Ny firesahana mahakasika ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny zazavavy dia heverina matetika fa fady eto Madagasikara; tsy tenitenenina kanefa manapoizina ny fiaraha-monina na koa mampiadana na mampihisatra mihitsy ny firosoana mankany amin’ny fandrosoana. Firy no isan’izy ireny? Firy ireo vehivavy izay mijaly amim-pahanginana noho ny ataon’ny vadiny? Firifiry ireo izay voatery mikombom-bava satria...