Resadresaka tamin’i Noroarisoa Ravaozanany

« Vonona handany vehivavy ny mpifidy »

Nitombo an-dalana ny fahazoan’ny vehivavy toerana eny anivon’ny rafitra politika, ka singanina amin’ireny ny ao amin’ny antenimierampirenena, taona vitsivitsy izao. Na izany aza, mbola ilàna ezaka ny fampitoviana lenta ny lahy sy ny vavy eto amin’ny firenena, ka mitondra ny heviny momba izany Ravaozanany Noroarisoa.

Manao ahoana ny fahitanao ny fivoaran’ny resaka miralenta eo anivon’ny antenimierampirenena ?

Mihevitra aho fa nahitam-pandrosoana io lafiny miralenta io nandritra ny fotoam-piasana farany teo. Lany teo anivon’ny antenimierampirenena ny lalàna mikendry ny fanitsiana momba ny tsy fitovian’ny maha lahy sy maha vavy ka anisan’ny famantatra hita maso sy azo tsapain-tanana izany. Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara ny nivoahantsika tao anatin’ny lisitr’ireo firenena 27 izay tsy manaiky ny hampitan’ny vehivavy ny zom-pireneny amin’ny zanany (2016). Nanao ezaka lehibe tamin’ny fanatsarana ny fehezan-dalàna momba io zom-pirenena io ny antenimierampirenena. Teboka miabo iray mbola hahazoany sitraka koa ny fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny fampanarahan-dalàna ny fanalan-jaza noho ny antony ara-pitsaboana, saingy nolavin’ireo Loholona izany. Nisy koa ny fametrahana ny kaomisiona momba ny miralenta teo anivon’io andrimpanjakana io hatramin’ny taona 2009, ankoatra ny fametrahana sehatra fifampidinihana sy fifandresen-dahatra momba ny miralenta tamin’ny taona 2014.

Na izany aza, mampihitsoka antsika hatreto ny fahamaroan’ny isan’ireo lehilahy mandrafitra io andrimpanjakana io nandritra ny 30 taona. Nielina toa ny zavona ihany, ohatra, ny fotoana naha filohan’ny antenimiera an-dRazanamahasoa Christine, ny fiantombohan’ny taona 2014, saingy nahitana taratra ny fifandanjana teo amin’ny lahy sy ny vavy ny firafitry ny birao maharitra, izay azo raisina ho isan’ny naningana hatramin’izay. Tsy nisy afa-tsy vehivavy roa sisa no tafiditra tao amin’ilay birao nandimby azy ireo. Ambonin’izany, ny fihodin’io andrimpanjakana io sy ny fomba fiasa ao dia tsy niova mba hahazoana mampiroborobo ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy hiditra ao anatiny: ny fifidianana amin’ny alalan’ny tsangan-tanana, ny fitsipika anatiny izay tsy mamaly ny filàna tsy mitovy eo amin’ny lahy sy ny vavy. Na izany aza, tsikaritra fa nisy fandrosoana ny firotsahana an-tsehatry ny vehivavy mankao amin’ny antenimierampirenena.

Inona avy ireo ezaka tokony hatao mba hisian’ny fifandanjana ao amin’io ANTENIMIERA IO ?

Efa fandrosoana goavana aloha ny taha 21%-n’ny vehivavy solombavambahoaka lany tamin’ny taona 2014. Tamin’ireo fotoam-piasana teo aloha, tsy mbola nihoatra ny 10% io salanisa tao Tsimbazaza. Mitaky fahamalinana koa anefa ny mbola tsy fisian’ny lalàna manery ny antoko politika handrotsaka vehivavy ho fidiana. Ahiana noho izany ny hahafaty momoka ny ezaka efa vita, ka hiverenana indray hatrany am-piandohana. Nanome lesona betsaka antsika ny fifidianana solombavambahoaka natao farany tamin’ny 2013. Voamarika fa nanao tsy omby aloha ny fahavitrihan’ny vehivavy nilatsaka ho fidiana ( vehivavy ny 14% tamin’ny lisitr’ireo tsy miankina), raha mbola tsy nahazo volon-tany tao anatin’ny antoko politika kosa ny kolontsain’ny fimirana (12,6% monja no vehivavy tamin’ireo lohalisitra natolotr’ireo antoko). Mbola vokatry ny fifampidinihana tamin’ireo lehiben’antoko aza no nahazoana izany, na koa tamin’ny alalan’ny atrikasa nifampizarana hevitra tamin’ireo kandidà vehivavy matanjaka sy ny antoko, na koa tamin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo andriambavilanitra mpirotsaka ho fidiana sy ny fampielezan-kevitra nataon’izy ireo… Nahatratra 1059 ny isan’ny vehivavy kandidà tamin’ny 2013 raha toa ka mbola tsy nisy afa-tsy 259 izany tamin’ny 2007. Azo lazaina ho ambony ny tahan’ny fahombiazana satria 12% izany ho an’ny vehivavy raha 6% kosa ho an’ny lehilahy. Manana fahavononana hampandany ny vehivavy tokoa ve anefa ireo mpifidy. Ary ny antoko politika koa ve manana fahasahiana hanolotra azy ireny amin’ny olom-pirenena?

Inona avy ireo mety sakantsakana ?

Tsindriako manokana eto ny anjara andraikitra lehibe tazonin’ny antoko politika. Andry voalohany hahafahana miditra amin’ny fahazoana toeram-panapahan-kevitra izy ireny. Amin’ny maha rafitra ianteheran’ny mpanao politika azy, afaka mamorona tontolo mendrika hahazoana manome vahana ny fandraisan’anjaran’ny lahy sy ny vavy amin’ny fahazoana fahefana izy. Na koa ny mifamadika amin’izay. Toy izao ny nambaran’ny lehiben’antoko politika natoninay nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo : « ny vehivavy ? Tsy zava-dehibe aminay izany. Ny imasoanay izao dia ny hahazoana fandresena bebe kokoa amin’ny kaominina maro ». Mbola milasitra foana any amin’ny fisainana ny fiheverana fa misy ny maodely firotsahana ho fidiana mpandresy ! Ambarako mahitsy fa ny kandidà lehilahy hatrany no heverina ho babany ho an’ny ankamaroan’ny antoko politika ary tsy azo hadinoina fa vitsiana ny vehivavy no mitana andraikitry ny mpitarika eo anivon’izy ireny. Zara raha misy 5 % izy ireo no lehiben’antoko fa ny 20 % izay fantatra ankehitriny dia mitazona ny toeran’ny sekretera jeneraly. Manampy trotraka izany ny antony hafa tahaka ny faharefoan’ny loharanom-batsin’izy ireo na ara-bola na ara-pitaovana ka tsy hahazoany manampy tosika ny fampielezan-keviny mandritra ny fifidianana, ny tambajotra azo homen-danja amin’ny politika, eo koa ny olany amin’ny lafiny fotoana manoloana ny andraikiny eo anivon’ny fianakaviany, ny lafiny fanabeazana an-tsekoly sy amin’ny politika…

Vahaolana sy fanamby heverinao fa hahazoana mioitra ?

Fanamby goavana aloha ny fanovàna ny fisainana sy ny fiheverana izay vato misakana ny fametrahana ho laharam-pahameham-pirenena ny fampimirana ny lahy sy ny vavy ary ny fizakan-tenan’ny andriambavilanitra sy ny zazavavy. Mbola mitoetra ho olana hatrany eto amin’ny firenentsika izany. Ilaina ny fandraisana fepetra samihafa hahazoana manova ireo fomba fanao ara-piarahamonina sy ara-kolontsaina izay mbola miaty fanavakavahana, ary eo koa ny rafi-pitsarana sy politika ary ny dingana samihafa. Mitaky fepetra marolafy sy paikam-panatonana manome vahana ny fitsinjarana ny fahefana, ny otrikarena sy ny anjara andraikitra am-pianakaviana eo amin’ny vavy sy ny lahy izany. Anisan’ireny, ohatra, ny fametrahana lalàna momba ny fampitoviana lenta ny lahy sy ny vavy eo amin’ny fahafahana misolontena (tsy latsaka ny 40% nefa koa tsy mihoatra ny 60% ho an’ny roa tonta). Fitaovana ilaina indrindra izany amin’ny fitondrana fanovàna ao anatin’ny ezaka mankadiry eto amin’ny firenena mikasika ny fampimirana ny lahy sy ny vavy ary koa ny zon’ny vehivavy. Ny lalàna toy ireny no hahazoana mitaratra ny finiavana politika hampiroborobo ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy any anatin’ny rafitra mpanapa-kevitra. Tsy am-pisalasalana no ilazako fa mila manara-dia ireo firenena efa niroso tamin’izany isika satria iaraha-mahalala ny voka-tsoa aterany ho an’ny olombelona sy ny lafiny fampandrosoana.

Nototosain’i Julie Raharisoa