Fikaramana, adihevitra mahakasika ny fisondrotan-karama

Home Toe-karena Fikaramana, adihevitra mahakasika ny fisondrotan-karama
Fikaramana, adihevitra mahakasika ny fisondrotan-karama

Anisan’ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny repoblika nandritra ny fampielezan-kevitra ny fisondrotan-karama. Nasondrotra ny karama farany ambany isam-bolana andraisana mpiasa eto Madagasikara. Maro ny vokatra naterak’izany.

Zomà 31 mey 2019. Manoloana ny vavahadiben’ny faritra afaka haba iray eny Tanjombato izay natokana ho an’ny orinasan’ny tao-java-baventy eto an-drenivohitra. Manondro amin’ny dimy hariva ny oram-pamataranandro. Faran’ny volana ny andro. Mirava ny mpiasa. Fanina izy ireo mahita ny taratasy fandraisan-karama tsy nahitam-piovana. Nanantena mantsy ry zareo fa efa nihatra ilay fisondrotana.

Ora ambony ampanga

«Tsy nanazava na inona na inona taminay ny sefonay. Nitovy tamin’ny karama noraisiko tamin’ny volana lasa teo ihany ny karamako izao. Nanantena nefa aho mba hahazo fara-faharatsiny 45 000 Ariary amboniny. Io no elanelan’ny karamako ankehitriny amin’ny 200 000 Ariary nampanantenain’ny fanjakana”, hoy ny fanazavan’ilay mpiasa vavy iray izay sorena mafy. Mampiditra anaty fonosana ireo vokatra izay vokarin’ny orinasa no asa sahanin’i Nanie. Tsy afaka manao ora ambony ampanga izy satria mitondra vohoka. Ny mpitsabo misahana ny asa no nandrara azy tsy hanao izany nanomboka tamin’ny telovolana voalohany. Fito volana ny kibony izao. Efa telo volana mahery izany izy izao no mivelona amin’ny karama 150.000 Ariary. Vola amin’arivony maromaro no nokasain’ity vehivavy mitondra vohoka ity mba hitsenany ny fahaterahan’ny zanany; indrindra moa fa tsy handray afatsy ny antsasa-karamany izy manomboka amin’ny volana manaraka: hiato amin’ny asany satria mantsy izy hiatrika fiterahana. Amin’ny ankapobeny dia mahasarona ny filàko isam-bolana ny karamako, tsy mihoatra an’izay anefa”, hoy izy manganohano. Tsy mbola amin’ity volana ity izany no hiova.

Antso vonjy

“Miandry ny didy fampiharana izahay vao afaka mampihatra azy. Ho an’ny orinasanay dia mampitombo 3 000 000 Ariary ny karama aloanay isam-bolana izao fampiakarana karama izao. Mazava araka izany fa satrinay raha mihemotra ny fampiharana an’io fepetra io”, hoy i Edvin Mamiharison, talen’ny fitantanambola sy ny mpiasa ao amin’ny orinasa iray miasa eo amin’ny sehatry ny fanadiovana izay vao taona iray izao no niorenany. Ho an’ny orinasa tahaka itony dia “ sarotra ny mamerina ny kaonty, mbola tsy voaefanay mantsy ny vola nampiasainay dia izao sahady izahay dia voatery handoa vola hafa indray. Tokony mba hojeren’ny fanjakana ny fomba hanohanana ny orinasa vao miforona. Mila tolo-tanana izahay sao ho rendrika” hoy izy, toa miantso vonjy. Tamin’ny 29 mey no namoahan’ny fitondram-panjakana ny didy fampiharana ka nametra ho 200 000 Ariary ny karama farany ambany andraisana mpiasa eto Madagasikara. Tamin’ny faran’ny volana mey izany ilay fepetra dia tokony efa nampiharina, tsy nisy akony firy toy ny tamin’ny fanambarana azy anefa ny fampiharana azy. Nisy fifampiraharahana nifanaovan’ny mpampiasa sy ny sendikà ary ny fanjakana tamin’ny 29 aprily. Nanambara ny filohan’ny repoblika tamin’izany hoe « Fampanantenana iray nataoko nandritra ny fampielezankevitra io ary tsy mantsy tanterahako. Afaka manatsara ny fari-piainan’ny fianakaviana malagasy sasantsasany izany ».

Vesatra zakain’ny orinasa

Tamin’ny fomba samihafa no nandraisana an’io vaovao io, arakaraka ny fomba fijery sy ny toe-java-misy. Misy tompon’orinasa sasantsasany milaza fa mavesatra loatra ho an’ny orinasan’izy ireo io. ”Rariny sy hitsiny io fepetra io, tena sarotra ho anay mpanao asa-tanana kosa anefa ny manaraka azy. Tsy manana fahaiza-manao tahaka ireo taojaobaventy izay afaka manao fanaka maro mitovy izahay. Tsy hitovy fahefana ara-bola amin-dry zareo izahay na oviana na oviana”, hoy ny fitarainan’Iarinaivo Miadantsiory Andriamahandrisoa, izay miasa any amin’ny sehatra fanamboarana fanaka avy amin’ny hazo efa nampiasaina. Ny mety aminy dia ny fanakaramana mpiasa arakaraka ny asa vita. Tsy asiana resaka intsony izany ny fanakaramana. ”Noho io fanakaramana ifanarahana io dia mahazo betsaka kokoa noho ny tamin’ izy ireo nokaramaina isam-bolana ny ankamaroan’ny mpiasa ato amiko”. Manana mpiasa maharitra telo sy mpiasa karamaina valo io tompon’orinasa madinika io.

Fepetra vaovao

“Ny fanondrotana ny karama ho 200 000 Ariary dia tsy nisy fiantraikany firy teo amin’ny andavanandron’ny olona sy ny toekaren’ny firenena, satria tsy midika velively ho fisondrotan’ny fahefa-mividy izany. Io lafiny io no tokony hamboarin’ny fanjakana”, izany no azo novakiana tany amin’ny tambazotra sosialy taorian’ny nanambarana an’io fepetra vaovao mahakasika ny karaman’ny mpiasa io. Io lojikan’ny fanatsarana ny fahefa-mividy io no lalana izoran’ny fahefana mpanatanteraka. Saingy amin’ny ankapobeny dia tokony ho narahina fepetra hafa ny fanondrotana ny karama farany ambany. “Tokony handray fepetra malaladalaka kokoa ny fanjakana, raha todihana ny fampakarana ny fahefa-mividin-dry zareo Frantsay. Tany Frantsa dia nilaza ny praiministra tamin’ny fiantombohan’ny volana mey fa hahena ny hetra alaina amin’ny fianakaviana sy ny sokajin’olona samy hafa. Ny fiantraikany: 500 ka hatramin’ny 1200 euros no niditra tany amin’ny kitapom-bolan’ny Frantsay tsirairay avy isan-taona. Izany no andrasana amin’ny governemanta fa tsy fanondrotana 10% izay zary very an-kararahana fotsiny any amin’ny TVA sy ny haba ary ny hetra isan-karazany”, hoy i Narindra Rahilalaina, mpianatra mpandalina toekarena. Nahatsiaro ny fanjakana fa tokony hamaivanina ny hetran’ny mpandraharaha: ny karama mihoatra ny 350.000 Ariary ihany no andoavana hetra manomboka izao. Ny adiny 20 voalohany amin’ny ora ambony ampanga ihany koa dia tsy andoavan’ny mpandraharaha hetra. Nasian’ny fanjakana fanalefahana ihany koa ny fifehezana ny fotoana iasana any amin’ny orinasa. ”Ireo fepetra telo ireo dia ahafahanay miaro ny famokaran’ny orinasa”, hoy i Noro Andriamamonjiarison, talen’ny fivondronan’ny orinasa eto Madagasikara (Gem).

Miroso amin’ny lalindalina kokoa

Manoloana izany ny mpiasa mivondrona anaty sendikà dia mitory hatrany ny fifanakalozan-kevitra ara-tsosialy mahakasika ny olan’ny karama. Raha toa ka fisondrotana 5% ka hatramin’ny 10% no nahazatra hatramin’izao, dia 18% kosa no atolotry ny sendikà. Taham-pisondrotana goavana izay heverin’ny mpikambana anaty sendikà fa mbola tsy ampy velively hanondrotana ny fahefa-mividin’ny mpiasa izany. “Tsy mamela ny mpiasa hivoaka ny tokonan’ny fahantrana io karama farany ambany io”, hoy ny fanazavan’i Barson Rakotomanga, sekretera jeneraly an’ny Firaisankinan’ny sendikàn’i Madagasikara, izay ivondronan’ny fikambanana efapolo eo ho eo. “Ho an’ireo olona izay mandray karama mihoatra ny 200 000 Ariary isam-bolana dia miankina amin’ny fifampiraharahana eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa ny fisondrotana, miankina ihany koa amin’ny toebola sy ny toekaren’ny orinasa. Marihina fa io fanapahan-kevitra io dia natao mba tsy hisian’ny mpiasa mandray karama latsaka ny 200 000 Ariary”, hoy i Gisèle Ramampy, ministry ny asa, ny fananana asa, ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy nandamin-dresaka. “Ny fitondram-panjakana dia tsy maintsy manolo-tanana amin’ny mpandraharaha. Tsy maintsy mitondra fanampiana lehibe ho azy izy satria ny vesatra lehibe indrindra ho an’ireny orinasa ireny amin’ny ankapobeny dia ny hetra sy ny haba arotsany any amin’ny fanjakana ary koa ny vidin’ny angovo izay tsy zarizary ny fandraharahana izany”, hoy ny tolo-kevitra avy amin’i Narindra Rahilalaina. Fepetra mbola tsy noeritreretin’ny fitondram-panjakana izany, mbola tsy nanao filazana mahakasika izany izy. Na eo aza anefa izany dia fepetra iray natao indrindra ho an’ny tokan-trano tena madinika ny fisondrotan’ny karama fandraisana mpiasa, eny fa na dia kely sy bitika aza izany fisondrotana izany. Manamarika izany fa misy firosoana amin’ny lalindalina kokoa.

Hilda Hasinjo