Hatramin’ny taona 60 no mankaty, dia lasa anjorombala ka tsy mba nisitraka asa fanatsarana na fanavaozana ny lapan’ny demokrasia eny Tsimbazaza, izay foiben’ny antenimierampirenena eto Madagasikara. « Zara raha nisy ny fampitaovana sy kojakoja kely madinidinika nielina, fa ny fanavaozana marina dia mbola any an-kibon’ny omby hatramin’ny Repoblika voalohany, fotoana niorenany », hoy ny fanazavan-dRambeloson Toky, talen’ny...