Fanitsiana ny rafi-panjakana, manjavozavo ny momba ireo antenimiera

Home Politika Fanitsiana ny rafi-panjakana, manjavozavo ny momba ireo antenimiera
Fanitsiana ny rafi-panjakana, manjavozavo ny momba ireo antenimiera

Mety hiteraka fikorontanana eo amin’ny parlemanta sy ny rafi-pahefana misy ny fampanantenana nataon’ny Filoha Rajoelina Andry nandritra ny fampielezan-kevitra dia ny hanafoanany ny antenimierandoholona.. Ady hevitra lalina anefa no mipetraka mialoha ny hamaritana ny amin’ny ilàna na tsia an’io antenimierandoholona io.Anatina rafi-panjakana mpanara-maso ireo mpanatanteraka roa tonta izy io ; rafi-panjakana tokana izay milaza fa mampihatra ny fitsinjaram-pahefana.

Nilaza ny fanapahan-keviny i Rajoelina Andry fa hanafoana ny antenimierandoholona , nandritra ny fanambarany ny filatsahany nofidina tamin’ny 1 aogositra 2018. Navoitrany fa mandany vola ity antenimierandoholona ity ka izay no antony mety hirosoany amin’izany. « Hofoanako ny antenimierandoholona raha vantany vao tonga eo amin’ny fitondrana aho. Hahenako hatramin’ny 10% ny tetibolany, fa ny ambiny kosa dia hananganako Oniverste manerana ny Nosy », hoy koa izy nandritra ny ady hevitra tamin’ny fahitalavitra izay nandraisan’ireo kandidà anjara.

Fironana

Ny kabarin-dRajoelina Andry izay efa lasa Filohan’ny Repoblika, hatreto, dia mifetra amin’ny fampisongadinana ny maha andrimpanjakana andaniam-bola fotsiny an’io antenimierandoholona izay nanjakazakan’ny antokon’ny fitondrana Hery vaovaon’i Madagasikara, tamin’ny fotoana nanaovany ny fanambarana. Navoitrany koa ny fandaminana ny fampiasana ny volam-bahoaka ka hahazo avara-patana amin’izany ny tanora. Na izany aza anefa, tsy tokony hafototra fotsiny amin’ny resa-tetibola ny ady hevitra ny amin’ny hanafoanana ny antenimierandoholona …
Ankoatra izay,, nitondra fanazavana momba io fikasan’ny Filohampirenena io ny tale jeneralin’ny raharaha politika eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Ramaholimasy Houlder. Nisintonan’ity tomponandraikitra ity ny eritreritry ny rehetra ny fironana iraisampirenena amin’izao fotoana izao, izay mizotra mankany amin’ny fametrahana rafitra mpanara-maso tokana, izany hoe antenimiera iray monja.

« Nisy ny ady hevitra niseho tany Frantsa mikasika ny ilàna na tsia, ary koa ny andraikitry ny antenimierandoholona . Tany am-piafarany anefa dia niraika tamin’ny tokony hitazonana azy izany, izay manome lanja ny lalan-tsaina voasedra sy ireo fahazarana latsa-paka eo amin’ireo fanao araka ny Lalàmpanorenana », hoy izy nanamafy. Firenena maromaro kosa anefa no efa niroso tamin’ny fametrahana rafitra mpanara-maso tokana. Vao tsy ela akory izay no nanao toy izany i Sénégal, firenena tsara fifandraisana amin’i Madagasikara ary izay tsikaritra koa fa heverin’ny Filoha halain-tahaka; ka nanokana ny teti-bolan’ny antenimierandoholony mba hampiasaina amin’ny lafiny fitantanana hiatrehana ny tondra-drano any amin’izy ireo. Noho ny antony samihafa koa, dia firenena skandinavy maro kosa no lasa nirona tamin’ny fametrahana parlemanta tokana.

Anjara andraikiny

Ny mason-tsivana mifaka amin’ny fahombiazana no naroson-dRamaholimasy Pierre Houlder ho tohan-kevitra manoloana ny safidin’ny Filohampirenena ho an’ny eto Madagasikara. Heveriny fa « tsy ilaina intsony » ny antenimierandoholona satria mifanongoa amin’ny an’ny rantsa-mangaika ny asany. « Manana anjara asa hanolo-tsaina ny mpanatanteraka ny loholona, saingy manao izay tokoa ve izy ireo ? Misy koa anefa mirazotra amin’izay, ny Filankevi-panjakana izay azon’ny governemanta angatahana tolo-kevitra », hoy izy nanohy ny fanazavany. Navoitra koa, ohatra, ny anjara andraikitra noraisin’ny Filankevitra ambonin’ny revolisiona nandritra ny Repoblika faharoa, fotoana tsy nisian’ny antenimierandoholona.

« Na izany aza, voatsikera foana ny CSR na teo aza ny fahombiazany », hoy izy nampahatsiahy, sady nanasongadina koa ny fomba fijeriny ka ilazany fa mivangongo loatra ny andraikitry ny antenimierandoholona . Raha ny tantaran’ny Lalàmpanorenana malagasy, mifototra fotsiny amin’ny fanao mahazatra ny fitanana na tsia io Andrimpanjakana io, fa tsy misy fandalinana voasedra mikasika ny antony safidy nametrahana izany. Ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra dia namerina indray ny fametrahana rafitra mpanara-maso (antenimiera roa tonta) izay efa tsy hita nandritra ny Repoblika faharoa. « Misolo tena ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy ireo rindran-damina mikasika ny lafiny toe-karena, sosialy » ny antenimierandoholona , raha ny Lalàmpanorenana ankehitriny no resahina. Ankoatra ny asa fanaovan-dalàna, manana anjara asa amin’ny fanaovana fitsirihana aman-tombana izy mba « hanolotra (amin’ny governemanta) ny heviny mikasika lafiny ara-toekarena, sosialy sy ny rindran-damina misy eny amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ».

Tsy mifandanja

Mitovy fa tsy sahala ireo rafitra roa tonta mpanara-maso ny mpanatanteraka eto amintsika, satria tsy mifandanja ny fahefana ananan’izy ireo fa mahazo vahana kokoa ny antenimierampirenena. Etsy andaniny, ity farany dia afaka manara-maso ireo mpanatanteraka ary manana fahafahana hanozongozona ara-kevitra ny amin’izay andraikitra tanan’izy ireo, fa tsy mba tahaka izay kosa ny an’ny loholona. Ny fanao araka ny Lalàmpanorenana kosa anefa etsy ankilany manasongadina fa ny antenimierandoholona dia lasa misahana ny asan’ny mpanalalana raha misy ny ady atsanga politika eo amin’ny mpanatanteraka sy ny solombavambahoaka.

Ankehitriny, tsilian-tsofina sy vaovao zara raha azo kiraina no andrenesana fa mihevitra ny hikitika ny Lalàmpanorenana ny mpifehy fanjakana. Vaovao hafa koa no milaza fa misy io tolo-kevitra ny hanafoanana ny antenimierandoholona io, izay rafitra tokony hisolo tena ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ao anaty fanjakana tokana sy fitondrana isitrahan’ny parlemantera ampaham-pahefana. Mifanindran-dalana amin’izay, misy ihany koa ny fikasan’ny Filohan’ny Repoblika hametraka ny governora hasolo ny lehiben’ny faritra izay mbola tsy voafidy, mba hanatsarana ny fifandraisana aminy. Ankoatra izay,tsy lazaina intsony fa mbola manjavozavo ny momba ny faritany, izay eo amin’ny dingana ahatelo amin’ny fanapariaham-pahefana. Mpahay lalàna iray hafa koa no manindrom-paingotra io fanao mikasika ny fomba fitantanana ny firenena io.

« Adikantsika anjambany fotsiny izay an-kafa.. Ny tena ratsy aza, hanintsika amam-bolony izany. Miteraka voka-dratsy ho an’ny firenena anefa ireny », hoy izy tsy niolaka raha nilaza ny heviny. Ilaina noho izany ny fandinihana marina ny amin’ny traikefantsika Malagasy momba ny fisian’ny rafitra mpanara-maso roa tonta, indrindra mikasika ny tsy fahampian’ny fitoerana ifotony ho an’ny antenimierandoholona, kanefa tokony ho voasolo tena. Saingy mbola lavitry ny afo ny kitay raha ny momba izany eto Madagasikara. Maka tahaka ny Frantsay isika ny amin’ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’io andrimpanjakana io amin’ny alalan’ny mpifidy vaventy (ny be n’ny tanàna, ny mpanolo-tsain’ny tanàna, ny lehiben’ny faritra, sns).

Zava-boalazan’ny Lalàmpanorenana

Tendren’ny antenimieram-paritany ary azon’izy ireo esorina koa ireo parlemantera mpikamba ao amin’ny antenimierandoholona any Afrika Atsimo. Mba hanomezan-kasina ny fahafahana misolo tena ny faritra,, ny famakiana voalohany ny volavolan-dalàna momba ny tombontsoam-paritra dia ampiandraiketina ny antenimierandoholona aloha ho azy ireo. Mba hanamafisana ny famangirana ao anatin’ny faritra ny fisian’ny antenimierandoholo na , dia tokony hanana fahefana ifotony hifidy ny mpikambana ao aminy amin’ny fotoana hidirany ao. Ny zava-boalazan’ny Lalàmpanorenana eto Madagasikara mikasika io antenimiera io momba ny fanehoana azy eny amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana dia mbola miteraka ady hevitra.

« Narafitra arakaraka ny kajijaky politika ny vondro-mpifidy tahaka izay natao nandritra ny fifidianana tamin’ny taona 2001 sy 2007 », hoy Ramasy Juvence, « Maître de conférence », mpampianatra mpikaroka momba ny siansa politika sy ny lalàna mifototra amin’ny Lalàmpanorenana. Mijanona ho mpanara-drian-drano an’ireo mpanatanteraka noho izany ireo ben’ny tanàna izay miankin-doha amin’ny fampihodinana ny kaomininy amin’ny alalan’ireo fanampiana avy amin’ny fitondrana foibe. Miroaroa saina sy tsy mifankahazo amin’ireo olom-boafidim-paritra sy ny an’ny faritany noho izany ireny tomponandraikitra ireny satria mbola tsy nisy rahateo ny fifidianana momba ireny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ireny.

Manampy izany koa ny fananan’ny Filohampirenena fahefana hanendry ny ampahatelon’ny mpikambana ao amin’ny antenimierandoholona. Fahefana izay hahafahany « mahazo avara-patana amin’ny fisitrahana ny maro an’isa ao amin’io andrimpanjakana io; fizaram-pahefaana izay misarintsarim-pisariham-panjifana ihany ary hahazoana manome seza ireo kinamanamana politika,ary miteraka fatiantoka manoloana ny tena fototr’andraikitry ny antenimieran-doholona izany », hoy ihany Ramasy Juvence.

Fomba fanendrena

Ny fanokanana teti-bolam-panohanana ny asam-pampandrosoana, izay tantanin’ny Komity ifotony momba fampandrosoana dia anisan’ny ohatra mampiharihary ny fisavoritahan-draharaha mahakasika ity antenimierandoholona ity. Mahavelon’eritreritra ihany mantsy ny fisafidianana ny solombavambahoaka ho isan’ny mpikamban’io komity io eo amin’ny toeran’ny loholona, eo anatrehan’ny tombontsoa sitrahin’ny eny ifotony sy ny faritra vokatr’ilay fanapahan-kevitra. Ny antenimierandoholona rahateo dia mifampitantana amin’ny ministeran’ny Atitany ny amin’ny fiahiana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Nanitrikitrika ny tokony hitazonana io antenimiera io kosa Ramasy Juvence.

« Midadasika ny firenentsika. Tokony homena fahafahana ny amin’ny fahafahany manana ny solontenany, noho izany, ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana », hoy izy nanolo-kevitra. Miombon-kevitra amin’izany koa anefa Rakotoson Harotsilavo, mpahay lalàna. «Raha toa ka hamafisina ny fanampariaham-pahefana, dia tokony hotontosaina miaraka amin’ny antenimierandoholona koa izany mba hisorohana ny tsy fahamarinan-toeran’ny fampandrosoana ara-toekarena.

« Tokony ho voasolo tena sy hanana mpiaro noho izany ireo faritra natao ankilabao, satria ny antenimierampirenena rahateo dia iaraha-mahatsapa fa marefo. Ahiana ny hananantsika Filoha manam-pahefana tapitr’ohatra amin’izany », hoy izy. Ireo mpomba ny fitazonana ny antenimierandoholona kosa manolo-kevitra ny amin’ny tokony hanovana ny fomba fanendrena ireo senatera mba hahazoan’ireo mpikambana ao mifototra tsara amin’ny anjara asany. Mihevitra izy ireo, noho izany, fa tokony hofoanana ny fanampahan-kevitra mifandraika amin’ny fanomezam-pahefana ny Filohan’ny Repoblika ny amin’ny fanendrena ny iray ampahatelon’ny mpikambana ao amin’io Andrimpanjakana io. Lalana iray azo izorana koa ny fandrafetana ireo olom-boafidy hitambatra ao anaty vondro-mpifidy afaka hiaro ny tombontsoan’ny vondrom-bahoakam-paritra intsinjaram-pahefana.

1 Les Défis du parlementarisme à Madagascar, Friedrich-Ebert-Stiftung (2018)