Tafatafa tamin’ny Profesora Jeannot Rasoloarison

Home Tafatafa Tafatafa tamin’ny Profesora Jeannot Rasoloarison
Tafatafa tamin’ny Profesora Jeannot Rasoloarison

« Tokony ho teren’ny antokony hanatrika fivoriana ireo solombavambahoaka »

Vavolombelon’ny tantaram-pirenena malagasy izy ary iray amin’ireo mpampianatra izany, indrindra ny mikasika ny politika.

Pr Jeannot Rasoloarison, Mpampianatra Mpikaroka, Zana-tsehatra tantara eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo

Ahoana ny fomba hahazoana manamarina ny fitozoana mankamin’ny fametrahana antenimiera mpanara-maso tokana na anankiroa ?

Miankina amin’ny tanjona kendrena izany. Nandritra ny Repoblika faharoa, ny antenimiera mpanara-maso tokana dia nataon’ny Filoha Ratsiraka Didier letrezana ny fametrahana azy, satria tsy ilaina loatra ny antenimierandoholona raha ny fiheviny. Manavesatra ny fandaniam-bolam-panjakana io andrim-panjakana io, hoy izy tamin’izany, fa parlemanta tokana ihany dia ampy. Taty aoriana anefa, naverina indray ny fametrahana rafitra roa mpanara-maso ny mpanatanteraka, mba hisian’ny fifandanjam-pahefana. Nosokajiana ho mpanoha riana manoloana ny mpanatanteraka ny antenimierandoholona , saingy raha ny marina, ampiasaina mba hiarovana ny governemanta izy.

Misongadina ao anatin’ny tantaran’ny antenimiera eto amintsika hatreto ny fanepohana lava rehefa misy fivoriana. Mety ho efa nolovaina tamin’ny fomba fanao ve izany ?

Mametraka hatrany an’i Frantsa ho fitaratra amin’ny lafiny politika i Madagasikara amin’ny maha firenena zanatany frantsay teo aloha azy. Mitoetra amin’ny ankapobeny ny olana, satria raha mandinika ny zava-misy any amin’io firenena io isika, dia azo ambara fa mahazo laka ny tsy fanatrehana fivoriana any amin’ny antenimieran’izy ireo. Raha ny marina, eo ambany fitarihan’ny antoko politika nipoirany ny solombavambahoaka. Rehefa ny antokony no tsy mitaky ny tokony hiatrehany fivoriana dia mihevitra izy fa azo tsy tanterahina izany. Tokony hiverenana dinihina ny rijan-tenin-dalàna momba ny adidy aman’andraikitry ny parlemantera. Ary tokony hazava fa ny solombavambahoaka dia tokony hanatrika fivoriana. Raha tsy izany, tsy hahatsapa tena ho diso eo anatrehan’ny fingitrihany mihitsy izy ireo.

Tsikaritra fa nitombo isa ny solombavambahoaka tsy miankina eny amin’ny antenimierampirenena tao ho ao. Ahoana ny fomba mety ho azo anazavana io tranga io ?

Hatramin’ny Repoblika fahatelo no nanomboka nitombo isa ny solombavambahoaka tsy miankina. Tsotra ny antony : fongana hatramin’ny fotoana nahataperan’ny fitondrana Ratsiraka ireo antoko politika nanana foto-kevitra mafy orina, ho azy manokana, izay mivoy izany mba handresena lahatra ny mpifidy. Nanomboka nahazo laka teo ny tsy miankina. Te hitondra ny fomba fijeriny ao anatin’ny fari-piadidiany avy izy ireo. Noho ny tsy fisian’ny foto-kevitra azo isafidianana dia mandrotsa-bato arakaraka ny fitiavany manokana manoloana ilay kandidà ny vahoaka. Vokany, tsy voafehy intsony ny eo anivon’ny antenimierampirenena.

Manoloana ny sary ratsy fonosin’ny lasany, ahoana ny fomba hahazoana manatsara endrika indray ny antenimierampirenena ?

Ireo mpitarika antoko sy ny birao maharitra dia tokony hanery ireo solombavambahoakan’izy ireo hanatrika fivoriana mba hahafahan’izy ireo miaro ny foto-pisainana sy soridalan-kevitr’izy ireo, na ho an’ireo ao anaty fitondrana izany ho an’ny mpanohitra. Etsy ankilany anefa, tsy voakasik’izay ireo tsy miankina fa ilaina ny fifehezan-tenan’ny tsirairay. Manana adidy hifehy sy hampianatra ny mpikambana ao aminy ny antoko politika ary hiezaka handasitra amin’izy ireo izay foto-piheverana ijoroany. Tokony hampihatra ny fitsipi-pifehezan’izy ireo rahateo ny antoko politika. Tokony hatao lohalaharana hatrany ny foto-kevitra mba hahazoana mirona amin’ny fahazoana bebe kokoa ny asa ao amin’ny antenimierampirenena. Mbola tsy fantatry ny Malagasy ny antom-pisian’ny solombavambahoaka sy ny andraikitr’izy ireo marina. Ireo milatsaka hofidina koa dia mila mahalala ny anjara asa ho sahanin’izy ireo rehefa lany. Tokony hanana fahaiza-manao sy hahafehy ny lalàna izy ireo satria ny hifidy izany rahateo no ho asan’izy ireo.

Interview réalisée par Van-Lee Behaja