimierampirenena, ny mpifidy mantsy no nanaiky anay ka nahatonga anay ho solombavambahoaka. Tsy azona mpanao lalàna atao ny mampiseho fihambahambana eo amin’ny fanajana ny lalàna velona.

Niresaka momba ny fanaovan-dalàna tao amin’ny antenimiera teo aloha ianao, raha tsy misy fiovan-javatra dia ny IRD no ho maroanisa ao amin’ny Antenimierampirenena. Tsy mety hitarika fanosihosena ny fisarahan’ny fahefana ve io fandehan-javatra io ka mety hahatonga ny Antenimierampirenena ho zary vata fandrotsahan-taratasy sy efitra fandraisam-peo fotsiny sisa?

Ny filohan’ny repoblika dia voafidy noho ny politikany izay mitodika amin’ny fanovana ireo fomba fanao izay nanakana ny fametrahana ny tena demokrasia repoblikanina marina. Heveriko fa raha manohana ny fanatontosana ny ‘velirano nataony’ izahay dia tsy hahazo toerana ao amin’ny antenimiera intsony ireo fomba fanao teo aloha. Izaho dia mpianatry ny demokrasia repoblikanina tena mafana fo. Mino aho fa tsy hisy fihemorana raha toa ka izahay no ho maroanisa ao amin’ny Antenimierampirenena.

Ahoana no hitantananao ny solombavambahoaka tsy miankina sy ny hiasanao miaraka amin’izy ireo?

Izany no antony niezahanay hahazo ny maroanisa. Marin-toerana ny maroanisa, ny andininy faha-72 ao amin’ny Lalàmpanorenana no mifehy azy. Misy anefa ny olana noho ny fisian’ny tsy miankina. Ny firotsahan-kofidian’ny solombavambahoaka tsy miankina dia manamora ny famadihana palitao sy ny fifindra-monina politika. Izy ireo dia hanangana vondrona parlemantera, izay tsy maintsy ihany koa hampihatra sy hanaja ny andininy faha-72 ao amin’ny Lalàmpanorenana. Fifanarahana ara-politika no ahazoana mifehy sy mitantana ny solombavambahoaka tsy miankina sy ny vondrona parlemantera.

Ho avelanao hilaza ny heviny sy hametraka an-kalalahana ny rafitra maha-mpanohitra azy ao amin’ny Antenimierampirenena tokoa ve ny mpanohitra?

Ny filohan’ny mpanohitra, araka ny Lalàmpanorenana, dia mandray toerana filoha lefitry ny Antenimierampirenena, ary mahazo toerana sy mitantana fivoriana ery aloha izy. Ao anatin’ny demokrasia repoblikanina tena izy izany. Tsy azonay tampenam-bava ny mpanohitra. Amin’ny alalan’io lalao demokratika io no hahitana raha mahavita miatrika fanoherana matanjaka ny fitondrana na tsia.

Mahakasika lafin-javatra iray manokana: moa ve ianareo hankatoa ny ‘lalàna mifehy ny fanagiazana ny harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna’, eny fa na dia mety hanohintohina sasantsasany amin’ireo olona manodidina ny filoha, na ny filoha mihitsy aza izany?

Na ahoana na ahoana dia nisafidy ny hanangana fanjakana tan-dalàna izahay. Ny fanajana ny rariny sy ny lalàna no miantoka ny hahamarin-toerana ny fitondrana. Tsy hitako izay antony tokony tsy handanianay io lalàna momba ny fanagiazana ny harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna io.

Ahoana ny hevitrao mahakasika ny mety hahazo ny solombavambahoaka teo aloha? Ny fanadiovana dia anisan’ny antoky ny fahombiazana sy ny firosoan’ny demokrasia repoblikanina tena izy. Ho kitihinao ve ny momba ilay ‘tsy maha-matimanota’ ny solombavambahoaka izay misy manakiana mafy? Misy hanesoranao ve ny tombontsoa efa azon’ny solombavambahoaka hatrizay ka nanararaotany an’io tsy maha-matimanota azy io?

Raha jerena tsara ny voalazan’ny lalàna mahakasika ny hoe ‘tsy maha-matimanota’ ny solombavambahoaka dia heveriko fa voafefy tsara izy io. Mety hitera-doza ny ‘tsy maha-matimanota’ diso tafahoatra. Amiko ny fepetra voalazan’ny lalàna dia tena arofanina tokoa.

Nangonin-dRaoto Andriamanambe

 

Leave a Reply

Your email address will not be published.