Catégorie : <span>Politika</span>

Home Politika
Antananarivo: eo am-pitadiavana ilay ben’ny tanàna tsy manam-paharoa
Article

Antananarivo: eo am-pitadiavana ilay ben’ny tanàna tsy manam-paharoa

Fanamby goavana: ilay ho ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) atsy ho atsy sy ireo ho mpanolotsainan’ny tanàna dia hiloloha adidy mavesatra hamelombelona indray sy hanarina ny renivohitr’i Madagasikara izay sempotra sy tafiditra anatina vela-pandrika marobe samihafa eo an-dàlana mankany amin’ny fandrosoana. “Iainana isan’andro vaky ny fahavoazana tsy maintsy atrehina, toy ny tsy fandraofana ny...

Ny vehivavy sy ny fifidianana solombavambahoaka, omaly tsy miova toa volan-kakafotra ?
Article

Ny vehivavy sy ny fifidianana solombavambahoaka, omaly tsy miova toa volan-kakafotra ?

Sahala ny zava-misy any amin’ny ankamaroan’ny firenena afrikana samihafa, mbola fanamby lehibe eo amin’ny fitantanana ara-demokratika ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy eto Madagasikara. Ao anatin’ny fiomankomanana ny amin’ny anatanterahana ny fifidianana Solombavambahoaka eto Madagasikara, dia fantatra tamin’ny fanambarana nataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), fa tsy misy afa-tsy ny 15%-n’ireo kandidà milatsaka ho fidiana no...

Fangaraharahan’ny famatsiam-bolan’ny fampielezan-kevitra, mila vahaolana
Article

Fangaraharahan’ny famatsiam-bolan’ny fampielezan-kevitra, mila vahaolana

Na dia heverina aza fa latsa-danja manoloana ny fifidianana filoham-pirenena farany teo ny fifidianana solombavambahoaka ho avy io dia anisan’ny fotoana iray hampiasan’ny kandidà enti-manana mihoampampana, na vola io na fitaovana. Manoloana ny resabe ateraky ny ahiahy ny mety tsy fangaraharahan’ny famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra, manolotra soso-kevitra hoenti-mamaha ny olana ity mpandinika politika ity. teraka resabe...

Tafatafa tamin’i CHRISTINE RAZANAMAHASOA
Article

Tafatafa tamin’i CHRISTINE RAZANAMAHASOA

« Na dia ambany aza ny tahan’ny fandraisana anjara tamin’ny fifidianana dia voafidy tamin’ny ara-drariny izahay » Anisan’ny tanan’ankavanan’i Andry Rajoelina i Christine Razanamahasoa, ary lany ho filohan’ny Antenimierampirenena izy. Voafidy mora foana izy tany amin’ny fari-pifidianana misy azy. Mpikatroka mahatoky izy. Heverina fa ‘valim-piakarana fidinana’ ho azy izao fiverenany ao amin’ny Antenimierampirenena izao. Nihaona taminy izahay,...

Faritra ifanakalozana malalaka (Zlec), atahorana ho mpitazana fotsiny i Madagasikara
Article

Faritra ifanakalozana malalaka (Zlec), atahorana ho mpitazana fotsiny i Madagasikara

Nomarihan’ireo firenena mpikambana amin’ny Vondrona afrikana (UA) tamin’ny fomba ofisialy ny fampiharana ny fifanarahana momban’ny fametrahana ny Faritra ifanakalozana malalaka na Zlec nandritra ny fivoriana natao tao Niamey, renivohitry Niger ny 7jolay lasa teo. Araka izany, efa mandeha amin’ny fomba ofisialy io tsenam-barotra lehiben’ny Afrikana io. Hita eny amin’ny endriky ny Filoha Andry Rajoelina ny...

Ady tany : fanontaniana mipetraka ny momba ny Nosy Eparses
Article

Ady tany : fanontaniana mipetraka ny momba ny Nosy Eparses

Azo lazaina ho toy ny vara-datsaka ho an’ny mpanara-baovao tokoa ilay fanambarana niarahan’ny filoha malagasy Andry Rajoelina sy ny filoha frantsay Emmanuel Macron nanao tamin’ny valan-dresaka nataon’izy ireo ho an’ny mpanao gazety mahakasika ny Nosy Eparses. « Amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy no angatahako amin’ny fomba ofisialy sy ampahibemaso amin’Andriamatoa prezidà (Emmanuel Macron) hitady vahaolana ho an’ny...

Fifidianana, mizotra mankany amin’ny fifidianana ben’ny tanàna
Article

Fifidianana, mizotra mankany amin’ny fifidianana ben’ny tanàna

Vita iny ny fifidianana solombavambahoaka. Fifidianana ben’ny tanàna no dingana manaraka. Ho tapitra amin’ny volana jolay ny fe-potona iasan’ny ben’ny tanàna. Raha misy fahabangana eo amin’ny toeran’ny ben’ny tanàna dia manan-jo ny fahefana mpanatanteraka hanendry Filohan’ny delegasiona manokana (PDS) izay hiandraikitra ny raharaha mandritra ny fotoana tsy mahaeo ny ben’ny tanàna. Mandritra izany fotoana izany...

Barean’i Madagasikara, masoivoho voalohan’ny firenena malagasy
Article

Barean’i Madagasikara, masoivoho voalohan’ny firenena malagasy

Noho ireo soatoavina maha olombelona maro izay raiketany sy ny fahombiazany amin’ny fanambarana ny mpankafy amina fihetsem-po iray sy hambom-pirenena, ho an’ny firenena maro dia zary fitaovan-tserasera mahomby ampiasaina amin’ny diplomasia ny fanatanjahantena. Fandravàna fanafihana, baolina saika maty fa tsy tafiditra tanaty  harato, fandakàna “tirs au but”… Ireny pitsopitsony ireny matetika no mampiavaka ny tantara...

Asean, ilay fakam-panahy aostronezianina
Article

Asean, ilay fakam-panahy aostronezianina

Fiverenana an-doharano. “Mihevitra ireo izay nanangana ny IEM fa ny ‘fitovitoviana eo amin’ny lafiny kolontsaina’ izay misy eo amin’i Madagasikara sy ny firenena aostronezianina dia toe-java-misy tokony ho fanararaotra amin’ny alalan’ny Asean eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, ny diplomasia sy ny toekarena. Mifaka amina tsangan-kevitra azo tanterahina ve izany sa nofy antoandro fotsiny ihany? “Toe-tsaina...

Fantaro ny diplomasia malagasy
Article

Fantaro ny diplomasia malagasy

Misy sy miandry hatrany ny fanamby politika sy ara-toekarena ary ny fiovan’ny toe-java-misy eran-tany. I Madagasikara manoloana izany dia toa mizotra amin’ny lalana mitondra mankany amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny habaky ny kaontinanta sy eo amin’ny fisokafana any amin’ny firenena mpiara-miombon’antoka. Ny fitaovam-piadiana diplomatika ananany no tokony hampahavitrika azy amin’izany. Mbola tsy mahomby tanteraka anefa ilay...