Antenimierampirenena, mahazo laka ny haizina !

Home Politika Antenimierampirenena, mahazo laka ny haizina !
Antenimierampirenena, mahazo laka ny haizina !

Andrimpanjakana voalohany tokony ho fitaratry ny mangarahara ny antenimierampirenena. Mbola mijanona ho tompon-trano mihono anefa ny vahoaka hatreto, na ny mikasika ireo parlemantera mandrafitra izany na ny zava-mitranga marina eo anivony.

mifandray amin’ny olona nofidiny hisolontena azy ve ny vahoaka ? Amin’ny alalan’ny inona ? Manao ahoana ny fomba ikirakirain’izy ireo ny volavola sy ny tolo-dalàna ? Miteraka fanontaniana maro any an-tsain’ny olom-pirenena izany, izay mahalana vao hahazoam-baliny, na tsy misy mihitsy aza.

Mitaky finiavana sy fanapahan-kevitra

Mifandrohy tadimpoitra amin’ny atao hoe « demokrasia » ny fangaraharana ! Tsy mandeha ho azy toa ny karatr’i Naivo, noho izany, ny fanasokajiana ny eo anivon’ny antenimierampirenena ho « lapan’ny demokrasia ». Mifanipaka amin’ny zava-misy anefa no hita. Nanamarika izany i Constantin Grund, solontenan’ny Fondation Friedrich-Ebert monina eto Madagasikara. « Tsy tambo isaina amin’izay lazaina fa demokrasia no mijanona ho an-taratasy fotsiny ihany. Ekena fa samy maneho ireo rafitra manara-dalàna izy ireny : toy ny fikarakarana fifidiana, ny fisian’ny antoko politika sy ny sy fisaraham-pahefana,saingy ny famangirana izany ao am-po sy ao an-tsain’ny vahoaka no ahitana lesoka », hoy izy. Manana ny rafitra demokratika azy manokana i Madagasikara ary afa-mitaha amin’ny foto-kevi-dehibe rehetra voizin’io fironan-kevitra lehibe io. Mampivongady ny elanelana misy eo amin’ny tena zava-misy sy ny foto-piheverana kosa ny zava-mitranga eo anivon’ny antenimierampirenena…

Olom-boafidy azo iresahana

Manana rantsa-mangaika misahana ny serasera ny antenimierampirenena, dia ny sampandraharaha miandraikitra ny fifandraisana amin’ny samy parlemantera sy ny fifandraisana (Dric), izay tsy mikely soroka manatontosa ny adidiny. Mba hahazoana mametraka ny mangaraharaha dia nanokatra tranonkala io sampandraharaha io. Vovonana iray azon’ny olom-pirenena rehetra tsidihina io, raha te hahalala ny amin’ny fandaharam-potoana momba ireo fivoriana izy, na ny mombamomba ireo solombavambahoaka sy ny zava-mitranga eo anivon’io Andrimpanjakana io. Ankoatra izay, mitoetra ho mpanalalana sy varavarana misokatra ho an’ny vahoaka eo anivon’ny antenimiera koa ny Dric.

« Hita eo anivon’io tranonkala io avokoa ny torohay sy antontan-kevitra samihafa mikasika ny solombavambahoaka, toa ny anarany, ny faritra nahalany azy, ny kaomisiona sy ny vondrona parlemantera misy azy », hoy Ramatoa Louisette, talen’ny fifandraisana amin’ny parlemantera sy ny serasera. Tsikaritra kosa anefa fa babangoana ny laharana na adiresy hahazoana mifandray amin’izy ireo. Raha nanontaniana momba izany ny Dric dia nilaza fa izay no « toromarika » azon’izy ireo tamin’ireo solombavambahoaka.

Ankoatra izay, mba hahazoana mifandray amin’ireo parlemantera, nisy ny fanomezana adiresy mailaka ilaina amin’ny asa, avy amin’io sampandraharaha io, ho an’ireo solombavambahoaka hahafahany mifanakalo hevitra amin’ireo olom-pirenena. Nidona tamin’ny tolana anefa fa nandamoka ny vokatra ! Mikasika ireo volavola na koa tolo-dalàna mandalo eo anivon’ny antenimiera, ny rijan-teny rehetra, hoy ny Dric, dia azo kiraina fa mila manao fangatahana kosa amin’ny sampandraharaha miandraikitra izany

Fanaovana tatitra

Nisikimponitra sy nanao ezaka goavana mba hanome vaovao ny olom-pirenena ny tomponandraiki-pitantanan’ny antenimierampirenena ; tamin’ny alalan’ny fampitomboana ireo fantsom-pampitan-kafatra sy ny asan-tserasera samihafa. Na izany aza anefa, tsy tafapaka any amin’ny tokony hitodiany izay, fa mijanona eo anivon’io Andrimpanjakana io ihany. Ireo olom-pirenena na ny mpanao gazety liana te hahazo vaovao eo anivon’ny biraon’ny antenimiera eny Tsimbazaza irery ihany anefa no mahazo tombondahiny amin’izany… na tsia. Misy ny torohay sy antontan-kevitra azo kiraina fa ao koa ireo tsy ahazoana alalana malalaka . Miala maina, ohatra, raha te hahalala ny amin’ny karaman’ireo solombavambahoaka na ny lisitr’ireo mpitantsoroka azy ireo. Mila hihoarana anefa izany ary tokony hoheverina ny hanome vaovao ny olom-pirenena rehetra, satria zon’ny besinimaro ny mahalala izay mitranga eo anivon’io Andrimpanjakana iasan’ireo solontenany io. Fanapahan-kevitra sy finiavana miainga avy amin’ireo solombavambahoaka izany. Na izy ireo ihany aza mantsy amin’izay dia afa-manao ny asan’ny fantson-tserasera. Andraikitr’izy ireo rahateo amin’ny maha olom-boafidy azy, ny manome tatitra ho an’izay nifidy azy sy ny olom-pirenena.

« Miala maina, ohatra, raha te hahalala ny amin’ny karaman’ireo solombavambahoaka na ny lisitr’ireo mpitantsoroka azy ireo. »

 

Fanambaram-pananana

Lafin-kevitra iray hahazoana maneho ny mangaraharaha ny fanambaram-pananana. Manizingizina ny tokony hanatanterahan’ireo olom-boafidy ireo an’izany rahateo ny Lalàmpanorenana. Voasoritra indrindra izany eo amin’ny andininy faha-40, ka milaza fa « ireto avy ny atao hoe Andrimpanjakana : ny Filohan’ny Repoblika sy ny Governemanta, ny antenimierampirenena sy ny antenimierandoholona , ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Ny Fitsarana Tampony, ireo Fitsarana Ambony ary ny rafi-pitsarana mifamatotra amin’ny Fitsarana Avo dia miandraikitra ny asam-pitsarana ».

Ny andininy faha-41 ao amin’io lalàna fototra io ihany dia manamafy fa « … mialoha ny hanatontosana ny asa na iraka sy amin’ny fanatanterahana fe-potoam-piasana, ny olona rehetra voakasika tamin’io andininy teo aloha io dia tsy maintsy mametraka fanambaram-pananana eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ». Voamarika anefa fa nandritra ny fotoam-piasana farany teo, tsy niroso tamin’ny fanatontosana izany ireo solombavambahoaka raha tsy nisy famozonana natao azy ireo ary efa fotoana naharitra taty aorian’ny nandraisany ny asany aza vao vita izany. Ny tsy fanaovana fanambarana anefa dia mahavoasazy araka ny lalàna.

Tsipihin’ny fehezan-dalàna famaizana eo amin’ny andininy faha-183.2 koa, fa « voaheloka higadra enim-bolana ka hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina sy fandoavana lamandy 50 tapitrisa Ariary, ny olona rehetra voakasiky ny fanaovana fanambaram-pananana, aorian’ny fampahatsiahivana ataon’ny Bianco aminy, kanefa ninia tsy nanatanteraka izany ». Manovona izany koa ny andinin-dalàna laharana 2016-020 tamin’ny 1 jolay 2016 mikasika ny ady amin’ny kolikoly, ka milaza izany ao amin’ny andininy faha-5 fa « mba tsy hanitsakitsahana ny zava-boasoritry ny andinin-dalàna 183.2 amin’ny Fehezan-dalàna famaizana, ny tsy fanekena ny tsy maintsy anaovana fanambaram-pananana, ho an’ny olon-drehetra voakasik’izany, dia azo raisina ho fahadisoana mitovy tantana amin’ny tsy fanatanterahana ny andraikitra amim-pahitsiana tahaka ny an’ny mpiasam-panjakana rehetra, mpitsara na miaramila sy indrindra koa ireo mpisahana asam-panjakana rehetra amin’ny endriny rehetra, izay voadidy hanao fanambaram-pananana ». Ny antontan-kevitra mifandrohy amin’ny fanaovana fanambaram-pananana dia tsy natokana ho an’ny sarambabem-bahoaka ka ny famoahana izany dia sazin’ny lalàna amin’ny ady heloka. Toe-javatra izay manery lalana ny fahazoan’ny olom-pirenena manara-maso sy manao tombana amin’ny zava-misy sy ny asan’ireo olona nofidiany hisolontena azy.

 

Fanjakan’ny tsy maty manota

Raha ny nambaran’i Clément Jaona, filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara, « ny Fitsarana Avo (HCJ) mihitsy no mahatonga ny tsy maty manota hahazo vahana, raha ny mikasika ireo parlemantera ». Io rafi-tsarana ambony io, raha ny nambarany hatrany, no nametraka ny foto-kevitra izay nanoritra fa ny parlemantera iray dia tsy azo entina eo anatrehan’ny Fitsarana raha toa ka ny roa ampahatelon’ireo olom-boafidy ao amin’ny antenimiera misy azy tsy nanaiky tamin’ny alalan’ny latsa-bato ny anatanterahana izany. Mbola mitoetra ho ho volan-kakafotra izany hatramin’izao !

Toe-javatra isan’ny voamarika koa, ohatra, nandritra ny fe-potoam-piasan’ny solombavambahoaka farany teo; ny parlemantera tsy miankina dia mpandraharaha sy mpikatroka ara-toe-karena ny ankamaroany. « Ny ankabeazan’ny mpanao afera dia tsy manoratra ny fananany amin’ny anarany », hoy ihany ity filohan’ny SMM ity. Mampanano sarotra ny fanaraha-maso izany raha misy ny fanenjehana heverina atao aminy, na ho an’ny olom-pirenena na ny sampandraharaha samihafa. Tsy azo odian-tsy hita toa tonom-bomanga vory vahoaka anefa amin’izao fotoana izao, fa amin’ireo kandidà 803 nekena ny firotsahany ho solombavambahoaka, dia mahatratra hatrany amin’ny 517 ireo kandidà tsy miankina. Manitikitika ny saina ihany, araka izany, ny mihevitra raha tena hikatsaka ny soa iombonana marina no nanosika azy ireo hilatsaka na fikatsahana seza hanangonan-karena fotsiny, amin’ny alalan’ny fahazoana ireo tombontsoa samihafa sitrahina noho ny fananana ny satan’ny parlemantera. Iaraha-mahalala rahateo fa mbola any an-kibon’ Ambatobevohoka ary tsy ampy sy tsy mahomby ny fametrahana ny mangaraharaha eto amintsika… Mbola fanontaniana tsy hikaroham-baliny koa ny mikasika ny maro an’isa eo anivon’ny antenimierampirenena, raha toa ka ny solombavambahoaka tsy miankina no hanan-tombo. Hifandroritana indray amin’izay ny fampiharana ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenana.

Karina Zarazafy