Na dia heverina aza fa latsa-danja manoloana ny fifidianana filoham-pirenena farany teo ny fifidianana solombavambahoaka ho avy io dia anisan’ny fotoana iray hampiasan’ny kandidà enti-manana mihoampampana, na vola io na fitaovana. Manoloana ny resabe ateraky ny ahiahy ny mety tsy fangaraharahan’ny famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra, manolotra soso-kevitra hoenti-mamaha ny olana ity mpandinika politika ity. teraka resabe...