Antananarivo: eo am-pitadiavana ilay ben’ny tanàna tsy manam-paharoa

Home Politika Antananarivo: eo am-pitadiavana ilay ben’ny tanàna tsy manam-paharoa
Antananarivo: eo am-pitadiavana ilay ben’ny tanàna tsy manam-paharoa

Fanamby goavana: ilay ho ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) atsy ho atsy sy ireo ho mpanolotsainan’ny tanàna dia hiloloha adidy mavesatra hamelombelona indray sy hanarina ny renivohitr’i Madagasikara izay sempotra sy tafiditra anatina vela-pandrika marobe samihafa eo an-dàlana mankany amin’ny fandrosoana.

Iainana isan’andro vaky ny fahavoazana tsy maintsy atrehina, toy ny tsy fandraofana ny fako, ny fihanaky ny mpivarotra mamelatra entana eny amoron-dalana na any anaty arabe, ny tsy fahampian’ny famatsiana rano sy jiro, ny fahasimban’ny tatatra fandehanan’ny rano maloto, sns.”, hoy ny voasoratr’i Jean Rabemanantsoa ao amin’ilay boky hoe La Cité des mille : Antananarivo, histoire, architecture, urbanisme (Ny tanànan’ny arivo: Antananarivo, tantara, taotrano, fanajariana tananàn-dehibe) .Hatramin’izao aloha dia mbola tsy misy tsy ampoizina ny fanoritsoritana ny sary mampalahelon’ilay renivohitr’i Madagasikara nataon’ity injeniera sy mpahay mari-trano ity. Saingy izy ity fotsiny dia noresahan’ny mpanoratra tamin’ny 1998.

Torimaso lalina

Ireo zava-niseho izay voatantara roapolo taona lasa izay dia nahazo faka amin’ny andavanandrom-piainan’ny mponina eto Antananarivo na dia mandeha hatrany aza ny fotoana. Mbola loza noho izany aza satria misy faritra sasany tena mainka koa izy ireny niharatsy. Tsy resahina ny fahatongavan’ny olana vaovao, toy ny fitohanan’ny fifamoivoizana na koa ny tsy fandriampahalemana. Mibaribary ny vokatr’izany toe-javatra izany. “Ny ivon-tanànan’Antananarivo dia voatondro fa tanàna faran’izay maloto indrindra eto ambonin’ny tany noho ireo fakony misavovona, ny rano malotony, ary ny fofona maimbon’ny tatatra ivarinan’ny malotony sy ny ranonorana”, hoy ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Mercer Human Resource Consulting tamin’ny 2007 mahakasika ny kalitaon’ny fiainana eto amin’izao tontolo izao, notaterin’ny fikarohana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena1.  Ny fitantanana ny fako sy ny loto no voalohany indrindra amin’ny olana tsy maintsy vahana haingana dia haingana eto Antananarivo satria ny 52%-n’ny olona nanontaniana dia nilaza an’io olana io avokoa. Manaraka izany dia ny fahasahiranana amin’ny fifamoivoizana noho ny fitohanan’ny fiarakodia, ny lalana simba, izay nambaran’ny 51 %-n’ny olona. Ny tsy fandriampahalemana no mitana ny laharana fahatelo satria nahazo 42 %”. Mandeha ny fotoana saingy ny fanamarihana dia mampiseho fa ilay tanànan’ny arivolahy dia ohatra ny rendrika ao anaty torimaso lalina. Ben’ny tanàna sy filohana delegasiona manokana maro be avy amin’ny antoko politika samihafa firehana no nifandimby nitarika ny CUA ka nanandrana namaha ireo olana izay marolafy; tsy nitondra fiovana maherivaika sy tsy nampiova ny zava-misy anefa izany. Ny sasantsasany tamin-dry zareo ireo aza dia tonga hatrany amin’ny toeran’ny filoham-panjakana rehefa nandalo vetivety tao amin’ny lapan’ny tanànan’ny renivohitra, fa ilay sary kosa dia tsy niova velively.

 Teny mampilamina

Mijanona ho goavana ny fanamby ho an’izay ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny tanàna ho avy eo: hanarina toe-java-misy tsy mamirapiratra sy miha-maimbo isan’andro isan’andro. Ankoatra ny teny mampilamina sy ny fampanantenana tsy misaraka amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra dia manantena an-dry zareo ny mpifidy mba hitondra fandaharan’asa mivaingana sy azo tanterahana amin’ny famahàna ireo olana izay misandrahaka be manenika ny renivohitra, renivohitra izay tokony ho fitaratra itarafana ny firenena. Tsy ny lasinasa anefa no tsy misy. Mbola mitombina hatramin’ny ankehitriny ny fanamarihana nataon’i Jean Rabemanantsoa tamin’ny faramparan’ny taona sivifolo. Ny hita dia “ny fahasarotan’ny fifamoivoizana sy ny fitaterana, ny fihasimban’ny tambazotran’ny fanadiovana sy ny fanorenana efa tranainy amin’ny ankapobeny, ny fitombon’ny mponina an-tanàn-dehibe, ny fitombon’ny tinadina fotodrafitrasa sy fonenana izay tsy zakan’ny tanàna tany am-piandohana intsony, ary ny fahakelezan’ny  enti-manana ara-bola manoloana ny asa takian’ny fanarenana sy ny fandrafetana indray ny tanàna, mba hahatsaratsara kokoa ny fandehany”. I Gérard Andriamanohisoa, mpanolotsaina manokana an’ny filoha Andry Rajoelina dia miresaka “faneriterena ara-drafitra maharitra”. “ 27%-n’ny tanàna, izany hoe, ny afovoan-tanàna, Ivandry sy 67 ha fotsiny no nanara-drafitra. Amin’izay aza ny tanànan’ny 67 ha dia zary tanàna tsizarizary. Milaza izany fa nanjavona koa hatramin’ny kely nananana”, hoy ny alahelon’ilay tale jeneraly an’ny fanajariana ny tany teo aloha. Ny fihamaroan’ny mponina dia olana ho an’ny tanàna; satria raha mponina 300 000 ka hatramin’ny 500 000 no noheverina ho zakany teny am-boalohany dia tsy niova io na dia eo aza ny kaomina 37 natao fatoriana mba hahafahan’ny mpiasa 1,5 tapitrisa mahitra trano hatoriana amin’ny alina. Toy izany koa ny amin’ireo olona 600 000 monina any amin’ny faritra iva, “mivangongo tamba-be ao daholo ny faharatsian’ny tanàn-dehibe rehetra”, araka  ny tenin’i Josélyne Ramamonjisoa, mpahay jeografia, ao amin’ny La Cité des mille : Antananarivo, histoire, architecture, urbanisme (Ny tanànan’ny arivolahy: Antananarivo, tantara, taotrano, fanajariana tananàn-dehibe). Nefa “raha mitohy izao fitombon’ny tanàna ankehitriny izao, efa ho ny antsasaky ny mponina no hipetraka an-tanàn-dehibe ary Antananarivo sy ny manodidina azy akaiky dia efa hahatratra ny mponina 8 tapitrisa raha vao mitsidika ny taona 2020”, hoy ny fanamarihan’ny Banky Iraisam-pirenena1. Izany rehetra izany dia ao anatin’ny “fisangodinan’ny fifindra-monina sy ny fiitaran’ny tanàna tsy misy fifehezana”, hoy ny Birao mpanara-maso ny momba ny tany  tamin’ny 2015. Ny vinavina manangasanga ho an’ny mpitondra dia ny hametrahana ireo mponina 3,2 tapitrisa manomboka izao ka hatramin’ny 2033, “miaraka amin’ny tahan’ny fahantrana ety an-tanàn-dehibe sy ny fisavoritahana” hoy i Gérard Andriamanohisoa mamintina azy.

Tsy mahatohitra ny tsindry ireo manampahefana eto an-toerana izay mitily mangina ny fahatongavan’ny fifidianana, hany ka zary mandray fanapahan-kevitra izay miteraka fanoherana

Misalasala hatrany

 Tsy mahatohitra ny tsindry ireo manampahefana eto an-toerana izay mitily mangina ny fahatongavan’ny fifidianana, hany ka zary mandray fanapahan-kevitra izay miteraka fanoherana. Mampibaribary izany ny fanapahan-kevitra hanangana kitranotrano kely eny amoron-dalana, ny alalana nomena ny mpivarotra hampiasa ny sisin’arabe, toy izany koa ny fisalasalana tsy misy farany momba ny fitantanana ny fivezivezen’ny posiposy sy ny sarety. “Ny tahan’ny fibodoana tsy ara-dalàna dia mahatratra 65 % -n’ny fampiasana azy eto amin’ny tanànan’ Antananarivo tamin’ny fiandohan’ny taona 2010 (…) Mavesatra be io ary mampiseho lany ny fitambaran’ny voka-dratsin’ny krizy politika izay niteraka ny fiovana avy amin’ny ara-dalàna nankany amin’ny tsy ara-dalàna”, hoy ny Banky Iraisam-pirenena1. “Ny faritra nosokajiana ho fanitarana ho an’ny indostria aza dia zary faritra fonenana sy fambolena”, hoy i Gérard Andriamanohisoa manamafy.  Mifarana any amin’ny fihodinkodinana tsy misy farany izany noho ny faneriterena avy amin’ny fitomboan’ny mponina sy ny toekarena ary ny  fiarahamonina. Mbola misy hatrany fatahorana ny tondra-drano ao an-drenivohitra “satria teo ambony heniheny no naorina ny tanànan’Antananarivo, ary satria koa misy fanajariana sasany mbola tsy vita”, hoy ny Banky Iraisam-pirenena.

Filàna

Ny fanotofana tsy ahazoana alalana sy ny tata-drano maloto izay mora feno fotaka” no antony “mahatonga ny tondra-drano hahery vaika ao amin’ny tanànan’Antananarivo”. Ary “ankoatra ny tsy fahampian’ny tambazotra fanariana ny rano”, dia marihina koa  ny  faharatsiany, miaraka amin’ny fotodrafitrasa efa tranainy ary tsy voakarakara. Mampalahelo anefa fa “tsy ampy fitaovana” enti-miatrika ny fanamby tsy maintsy tontosain ny tanàna, ary anisan’ireny Antananarivo. “Tsy hentitra loatra ny fitsinjarana ny andraikitra ho an’ny sampan-draharaham-panjakana ka tsy misy na iza na iza miantsoroka ny tena fanatanterahana marina ny politika manakaiky ny vahoaka”, hoy ny Banky Iraisam-pirenena. “Ny fahefana eny ifotony dia tsy mihetsika raha tsy manoloana hamehana na raha tsy efa tsy mahavita ny anjarany intsony ny fahefana foibe.Ankoatra izany, na dia mba te hanao zavatra ihany aza ny mpitantana ny tanàna dia sady tsy manana ny vola ilaina izy no tsy manana ny olona ihany koa. Ny tetibolan’ny tanànan’Antananarivo mandritra ny taona (efatra dolara isaky ny mponina) dia latsaka impiton’ny an’i Dakàra”, hoy izy manohy. Nandritra ny fihodinana fahatelon’ny Fihaonambem-pirenena ho an’ny tanàn-dehibe, i Marie-Chantal Uwanyiligira, ilay solontena maharitra an’ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara, dia nampahafantatra fa mila fampiasam-bola 2 lavitrisa dolara Antananarivo hatramin’ny tanona 2030.

Tandapa

Na dia manana ny satany manokana aza Antananarivo, dia tsy manamora ny famahàna ny olana tsy maintsy atrehin’ny renivohitra ny fifampihenjanana eo amin’ny fitondrana foibe sy ny fitondrana eo amin’ny kaominina. Mampiharihary an’io ny tantaran’ny fampidinana ny sokajin’ny tahirimbolan’ny tanànan’Antananarivo ary koa ny nanesorana tamin’ny CUA ny Service Autonome de maintenance de la ville d’Antananarivo (Samva) na Sampan-draharaha mahaleo tena mikojakoja ny tanànan’Antananarivo, izay sampana miandraikitra ny fandraofana ny fakon’ny tokantrano eny amin’ny dabam-pako, ka nanankinana azy amin’ny ministeran’ny rano sy ny fanadiovana. Ao anatin’izany rivo-piainana izany no anaovana ny fifidianana ny ben’ny tanàna ho an’ Antananarivo sy ny mponina iray tapitrisa sy fahefany ao aminy, araka ny tatitra savaranonando momba ny fanisam-bahoaka ankapobeny sy ny fonenana tamin’ny 2018. Tsy maintsy anampy izany ny fifaninanana eo amin’ny antoko politika mirotsaka an-tsehatra hiady ny toeran’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsainan’ny tanàna. Ady ifanaovan’ny kandidà natolotry ny Isika Rehetra Kaominina miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRK), Naina Andriantsitohaina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay nanangasanga teny ho eny, saingy nisafidy tamin’ny fotoana farany ny handrotsaka an-tsehatra ny lehilahy iray tandapa tao amin’ny ekipa teo aloha hifaninana ho ben’ny tanàna, dia i Rina Randriamasinoro; izany no somary nampidina kely ny maripanan’ny fihenjanana politika nisy teo amin’ireo izay efa mpifanandrina ka nampisy ny krizy politika tamin’ny taona 2009. Samy manao izay azony atao ireo antoko roa ireo mba hahazo ny renivohitra amin’ny maha-marika manokana azy. Ho an’ny fitondrana ankehitriny dia tsy maintsy atao izay hahazoana ny renivohitra  mba hahafahana mitondra tsy misy mpanelingelina. “ Ny loharano niavian’ny fanonganam-panjakana sy ny fanoheran’ny fiarahamonina dia ny fivangongoan’ny olona eny amin’ny tanàn-dehibe”, hoy i Gérard Andriamanohisao, mpanolotsaina manokana ny filoha Andry Rajoelina. “ Izay filoha tsy nahavabatra ny tanàn-dehibe dia nisedra fihetsiketsehana an-dalambe izay niafara tamin’ny fionganana”, hoy izy nanohy. Etsy an-daniny, ny mpamorona ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) dia manao izay tsy hahafaty azy eo amin’ny lafiny politika taorian’ny fahareseny tamin’ny fifidianana filoha sy solombavambahoaka.

Hery roa mifanandrina

Ny fomba nifidianana  ny ben’ny tanàna tamin’ny 2014 dia hafa noho ny fifidianana azy ankehitriny. Saingy ny traikefan’ny ekipa teo aloha tao amin’ny tanànan’Antananarivo dia mampiseho fa tsy tena antoka tsy misy atahorana hahitana fahombiazana mihitsy akory ny fisian’ny rantsana mpanapa-kevitra miandany amin’ny Mpanatanteraka ao amin’ny fitantanana ny tanàna. Miditra an-tsehatra koa mantsy ny antony mifandraika amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny ekipa mitantana ny tanàna sy ny fanjakana foibe. Ny fifanandrinan’ny fahefana eny ifotony sy ny Fanjakana foibe dia matetika no miafara amin’ny vokatra ratsy ho an’ny CUA. Ny fomba fifidianana izay miafara amin’ny fifidianana roa samy hafa ho an’ny ben’ny tanàna sy ho an’ny mpanolotsainan’ny tanàna dia mety hiteraka zavatra tsy ampoizina. Ny kisary ahitana Mpanatanteraka ao amin’ny tanàna izay tsy manana ny maro an’isa hanohana azy ao amin’ny Filan-kevitra dia mety hampitsingilahila ny toerany nefa dia izy no miantsoroka ny hoavin’ny renivohitra. Ary izany dia satria ny lisity ny “tsy miankina” mirotsaka hofidiana ho mpanolotsainan’ny tanàna dia mety ho lasa mpitsara ny fifanandrinana eo amin’ny IRK sy ny TIM. “Tsapako fa miahiahy sy tsy matoky ny mpanao politika ny olom-pirenena. Fa ny tombony ho anay rehefa mirotsaka ho kandidà ho ben’ny tanàna dia noho izahay afaka manakaiky ny olom-pirenena”, hoy i Hajatiana Nomenjanahary, ao amin’ny lisitra Komba. “Ny fifidianana ben’ny tanàna no anisan’ny hany fomba hampitenenana ny “demokrasia manakaiky ny mponina”. Nanolo-tena hanompo an’Antananarivo aho, tanàna onenako, izay lasa ratsy sy mahonena noho ny tsy firaharahan’ny mpitantana teo aloha”, hoy ny filazany. Manezaka manatratra ny fahatarana hatramin’izay: tsy mora velively ny iraka ampanaovina ny ben’ny tanàna ho voafidy eo.

 Iloniaina Alain

1 L’Urbanisation ou le défi malgache (2011)