Dingana arahina amin’ny fandaniana lalàna

Home Politika Dingana arahina amin’ny fandaniana lalàna
Dingana arahina amin’ny fandaniana lalàna

Miomankomana ny amin’ny fisafidianana ireo solombavambahoaka 151 hisolontena azy eny anivon’ny antenimierampirenena ny mpifidy ka hiatrika fifidianana ny 27 mey ho avy izao. Fotoana kosa izao hahafahana miresaka ny iray amin’ireo andraikitra fototra ilàna ny parlemantera, dia ny fandaniana lalàna izany.

Fanapahan-kevitra iombonan’ny governemanta sy ny parlemanta ny fametrahana lalàna. Matetika dia miainga amin’ny volavolan-dalàna avy amin’ny governemanta izany ary dinihina sy laniana eny anivon’ny antenimierampirenena sy ny antenimieran-doholona.

Famakiana voalohany

Tsy azo lavina fa afaka mamolavola tolo-dalàna ny parlemantera, saingy noho ny antony maro, amin’ny tranga sy ny fombafomba mifamatotra amin’ny fanolorana izany ; mahalana vao mipaka hatrany amin’ny fandaniana sy ny fampananan-kery azy ny raharaha. « Malemin’ny mena miraviravy ilay rafitra », hoy Ramaroson Laurent, filoha teo aloha ho an’ny vondrona parlemantera Asa vita no ifampitsarana (Avi) teo anivon’ny antenimierampirenena. Mandalo dingana telo ny fomba entina mandrafitra lalàna, ka eo aloha ny fametrahana ny volavolan-dalàna ; manaraka izany ny fandinihana azy; ary farany ny famoahana izany hanan-kery izay tanterahin’ny Filohan’ny Repoblika. Ny volavolan-dalàna kosa dia laniana eo anivon’ny filankevitry ny minisitra mialoha ny hametrahana izany eny anivon’ny parlemanta. Afaka mametraka volavolan-dalàna na eny amin’ny antenimierampirenena na eny amin’ny antenimierandoholona ny governemanta, ho an’ny famakiana izany voalohany. Ho an’ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana kosa, tsy maintsy eny Tsimbazaza no ametrahana izany voalohany ho an’ny famakiana voalohany. Mikasika ireo volavolan-dalàna fehizoro kosa, mitaky fe-potoana 15 andro aorian’ny fametrahana izany eo anivon’ny iray amin’ireo antenimiera roa tonta izay vao azo irosoana ny fandaniana azy ireny. Ankoatra izay, ny ady hevitra mikasika ny volavolan-dalàna na tolo-dalàna mandritra ny fivoriana azon’ny rehetra atrehina dia « tsy azo tanterahina raha tsy tapitra ny fetrandro enina herinandro taorian’ny nametrahana azy na efatra herinandro nanomboka tamin’ny fe-potoana nanaovana ny fampitana izany », araka ny fitsipika anatiny mifehy ny antenimierampirenena.

Ho an’ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana kosa, tsy maintsy eny Tsimbazaza no ametrahana izany voalohany ho an’ny famakiana voalohany

Diniky ny samy filoha…

Tsy mifanalavitra fa mitovitovy tantana ihany ny dingana arahina, na ho an’ny eny Tsimbazaza na ny eny Anosy. Ho an’ny antenimierampirenena, ny governemanta no mametraka ny volavolan-dalàna eo an-tanan’izy ireo mba hodinihina ary hiadiana hevitra mandritra ny fifampidinihan’ireo filoha izany mba hahazoana manoritra ny lahadinika. Mandrafitra io diniky ny samy filoha io, ny filohan’ny antenimierampirenena, ny mpikamban’ny birao maharitra, ny filohana kaomisiona sy ny solontena avy amin’ny vondrona parlemantera. Voasolo tena mandritra izany koa ny mpanatanteraka. Ireto farany dia afaka manoritra izay laharam-pahamehana amin’ireo rijan-tenin-dalàna heveriny fa tokony hodinihina, araka ny fitsipika anaty mifehy ny antenimierampirenena. Aorian’izay dia anjaran’ny kaomisiona voakasika no mandinika ilay volavolan-dalàna. Ny asan’ny kaomisiona izay atrehin’ny minisitra sy ny tekinisianin’ny minisitera dia mampahafantatra amin’ireo solombavambahoaka ilay volavolan-dalàna.. Miezaka mitondra fandresen-dahatra sy miaro ny hevitry ny mpanatanteraka momba ilay volavolan-dalàna eo anatrehan’ny parlemanta izy ireo mandritra izany. Afaka manatrika ny ady hevitra koa anefa ireo solombavambahoaka hafa, na tsy mpikamba ao amin’ilay kaomisiona voakasika aza ary afaka mandroso ny heviny momba ilay lalàna dinihina. Na izany aza, tsy afaka mandray anjara amin’ny fandatsaham-bato ataon’ny kaomisiona izay atolotra mandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina izy ireo.

Ady hevitra imasom-bahoaka

Afaka mitondra fanitsiana amin’izay voasoritra ao anatin’ireo volavolan-dalàna ny kaomisiona. Manao tatitra mandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina izy ireo mikasika ny vokatry ny asa notanterahina. Tompon’ny teny farany amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra eo anivon’ny antenimierampirenena kosa anefa ny fivoriana azon’ny rehetra atrehina. Laniana ampahibemaso amin’ny alalan’ny ady hevitra ilay lalàna eo. Ny volavolan-dalàna tsotra dia azon’ny besinimaro laniana, fa ny volavolan-dalàna fehizoro kosa dia mitaky ny faneken’ny maro an’isa mandrafitra io andrimpanjakana mpanao lalàna io vao manan-kery. Manan-tantara manokana kosa tao anatin’ny taona maromaro izao ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana, teny Tsimbazaza. Ny minisiteran’ny Vola sy ny teti-bola no mikarakara dinikasa miaraka amin’ireo solombavambahoaka, mialoha ny hidirana amin’ny asan’ny kaomisiona, matetika eo am-pisakafoana antoandro. « Raha ny marina, paikady hoenti-miady varotra mialoha ny handaniana ny lalàna io », hoy ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny parlemanta. Misy fotoana tsy mandany afa-tsy ora vitsivitsy monja no andaniana antontan-kevitra ahitana ny loharanom-bola sy ny fandaniana ataon’ny fanjakana mandritra ny taona. Ireo rijan-tenin-dalàna lany teny Tsimbazaza kosa aorian’izay dia ampitaina mankeny amin’ny antenimierandoholona eny Anosy. Miseho ny fitsingilahilana rehefa mifandriro-kevitra ny amin’ny lalàna iray ny roa tonta. Miaka-midina eo anivon’ny antenimiera roa tonta ireo lalàna tokony holaniana amin’izay fotoana izay. Amin’ny famakiana fanintelony kosa dia afaka mandray fanapahan-kevitra ny antenimierampirenena. Na izany aza, afaka mampiantso ny tokony hananganana komity iombonana sy ifampisasahan’ny roa tonta koa ny governemanta, raha toa ka tsy mitovy ny tadin-dokangan’izy ireo momba ny lalàna farany tokony ho ekena. Io kaomisiona izay rafetin’ny mpikambana mitovy isa avy amin’ny solombavambahoaka sy ny loholona io dia tsy ampiasaina loatra ho antsika eto Madagasikara. « Endrika iray hahazoana mampiakatra ny lentan’ny ady hevitra anefa izany », hoy Randriamahafanjary Calvin, inspektera jeneralin’ny antenimierampirenena, ary efa nitana ny toeran’ny sekretera jeneraly teo aloha.

Ireo rijan-tenin-dalàna lany teny Tsimbazaza kosa aorian’izay dia ampitaina mankeny amin’ny antenimierandoholona eny Anosy

Havoaka hanan-kery

Rehefa lany ny volavolan-dalàna dia alefa any amin’ny lehiben’ny mpanatanteraka izany mba havoaka hanan-kery. Araka ny Lalàmpanorenana, ny Filohan’ny Repoblika no manatanteraka io andraikitra io, ao anatin’ny telo herinandro manaraka ny fotoana nandefasan’ny antenimierampirenena ny endri-dalàna farany nolanian’izy ireo. « Mialoha ny hamoahana azy hanan-kery, ny lalàna fehizoro, ny lalàna sy ny didy dia tsy maintsy apetraky ny Filohan’ny Repoblika eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenenana, mba handinihan’ity farany raha mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana izany », hoy ny voalaza ao. Mazàna amin’ny teny frantsay no namolavolana ireo rijan-tenin-dalàna niadian-kevitra sy nolaniana. « Tsy manan-karena loatra ara-boambolana ny tenintsika mba hahazoana mandika ireo voambolana momba ny lalàna ampiasaina. Tsy mora ny mikaroka voambolana mifanoaka na mifanandrify amin’ny fanapahana samihafa », hoy ihany Randriamahafanjary Calvin Nanazava. Mikasika ny teny ampiasaina kosa dia ny malagasy no voasoritra ao anatin’ny fitsipika anatiny fa kirakirain’ny antenimierampirenena. Na izany aza, « azo ampiasaina koa ny teny fratsay sy anglisy », hoy izy nanohy. Misy sampandrahara manokana misahana ny fandikana teny kosa anefa eo anivon’ity andrimpanjakana mpanao lalàna eny Tsimbazaza ity, saingy tsy miasa loatra izy io noho ny tsy fahavitsian’ireo mpila raharaha ao aminy.

Iloniaina Alain